Joba 14:1-22
-
Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-22)
14 “Ny olona atera-behivavyDia fohy andro iainana+ sady tototry ny olana.*+
2 Mamelana toy ny voninkazo izy, dia malazo* avy eo;+Mandositra toy ny aloka izy, ka manjavona.+
3 Mibanjina azy ianao,Ary entinao eny amin’ny fitsarana izy* mba hifandahatra aminao.+
4 Aiza no misy olona madio ateraky ny olona tsy madio?+
Tsy misy na iray aza!
5 Raha voafetra ny androm-piainany,Dia eo am-pelatananao ny isan’ny volana iainany.Efa nanisy fetra tsy azony ihoarana ianao.+
6 Aza dinihina be intsony izy mba hahazo aina,Mandra-pahavitan’ny andro iasany, toy ny ataon’ny mpikarama.+
7 Fa mbola misy ny fanantenana, na ho an’ny hazo aza.
Raha tapahina izy, dia mbola hitsimoka indray,Ary mbola haniry ny rantsany.
8 Raha antitra any ambanin’ny tany ny fakany,Ary maty ao anaty tany ny fotony,
9 Dia hitsimoka izy rehefa maheno fofon-drano;Ary hamoaka rantsana toy ny zavamaniry vao mitsiry izy.
10 Maty kosa anefa ny olona, ary mitsotra tsy mahavita na inona na inona.Mankaiza ny olombelona rehefa miala aina?+
11 Manjavona miala amin’ny ranomasina ny rano,Ary ritra ny renirano ka maina.
12 Matory koa ny olombelona ary tsy hifoha.+
Tsy ho taitra izy mandra-pahafoanan’ny lanitra,Ary tsy hofohazina amin’ny torimasony.+
13 Raha mba manafina ahy any amin’ny Fasana* mantsy ianao,+Ka manafina ahy mandra-pitonin’ny fahatezeranao!Ary raha mba misy fotoana mantsy efa noferanao ho ahy, mba hahatsiarovanao ahy!+
14 Raha maty ny olona, dia ho velona indray ve?+
Hiandry aho mandritra ny andro rehetra hanaovako asa an-terivozona,*Mandra-pahatongan’ny fanafahana ahy.+
15 Hiantso ianao, dia hamaly anao aho.+
Tsy ho andrinao* ny hahita ny asan’ny tananao.
16 Fa amin’izao aloha, dia tsy mitsahatra manisa ny diako tsirairay ianao;Tsy mandinika afa-tsy ny fahotako ianao.
17 Ao anaty kitapo nasiana tombo-kase ny fandikan-dalàna nataoko,Ary hidianao amin’ny lakaoly ny fahadisoako.
18 Toy ny tendrombohitra mianjera ka potipotika,Sy toy ny vatolampy esorina amin’ny toerany,
19 Toy ny rano mikiky vato,Sy toy ny riaka mikaoka ny nofon-tany,No andravanao ny fanantenan’ny olombelona mety maty.
20 Resinao foana izy mandra-pahafatiny;+Ovanao ny endriny dia alefanao izy.
21 Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany;Lasa tsinontsinona ireny, nefa tsy hitany.+
22 Amin’izy mbola nofo ihany izy no mahatsiaro manaintaina;Amin’izy mbola velona ihany izy no misaona.”