Joba 12:1-25

12  Ary namaly i Joba hoe:   “Hay, ianareo tokoa izany no tena olombelona,Ka hiara-maty aminareo ny fahendrena!+   Mba te hanao ny tsara+ tahaka anareo koa aho,Ary tsy ambany noho ianareo.+Fa iza moa no tsy mahalala izany zavatra lazainareo izany?   Manjary ataon’ny olona ho fihomehezana aho,+Ary miantso an’Andriamanitra mba hamaly ahy.+Atao ho fihomehezana ny olo-marina tsy manan-tsiny.   Ny olona miadana dia mihomehy ny loza, satria heveriny fa+Natao ho an’ny olona mangozohozo izany.+   Tsy misy manelingelina ny tranolain’ny mpandroba,+Ary izay olona mampahatezitra an’Andriamanitra dia tsy iharan-doza,Tsy misy hafa amin’izay mitondra andriamanitra eny an-tanany.+   Mba anontanio anefa ny biby fiompy, dia hampianatra anao izy,+Ary ny voro-manidina eny amin’ny lanitra, dia hilaza aminao izy.+   Diniho ny tany, dia hampianatra anao izy.+Ary hilaza izany aminao ny trondro any an-dranomasina.+   Iza amin’izy rehetra ireny moa no tsy mahalala tsaraFa ny tanan’i Jehovah no nanao izany?+ 10  Eo an-tanany ny ain’ny+ velona rehetra, Sy ny fofonain’ny olombelona rehetra.+ 11  Tsy ny sofina ve no mamantatra teny,+Toy ny lanilany+ mamantatra tsiron-kanina? 12  Tsy manam-pahendrena ve ny be taona,+Ary tsy mahira-tsaina ve izay efa ela niainana? 13  Ao amin’Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery,+Ary manana ny heviny izy sady mahira-tsaina.+ 14  Mandrava izy mba tsy hisy ho afaka hanorina.+Ary hidiany eo anoloan’ny olona izany mba tsy hosokafana.+ 15  Sakanany ny rano dia ritra,+Ary alefany izany ka manova ny endriky ny tany.+ 16  Ao aminy no misy ny tanjaka sy ny fahendrena.+Ary azy na ny olona manao fahadisoana, na ny mpampivily olona any amin’ny lalan-diso.+ 17  Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpanolo-tsaina,+Ary ataony lasa adala ny mpitsara. 18  Vahany ny fatorana ataon’ireo mpanjaka,+Ary giazany fehikibo ny andilan’izy ireo. 19  Ataony mandeha tsy manao kapa ny mpisorona,+Ary aongany ny efa tsara toerana.+ 20  Ataony tsy manan-kalahatra ny olona mendri-pitokisana,Ary esoriny ny fahendren’ny zokiolona. 21  Ataony tototry ny latsa ny olona ambony,+Ary ataony migoragora ny fehikibon’ny mahery. 22  Aharihariny avy ao amin’ny haizina ny zava-dalina,+Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny haizim-pito. 23  Ataony mihamahery ireo firenena mba handringanany azy,+Ary aparitany ireny mba hitondrany azy hiala amin’ny taniny. 24  Esoriny ny fahendren’ireo lohandohany eo amin’ny vahoaka,Mba hampandehanany azy hirenireny any amin’ny tany ngazana,+ izay tsy misy lalan-kivoahana. 25  Mitsapatsapa ao anatin’ny haizina+ tsy misy hazavana izy ireo,Mba hampandehanany azy hirenireny toy ny mamo.+

Fanamarihana