Joba 10:1-22

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-22)

    • ‘Maninona Andriamanitra no miady amiko?’ (2)

    • Tsy azo ampitahaina i Joba sy Andriamanitra (4-12)

    • ‘Mba te ho maivamaivana aho’ (20)

10  “Maharikoriko ahy ny fiainako.+ Havoakako daholo ny fitarainako. Hiteny aho fa mangidy loatra ny fiainako!  2  Hiteny amin’Andriamanitra aho hoe: ‘Aza tsarainao hoe meloka aho. Lazao amiko hoe maninona ianao no miady amiko.  3  Misy soa azonao ve rehefa mampijaly ahy ianao,Ka manao tsinontsinona ny asan’ny tananao,+Ary mankasitraka ny hevitry ny ratsy fanahy?  4  Mason’olombelona* angaha ny masonao,Sa mitovy fomba fijery amin’ny olombelona mety maty ianao?  5  Toy ny androm-piainan’ny olona mety maty angaha ny androm-piainanao,Sa hoatran’ny taonan’ny olona ny taonanao,+  6  No tadiavinao izay fahadisoako,Ary karohinao ny fahotako?+  7  Fantatrao fa tsy meloka aho,+Sady tsy misy mahavonjy ahy eo an-tananao.+  8  Ny tananao ihany no namolavola sy nanao ahy,+Nefa tadiavinao horinganina tanteraka aho izao.  9  Mba tadidio re fa tanimanga no nanaovanao ahy e,+Nefa averinao ho vovoka indray+ aho izao. 10  Tsy nararakao toy ny ronono ve aho,Ary nataonao mandry toy ny fromazy? 11  Hoditra sy nofo no nampitafianao ahy,Ary taolana sy hozatra no nandrarianao ahy.+ 12  Nomenao aina aho, ary tia ahy sy tsy nivadika tamiko ianao.Niaro ny aiko* ny fikarakaranao ahy.+ 13  Nitady hanao an’ireto zavatra ireto mangingina anefa ianao,* Ary fantatro fa avy aminao ireto: 14  Raha nanota aho dia ho narahinao maso,+Ary tsy ho navelanao ny fahadisoako. 15  Raha meloka aho, dia loza ny manjo ahy! Ary na tsy manan-tsiny aza aho, dia tsy ho afaka hitraka,+Satria afa-baraka tanteraka sady vontom-pahoriana.+ 16  Raha mitraka aho, dia hihaza ahy toy ny liona+ ianao,Ary hasehonao indray ny herinao mba hamelezana ahy. 17  Mitondra vavolombelona hafa hiampanga ahy ianaoSady vao mainka tezitra amiko,Amin’izao fahoriana misesisesy manjo ahy izao. 18  Koa nahoana aho no navoakanao avy tao an-kibo?+ Tahaka izay aho maty dia tsy nisy maso nahita ahy. 19  Dia mba toy ny hoe tsy nisy mihitsy aho;Ho nalaina avy tao an-kibo aho, ka tonga dia nalefa tany am-pasana.’ 20  Tsy efa vitsy ve ny androko?+ Aoka izy tsy hanelingelina ahy;Enga anie tsy hibanjina ahy intsony ny masony, dia mba ho maivamaivana*+ aho, 21  Alohan’ny handehanako any amin’ny toerana izay tsy hiverenako intsony,+Dia any amin’ny tany anjakan’ny haizim-pito,*+ 22  Any amin’ny tany misy haizina mikitroka,Dia tanin’ny haizim-pito sy korontana,Ka na ny hazavana any aza toy ny haizim-pito.”

Fanamarihana

Abt: “Maso nofo.”
Na: “fofonaiko.”
Abt: “Ary nafeninao tao am-ponao ireto zavatra ireto.”
Na: “miramirana kely.”
Na: “haizina sy ny aloky ny fahafatesana.”