Joba 20:1-29

  • Ny teny faharoa nataon’i Zofara (1-29)

    • Tafintohina tamin’ny tenin’i Joba (2, 3)

    • Mpanao ratsy, hono, i Joba (5)

    • Tia manao zava-dratsy, hono, i Joba (12, 13)

20  Dia namaly i Zofara+ Namatita hoe:  2  “Ny adin-tsaina no mahatonga ahy hamalySatria mitebiteby aho.  3  Manafintohina ahy ny anatra reko;Ary voatery hamaly aho satria mahira-tsaina.  4  Efa fantatrao tsara izao hatramin’izay,Fa efa hoatr’izany foana hatramin’ny nisian’ny olona* teto an-tany,+  5  Hoe vetivety fotsiny ny fihobian’ny mpanao ratsy,Ary mihelina ihany ny fifalian’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra.*+  6  Na manakatra ny lanitra aza ny fahalehibeazany,Ary mipaka amin’ny rahona ny lohany,  7  Dia ho levona mandrakizay toy ny malotony* izy;Ireo zatra nahita azy dia hiteny hoe: ‘Fa aiza izy?’  8  Hanjavona toy ny nofy izy, ka tsy ho hitan’izy ireo;Horoahina toy ny fahitana amin’ny alina izy.  9  Tsy hahita azy intsony ny maso efa nahita azy,Ary tsy ho hita ao amin’ny toerana nisy azy intsony izy.+ 10  Hila sitraka amin’ny mahantra ny zanany,Ary hamerina ny harena nalainy izy.+ 11  Feno herin’ny fahatanorana ny taolany,Nefa hiara-mandry aminy eo amin’ny vovoka izany.* 12  Raha mamy ao am-bavany ny zava-dratsy,Ka afeniny ao ambany lelany, 13  Ary raha ankafiziny izany ka tsy foiny,Fa tehiriziny ao am-bavany, 14  Dia ho lasa marikivy ao anatiny ny sakafony;Hanjary ho toy ny poizin’ny kôbrà ao anatiny izany. 15  Nitelina harena izy, nefa haloany indray izany.Holoaran’Andriamanitra avy ao an-kibony izany. 16  Hitsentsitra ny poizin’ny kôbrà izy;Hahafaty azy ny vangin’ny* bibilava misy poizina. 17  Tsy ho hitany intsony ny renirano mikoriana,Dia ny tantely sy ny dibera mikoriana be. 18  Haveriny ny fananana azony, nefa tsy mba nandray soa tamin’izany akory izy;*Tsy hankafy ny harena azony tamin’ny varotra izy.+ 19  Nampahory sy nandao an’ireo mahantra izy;Nalainy an-keriny ny trano izay tsy naoriny. 20  Tsy hilamin-tsaina mihitsy anefa izy;Tsy hahavonjy azy ny harenany. 21  Tsy misy na inona na inona azony arapaka intsony;Koa tsy haharitra ny fiadanany. 22  Hitebiteby be izy rehefa lasa mpanankarem-be;Hiharam-pahavoazana faran’izay mafy izy. 23  Amin’izy mameno ny kibony iny mihitsy,No hampihatra ny fahatezerany aminy Andriamanitra.*Hirotsaka eo aminy toy ny orana izany, ka ho tonga hatrany amin’ny tsinainy. 24  Mandositra fitaovam-piadiana vita amin’ny vy izy,Kanjo hotrobaran’ny zana-tsipìka avy amin’ny tsipìka varahina. 25  Sintoniny ny zana-tsipìka nitsatoka tao an-damosiny,Dia ny fitaovam-piadiana manjelatra nitsatoka teo amin’ny aferony,Ka mihorohoro izy.+ 26  Haizina mikitroka no miandry ny zava-tsarobidiny;Afo tsy nisy nikopaka no handevona azy;Loza no hanjo an’izay sisa tsy maty ao amin’ny tranolainy. 27  Hampiharihary ny fahadisoany ny lanitra;Hanohitra azy ny tany. 28  Ho lasan’ny tondra-drano ny tranony;Ho riaka be izany amin’ny andro fahatezeran’Andriamanitra.* 29  Izany no anjara omen’Andriamanitra ny ratsy fanahy,Dia ny lovany avy amin’Andriamanitra, araka ny didy navoakany.”

Fanamarihana

Na: “olombelona; Adama.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Na: “tainy.”
Izany hoe ny heriny.
Abt: “lelan’ny.”
Abt: “ary tsy hitelina an’izany izy.”
Abt: “Izy.”
Abt: “fahatezerany.”