Joba 19:1-29

19  Dia namaly i Joba hoe:   “Mandra-pahoviana ianareo no hanorisory ahy,+Ary hanorotoro ahy amin’ny teninareo?+   Efa impolo kely ianareo no niteny mafy ahy.Tsy menatra akory ianareo mampijaly ahy toy izao.+   Marina fa nanao fahadisoana aho,+Nefa izaho ihany no hitoeran’ny fahadisoako.   Raha mirehareha eo anatrehako ianareo,+Ary milaza fa rariny ny fanalam-baraka ahy,+   Dia fantaro fa Andriamanitra no namitaka ahy,Ary efa nakatony tamiko ny fandrika harato.+   Miantsoantso aho hoe: ‘Loza!’, nefa tsy misy mamaly ahy.+Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.+   Nosakanany tamin’ny rindrim-bato ny lalako,+ ka tsy afa-mandroso aho,Ary nataony maizina ny lalako.+   Nalany tamiko ny voninahitro,+Ary esoriny ny satroboninahitry ny lohako. 10  Ravaravany tanteraka aho, ka levona,Ary ongotany toy ny fanongotra hazo ny fanantenako. 11  Tezitra mafy amiko izy,+Ary mihevitra ahy ho fahavalony. 12  Mirohotra manangana tovon-tany hamelezana ahy ny andia-miaramilany,+Ka mitoby manodidina ny tranolaiko. 13  Nampanalaviriny ahy ny rahalahiko,+Ary mihatakataka amiko mihitsy aza ireo mahafantatra ahy. 14  Nandao ahy ny namako akaiky,+Nanadino ahy koa ny olom-pantatro 15  Mbamin’ny vahiny nipetraka tao amiko,+ ary mihevitra ahy ho olon-tsy fantatra ny mpanompovaviko.Nanjary vahiny aho teo imason’ireny. 16  Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy mamaly,Ary ny vavako mihitsy no mitalaho aminy mba hangoraka ahy. 17  Ny fofonaiko dia nanjary naharikoriko ny vadiko,+Ary nanjary halan’ny zanaky ny reniko aho. 18  Manao tsinontsinona ahy ny ankizilahikely.+Vao mitsangana aho, dia esoesoiny. 19  Mankahala ahy ireo namako akaiky rehetra,+Ary nivadika tamiko ireo notiaviko.+ 20  Taolana mifono hoditra sisa aho,+Ary ny hoditry ny nifiko sisa no nentiko nandositra. 21  Mba iantrao aho! Iantrao aho, ry namako,+Fa ny tanan’Andriamanitra efa nikasika ahy.+ 22  Nahoana ianareo no manenjika ahy toy ny ataon’Andriamanitra,+Ka tsy sasatry ny mampijaly ahy? 23  Enga anie ka ho voasoratra ny teniko!Eny, enga anie ka ho voasoratra ao anaty boky izany! 24  Enga anie izany ka ho voasokitra amin’ny alalan’ny penina vy+ sady rarahana firamainty,Eny, ho voasokitra mandrakizay eo amin’ny vatolampy! 25  Fantatro tsara fa velona ny mpanavotra+ ahy,Ary rehefa lasa aho, dia ho avy izy ka hitsangana+ eo amin’ny vovoka. 26  Rehefa nendahana ny hoditro, dia izao sisa aho.Na lany aza anefa ny nofoko, dia hahita an’Andriamanitra aho, 27  Eny, izaho no hahita azy.+Ny masoko, fa tsy ny mason’ny olon-kafa, no hahita azy.Ary efa sasa-miandry aho.* 28  Milaza ianareo hoe: ‘Nahoana moa isika no manenjika+ azy?’Izaho anefa no heverina ho fototry ny olana. 29  Matahora sao hamely anareo ny sabatra,+Fa misafoaka hamely an’izay manao fahadisoana ny sabatra,Mba ho fantatrareo fa misy mpitsara.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “tsy miasa intsony ny voako.”