Joba 15:1-35

  • Ny teny faharoa nataon’i Elifaza (1-35)

    • Tsy matahotra an’Andriamanitra, hono, i Joba (4)

    • Mihevi-tena ho ambony, hono, i Joba (7-9)

    • ‘Ny anjeliny aza tsy atokisan’Andriamanitra’ (15)

    • ‘Ny ratsy fanahy no mijaly’ (20-24)

15  Namaly i Elifaza+ Temanita hoe:  2  “Hevitra poakaty* ve no havalin’ny olon-kendry?Sa hofenoiny eritreri-dratsy ny fony?*  3  Very maina raha teny fotsiny no hanitsiana,Ary tsy mahasoa raha kabary fotsiny.  4  Fa ataonao tsinontsinona ny tahotra an’Andriamanitra,Ary hamaivaninao ny fisaintsainana momba azy.  5  Ny fahadisoanao no mahatonga anao hiteny hoatr’izany,*Ary tia mametsifetsy ianao rehefa miresaka.  6  Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho;Ny molotrao ihany no miampanga anao.+  7  Ianao angaha no olombelona teraka voalohany,Sa ianao nateraka talohan’ny havoana?  8  Angaha ianao maheno ny resaka tsiambaratelo ataon’Andriamanitra?Sa ianao irery no manam-pahendrena?  9  Fa inona moa no fantatrao ka tsy mba fantatray?+ Ary inona no hevitra takatrao ka tsy mba takatray? 10  Samy misy eto aminay na ny fotsy volo na ny be taona,+Dia lehilahy efa ela niainana kokoa noho ny rainao. 11  Tsy ampy anao ve ny fampiononan’Andriamanitra,Na ny teny nolazaina taminao tamim-pahalemem-panahy? 12  Nahoana ianao no entim-po?Ary nahoana ianao no tezitra be mijery anay? 13  Fa lasa tezitra amin’Andriamanitra ianao,Ka sahin’ny vavanao ny mamoaka teny hoatr’izany. 14  Inona moa izay olombelona mety maty no hadio,Na izay atera-behivavy no ho marina?+ 15  Jereo fa na ny anjeliny* aza tsy atokisany,Ary na ny lanitra aza tsy madio eo imasony.+ 16  Koa mainka fa izay olona maharikoriko sy manao ny tsy marina,+Dia olona misotro ny tsy fahamarinana toy ny fisotro rano! 17  Misy zavatra hampahafantariko anao, ka henoy aho! Hotantaraiko anao izay hitako, 18  Dia izay zavatra henon’ny olon-kendry avy tamin’ny razambeny+ ka notantarainy,Fa tsy nafeniny. 19  Izy ireo ihany no nomena an’ilay tany,Ary tsy nisy olona avy any an-tany hafa nandalo teo aminy. 20  Mijalijaly ny ratsy fanahy mandritra ny androm-piainany,Mandritra ny taona rehetra atokana ho an’ny olona mpanjakazaka. 21  Tsy afaka ao an-tsofiny ny feo mampahatahotra;+Misy mpandroba manafika izy, na dia milamina aza ny tany. 22  Tsy manantena ny ho tafavoaka avy ao anaty haizina izy;+Voatokana hovonoina amin’ny sabatra izy. 23  Mirenireny mitady sakafo* izy, ka miteny hoe: “Aiza re no misy e?” Fantany tsara fa efa akaiky ny andro isian’ny haizina. 24  Mampihorohoro azy foana ny fahoriana sy ny tebiteby;Tonga hamely azy toy ny mpanjaka vonona hanafika izany. 25  Manatsotra ny tanany hanohitra an’Andriamanitra mantsy izy,Sady mila ady amin’ilay* Mahery Indrindra; 26  Mikiry mihazakazaka manafika Azy izy,Miaraka amin’ny ampingany matevina sy mafy;* 27  Matavitavy ny tarehiny,Ary mivalombalona noho ny tavy ny andilany; 28  Mipetraka ao amin’ny tanàna izay horavana izy,Ao amin’ny trano tsy hipetrahan’olona intsony,Izay ho lasa vato be dia be miavosa. 29  Tsy ho lasa mpanankarena izy, sady tsy hitombo ny harenany,Ary tsy hiparitaka manerana an’ilay tany ny fananany. 30  Tsy ho afa-mandositra avy ao amin’ny haizina izy;Ho toy ny rantsankazo mainan’ny afo izy,*Ary ho levon’ny fofonain’Andriamanitra.+ 31  Tsy tokony hamita-tena izy ka hitoky amin’ny zavatra tsy misy dikany,Fa zavatra tsy misy dikany ihany no ho azony ho takalon’izany; 32  Mbola tsy tonga ny androny, dia efa hitranga izany,Ary tsy handrobona mihitsy ny sampany.+ 33  Ho toy ny voaloboka manintsana an’ireo voany manta izy,Ary ho tahaka ny hazo oliva mamela ny felany hiraraka. 34  Fa tsy mamokatra na inona na inona ny antokon’olona tsy matahotra an’Andriamanitra,*+Ary ho levon’ny afo ny tranolain’ny mpanao kolikoly. 35  Teti-dratsy no miforona ao an-kibony, ka zava-dratsy no aterany,Ary fitaka no vokarin’ny kibony.”

Fanamarihana

Na: “Fahalalana toy ny rivotra.”
Abt: “rivotra avy any atsinanana ny kibony?”
Na: “Ny fahadisoanao no mampianatra ny vavanao.”
Abt: “masiny.”
Abt: “mofo.”
Na: “miezaka handresy an’ilay.”
Abt: “mivohitra matevina eo afovoan’ny ampingany.”
Izany hoe tsy antenaina ho tafarina intsony.
Na: “antokona mpivadi-pinoana.”