Joba 16:1-22

  • Valin-tenin’i Joba (1-22)

    • ‘Mpampionona mandreraka ianareo!’ (2)

    • Nokendren’Andriamanitra tamin’ny zana-tsipìka, hono, izy (12)

16  Dia namaly i Joba hoe: 2  “Efa nandre zavatra be dia be hoatr’izany aho. Mpampionona mandreraka daholo ianareo!+  3  Hisy farany ve izany resa-be izany? Fa inona no mahatonga anao hamaly hoatr’izany?  4  Izaho koa mba mahay miteny hoatr’anareo. Raha ianareo no teo amin’ny toerako,Dia ho afaka nanao teny tsara lahatra hamelezana anareo aho,Sady ho nihivingivin-doha naneso+ anareo.  5  Aleoko anefa milaza teny mankahery anareo,Ary hanamaivana anareo ny fampiononana lazain’ny vavako.+  6  Raha miteny aho, dia tsy manamaivana ny fahoriako izany.+Ary raha mangina aho, dia hampihena ny fanaintainako ve izany?  7  Reraka anefa aho izao noho ny ataon’Andriamanitra;+Naripany daholo ny ankohonako.*  8  Mihazona ahy koa ianao, ary lasa hitan’ny olona izany,Ka mihamahia aho ary miampanga ahy izany.  9  Mamiravira ahy ny hatezerany, ary mankahala ahy izy.+ Mihidy vazana izy mijery ahy. Masiaka amiko ny mason’ny fahavaloko.+ 10  Nitanatana vava handrapaka ahy ny olona,+Ary nandatsa ahy ka namely tehamaina ahy;Anaovan’izy ireo tambabe aho.+ 11  Atolotr’Andriamanitra eo an-tanan’ireo tovolahy aho,Ary atosiny mafy eo an-tanan’ny ratsy fanahy.+ 12  Nilamina ny fiainako, nefa nopotehiny.+Noraisiny tamin’ny hatoko aho dia natontany ka torotoro,Ary nokendreny tamin’ny zana-tsipìkany. 13  Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany.+Trobarany tsy ananany antra ny voako;+Ararany amin’ny tany ny aferoko. 14  Gorobahany tsy an-kijanona hoatran’ny manda aho;Miantoraka hamely ahy toy ny miaramila izy. 15  Nanjaitra akanjo gony aho mba hanaronana ny hoditro,+Ary naleviko tao anaty vovoka ny voninahitro.*+ 16  Boramena aho satria mitomany foana,+Ary mivalomainty* ny hodi-masoko, 17  Nefa izaho tsy mba nanisy ratsy olona mihitsy,Ary madio ny vavaka ataoko. 18  Ry tany ô, aza totofana ny rako!+ Ary aoka ny fitarainako tsy hanana toerana ialana sasatra! 19  Na izao aza, dia misy vavolombeloko any an-danitra;Any amin’ny avo ilay vavolombelona afaka miaro ahy. 20  Maneso ahy ny namako,+Fa izaho kosa latsa-dranomaso eo anatrehan’Andriamanitra.*+ 21  Aoka hisy mpanelanelana eo amin’ny olona sy Andriamanitra,Hoatran’ny mpanelanelana eo amin’ny olona iray sy ny namany.+ 22  Fa taona vitsivitsy sisa,Dia handeha amin’ny lalana tsy hiverenako intsony+ aho.

Fanamarihana

Na: “ireo rehetra teo amiko.”
Na: “heriko.” Abt: “tandroko.”
Na: “aloky ny fahafatesana.”
Na mety hoe: “tsy mipy maso sady miandrandra an’Andriamanitra.”