Joba 17:1-16

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-16)

    • “Voahodidina mpaneso aho” (2)

    • ‘Navelany hesoesoin’ny olona aho’ (6)

    • “Ny Fasana no ho tranoko” (13)

17  “Lany ny heriko, ary tapitra ny androko.Ny fasana no miandry ahy.+  2  Voahodidina mpaneso aho,+Ary voatery mifantoka amin’ny fikomian’izy ireo ny masoko.  3  Mba ekeo re ny antoka omeko anao e, ka tehirizo any aminao izany! Fa iza indray moa no hifandray tanana amiko ka hanaiky hiantoka ahy?+  4  Fa nafeninao tsy ho ao am-pon’izy ireo ny fahiratan-tsaina;+Izany no antony tsy anandratanao azy.  5  Misy olona mizara an’izay ananany amin’ny namany,Nefa ny zanany aza lali-maso noho ny hanoanana.  6  Navelan’Andriamanitra hesoesoin’ny olona* aho,+Ka roran’izy ireo ny tarehiko.+  7  Mihamanjavozavo ny masoko noho ny fahoriana,+Ary toy ny aloka sisa ny rantsambatako rehetra.  8  Midanàka ny olo-marina mahita an’izany,Ary mikorontan-tsaina ny tsy manan-tsiny noho ny ataon’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*  9  Mifikitra amin’ny lalany ny olo-marina,+Ary mihamatanjaka ny madio tanana.+ 10  Andao àry tohizo indray ny adihevitrareo,Fa tsy hitako izay hendry aminareo.+ 11  Tapitra ny androko;+Rava hatreo ny fikasako, ny fanirian’ny foko.+ 12  Ny alina no lazain’izy ireo fa andro,Ka hoy izy ireo: ‘Akaiky ny mazava satria efa maizina izao.’ 13  Raha mbola miandry aho, dia ny Fasana* no ho tranoko,+Ary hamelatra ny fandrianako ao amin’ny haizina aho.+ 14  Ny lavaka*+ no hantsoantsoiko hoe: ‘Ianao no raiko!’ Ary ny olitra hoe: ‘Ianao no reniko sy anabaviko!’ 15  Koa aiza àry ny fanantenako?+ Iza no mahita hoe mbola misy azoko antenaina? 16  Hidina any amin’ny vavahadin’ny Fasana,* izay misy bara hidiny, izany*Rehefa hiara-midina any amin’ny vovoka izahay rehetra.”+

Fanamarihana

Na: “hataon’ny olona oha-pitenenana.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Jereo F.T.
Na: “fasana.”
Jereo F.T.
Izany hoe ny fanantenako.