Joba 13:1-28

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-28)

    • ‘Aleoko miresaka amin’Andriamanitra’ (3)

    • ‘Dokotera tsy misy ilana azy ianareo’ (4)

    • “Fantatro fa manana ny rariny aho” (18)

    • Nanontany hoe nahoana Andriamanitra no mihevitra azy ho fahavalo (24)

13  “Efa hitan’ny masoko tokoa izany rehetra izany,Ary efa henon’ny sofiko ka azony.  2  Izay fantatrareo dia fantatro koa;Tsy ambany noho ianareo aho.  3  Fa raha izaho, dia aleoko miresaka amin’ilay Mahery Indrindra;Te hitondra ny adiko eo anatrehan’Andriamanitra+ aho.  4  Ianareo kosa manoso-potaka ahy.Dokotera tsy misy ilana azy daholo ianareo.+  5  Raha mba mangina tsy miteny mihitsy ianareo,Dia ho hita hoe mba hendry ihany.+  6  Henoy, azafady, ny hevitro,Ary henoy tsara ny fiarovan-tena lazain’ny vavako.  7  Hilaza zavatra tsy ara-drariny ve ianareo mba hanohanana an’Andriamanitra,Ary hilaza fitaka mba hiarovana azy?  8  Hiandany aminy ve ianareo?*Hiezaka hiady ho an’ilay tena Andriamanitra eny amin’ny fitsarana ve ianareo?  9  Ho faly aminareo ve izy raha mandinika anareo?+ Ho voafitakareo toy ny ataonareo amin’ny olombelona mety maty ve izy? 10  Hananatra anareo tokoa izyRaha mitady hiangatra+ mangingina ianareo. 11  Tsy hampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany,Ary tsy hatahotra azy ve ianareo? 12  Ny tenim-pahendrena lazainareo,* dia ohabolana tsy misy ilana azy toy ny lavenona.Ny fiarovan-tenanareo* dia malemy hoatran’ny manda tanimanga. 13  Mangìna fa hiteny aho, Dia avelao hanjo ahy izay hanjo ahy! 14  Nahoana aho no hisangy loza*Ka hanao vivery ny aiko?* 15  Na dia hovonoiny aza aho dia mbola hiandry azy ihany;+Hitondra ny adiko* eo anatrehany aho. 16  Dia ho lasa mpamonjy ahy izy,+Satria tsy misy olona tsy matahotra azy* ho afaka hiseho eo anatrehany.+ 17  Henoy tsara ny teniko;Henoy izay lazaiko. 18  Efa nomaniko tsara ny adiko eny amin’ny fitsarana;Fantatro fa manana ny rariny aho. 19  Iza no hifandahatra amiko? Fa raha mangina aho, dia ho faty!* 20  Zavatra roa ihany no ataovy amiko, Andriamanitra ô,*Amin’izay dia tsy hiafina anao aho: 21  Esory amiko ny tananao* ka ataovy lavitra ahy,Ary aza atao matahotra loatra anao aho.+ 22  Antsoy aho dia hamaly,Na avelao aho hiteny, dia ianao no hamaly ahy. 23  Fa inona moa no fahadisoako sy fahotako? Ampahafantaro ahy ny lalàna nodikaiko sy ny fahotana vitako. 24  Nahoana ianao no manafina ny tarehinao,+Ka mihevitra ahy ho fahavalonao?+ 25  Ravinkazo efa entin-drivotra ve dia mbola tadiavinao hampitahorina ihany?Ary mololo efa maina ve dia mbola henjehinao? 26  Fa manoratra zavatra hiampangana ahy foana ianao, sady mangidy amiko ireny fiampangana ireny,Ary sazinao aho noho ny fahotana vitako tamin’izaho mbola tanora. 27  Gejainao amin’ny gadra hazo* ny tongotro,Arahinao maso ny diako rehetra,Ary marihinao ny dian-tongotro tsirairay. 28  Koa mihalevona toy ny zavatra lo ny olona,*Mihalevona toy ny akanjo lanin’ny bibikely.*

Fanamarihana

Na: “Hiangaranareo ve izy?”
Na: “Ny teny tsara lahatra ataonareo.”
Abt: “Ny mivohitra eo afovoan’ny ampinganareo.”
Abt: “Nahoana aho no hitondra ny nofoko amin’ny nifiko?”
Na: “hanao ny aiko eo an-tanako?”
Na: “Hiaro tena.”
Na: “tsy misy mpivadi-pinoana.”
Na mety hoe “Raha misy olona afaka manao an’izany, dia hangina aho ary ho faty.”
Abt: “Zavatra roa ihany no aza atao amiko.”
Na: “tananao mavesatra.”
Na: “boloky hazo.” Jereo F.T.
Abt: “izy”, mety hoe i Joba.
Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.