Joba 2:1-13

  • Nokianin’i Satana indray ny antony nanompoan’i Joba an’i Jehovah (1-5)

  • Navela hamely ny vatan’i Joba i Satana (6-8)

  • Hoy ny vadin’i Joba: “Manozòna an’Andriamanitra, dia aleo ianao maty!” (9, 10)

  • Tonga ny naman’i Joba telo lahy (11-13)

2  Tatỳ aoriana, dia tonga indray ny andro hankanesan’ireo zanak’Andriamanitra*+ teo anatrehan’i Jehovah.+ Mba tonga niaraka tamin’izy ireo teo koa i Satana, ka nankeo anatrehan’i Jehovah.+ 2  Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Avy taiza ianao?” Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Avy nivezivezy teny ambonin’ny tany sy nandehandeha teny aho.”+ 3  Ary hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Efa nandinika an’i* Joba mpanompoko ve ianao? Tsy misy hoatr’azy eny ambonin’ny tany. Manao ny marina sy tsy mivadika*+ izy, sady matahotra an’Andriamanitra ka mifady ny ratsy. Mbola tsy mivadika mihitsy izy,+ na dia mampirisika ahy hamotika ny fiainany*+ tsy amin’antony aza ianao.” 4  Dia namaly an’i Jehovah i Satana hoe: “Hoditra solon’ny hoditra! Hanome an’izay ananany rehetra ny olona mba hiarovana ny ainy. 5  Fa atsory ange ny tananao e, ary asio ny taolany sy ny nofony, dia ho hitanao fa eo imasonao mihitsy izy no hanozona anao.”+ 6  Dia hoy i Jehovah tamin’i Satana: “Eo an-tananao izy,* fa ny ainy ihany no aza esorina!” 7  Koa niala teo anatrehan’i Jehovah i Satana, dia nasiany vay mampanaintaina* be+ i Joba, hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany. 8  Ary naka vakim-bilany tanimanga i Joba hikikisany ny tenany. Dia nipetraka teo amin’ny lavenona+ izy. 9  Farany, dia hoy ny vadiny taminy: “Mbola tsy mivadika amin’Andriamanitra ihany ve ianao? Manozòna an’Andriamanitra, dia aleo ianao maty!” 10  Hoy anefa i Joba taminy: “Miteniteny foana hoatran’ny vehivavy tsy misaina ianao! Ny tsara ihany angaha no raisintsika avy amin’ilay tena Andriamanitra fa tsy ny ratsy koa?”+ Na teo aza izany rehetra izany, dia tsy nanota i Joba tamin’izay nolazainy.+ 11  Ary naheno an’izany loza rehetra nanjo an’i Joba izany ny namany* telo lahy, ka tonga avy any amin’izay nisy azy avy. Tsy iza izany fa i Elifaza+ Temanita sy Bildada+ Sohita+ ary Zofara+ Namatita. Koa nifanao fotoana izy ireo hoe ho any amin’i Joba mba hiara-miory aminy sy hampionona azy. 12  Rehefa nahatazana azy avy lavitra izy telo lahy, dia tsy nahafantatra azy. Ary nanomboka nigogogogo nitomany izy ireo sady samy nandrovitra ny akanjony, ary nanipy vovoka teny amin’ny rivotra sy teo amin’ny lohan’izy ireo.+ 13  Niara-nipetraka taminy teo amin’ny tany, fito andro sy fito alina, izy telo lahy avy eo. Ary tsy nisy niteny taminy izy ireo na indraim-bava aza, satria hitan’izy ireo fa nijaly be izy.+

Fanamarihana

Fomba niantsoan’ny Hebreo an’ireo anjely zanak’Andriamanitra.
Abt: “nampifantoka ny fonao tamin’i.”
Na: “Tsy misy tsiny sy manao izay mahitsy.”
Abt: “hitelina azy.”
Na: “Ataovy izay tianao hatao aminy.”
Na: “fery manonitra.”
Na: “olom-pantany.”