Joba 18:1-21

18  Dia namaly i Bildada Sohita hoe:   “Rahoviana ianareo vao tsy hiteny intsony?Tokony ho azonareo aloha ilay hevitra, vao hiteny izahay.   Nahoana izahay no heverina ho toy ny biby,+Sy eritreretinareo ho maloto?   Mamiravira ny tenany* ao anatin’ny fahatezerana izy.Noho ianao ve no hahatonga ny tany ho lao,Na hahatonga ny vatolampy hifindra?   Ho faty tokoa ny jiron’ny ratsy fanahy,+Ary tsy hanjelatra ny pitik’afony.   Hihamaizina ny hazavana ao an-tranolainy,+Ary ao ny jirony no ho faty.   Tsy havitribitrika intsony ny diany,Ary ny heviny ihany no hanary azy.+   Fa ny tongony no hitarika azy ho ao anaty harato,Eny, handeha eo amin’ny harato izy.+   Hisy fandrika hisambotra ny voditongony.+Mihazona azy ny fandrika.+ 10  Miafina ao amin’ny tany ny tady izay haningotra azy,Ary miafina eo amin’ny lalany ny zavatra hamandrihana azy. 11  Mampitahotra azy ny horohoro tampoka izay manodidina azy.+Enjehin’izany izy sady arahiny akaiky. 12  Lany ny heriny,Ary efa vonona hanao izay hampikotringa azy ny loza.+ 13  Hihinana ny hodiny tsikelikely ny lahimatoan’ny fahafatesana,Eny, hihinana ny rantsambatany izany. 14  Hongotana tsy ho ao an-tranolainy ny zavatra itokisany.+Ary ny horohoro dia hitondra azy ho any amin’ny mpanjakan’ny horohoro. 15  Izay tsy azy no hitoetra ao an-tranolainy.Ary hofafazana solifara+ ny fonenany. 16  Any ambany, dia ho maina ny fakany,+Ary eny ambony, dia halazo ny sampany. 17  Tsy horesahina etỳ an-tany intsony ny aminy,+Ary tsy hisy hahalala ny anarany intsony eny an-dalana. 18  Hatosika hiala amin’ny mazava ho any amin’ny maizina izy,Ary horoahina tsy ho eo amin’ny tany lonaka. 19  Tsy hanan-janaka na taranaka izy, eo amin’ny fireneny,+Ary tsy hisy sisa hiangana any amin’ny toerana ivahiniany. 20  Amin’ny andro fahoriany, dia hidanàka ny any Andrefana,Ary ho tora-kovitra ny any Atsinanana. 21  Izany no mitranga amin’ny fonenan’ny mpanao ratsy,Eny, izany no manjo an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra.”

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.