Joba 11:1-20

  • Ny teny voalohany nataon’i Zofara (1-20)

    • Niteny hoe nirediredy i Joba (2, 3)

    • Niteny tamin’i Joba mba hiala amin’ny ratsy (14)

11  Namaly i Zofara+ Namatita hoe:  2  “Tsy hovaliana ve izany teny rehetra izany,Ary hanana ny rariny ve ny olona be resaka be?*  3  Hampangina ny olona ve ny rediredinao? Tsy hisy hananatra anao ve noho ny teny maneso+ nolazainao?  4  Milaza mantsy ianao hoe: ‘Tsy misy tsininy ny fampianarako,+Ary madio eo imasonao aho.’+  5  Raha mba miteny anefa Andriamanitra,Ka manokatra ny vavany hamaly anao,+  6  Dia hampahafantariny anao ny tsiambaratelon’ny fahendrena,Satria be dia be no azo ianarana momba ny tena fahendrena! Dia ho azonao fa tsy tian’Andriamanitra hotadidina ny fahadisoanao sasany.  7  Ho vitanao ve ny hamantatra ny zava-dalin’Andriamanitra,Na ny hamantatra ny zava-drehetra momba an’ilay* Mahery Indrindra?  8  Avo noho ny lanitra izany, ka hahavita inona ianao? Lalina noho ny Fasana* izany, ka inona no ho fantatrao?  9  Lehibe noho ny tany izany,Ary midadasika noho ny ranomasina. 10  Raha mandalo izy ka misambotra olona, ary mitondra azy any amin’ny fitsarana,Dia iza no hahatohitra azy? 11  Fa fantany ny olona mpamitaka. Dia tsy hiraharaha ve izy rehefa mahita zava-dratsy? 12  Fa hahataka-javatra ny olona tsy misy saina,Raha afaka miteraka olombelona ny ampondradia. 13  Raha mba nanomana ny fonao mantsy ianao,Ary nanandratra ny tananao hivavaka aminy. 14  Raha misy ratsy nataon’ny tananao, dia ario lavitra izany,Ary aza avela hisy tsy fahamarinana hipetraka ao amin’ny tranolainao. 15  Dia ho afaka hitraka ianao satria tsy misy tsiny;Ho afaka hijoro tsara ianao sady tsy hatahotra. 16  Dia ho hadinonao ny fahorianao;Tsy hotsaroanao izany fa handalo toy ny rano mikoriana. 17  Hamiratra kokoa noho ny mitataovovonana ny fiainanao;Na ny haizina eo aminy aza ho toy ny maraina. 18  Dia ho feno toky ianao satria misy antenaina,Ary hijery ny manodidina ianao ka hatory tsy manana ahiahy. 19  Hatory ianao ka tsy hisy hampatahotra anao,Ary maro ny olona hila sitraka aminao. 20  Tsy hahita tsara kosa ny mason’ny ratsy fanahy;Tsy hahita toerana handosirana izy ireo,Ary ny fahafatesana* sisa no azony antenaina.”+

Fanamarihana

Na: “ny mpirehareha?”
Na: “ny fetran’ny fahalehibeazan’ilay.”
Jereo F.T.
Na: “ny miala aina.”