Joba 21:1-34

21  Dia namaly i Joba hoe:   “Henoy tsara ny teniko,Ary aoka ho fampiononana anareo izany.   Mandefera amiko, fa hiteny aho,Ary rehefa avy miteny aho, dia samy afaka maneso ianareo.+   Olona angaha moa no ilazako ny tebitebiko?Raha tsy izany ve hahandry toy izao aho?   Mitodiha atỳ amiko, dia aoka ianareo ho gaga mijery ahy,Ary tampeno amin’ny tanana ny vavanareo.+   Raha nahatsiaro aho, dia nikorontan-tsaina,Ary tora-kovitra ny tenako.   Nahoana ny ratsy fanahy no mbola velona foana,+Ary tratrantitra sady lasa mpanankarem-be?+   Ela velona eo anatrehany ny zanany,Ary ela velona eo imasony koa ny taranany.   Mandry feizay ny ao an-tranony ka tsy manan-tahotra,+Ary tsy mamely azy ny tsorakazon’Andriamanitra. 10  Mampanana anaka ombivavy ny ombilahiny, ka tsy verivery fotsiny ny tsirinain’ilay ombilahy.Ary miteraka ny ombivaviny+ sady tsy mba afa-jaza. 11  Alefany mikarenjy toy ny andian’ondry ny zanany lahikely,Ary mandehandeha mifalihavanja ny zanany. 12  Mihorakoraka izy ireo miaraka amin’ny ampongatapaka sy harpa,+Ary mifaly amin’ny feon-tsodina. 13  Mifalifaly izy mandritra ny androm-piainany,+Ary indray mipy maso no idinany any amin’ny Fasana.* 14  Hoy izy amin’ilay tena Andriamanitra: ‘Mialà aminay!+Tsy te hahafantatra ny lalanao izahay.+ 15  Fa iza moa ilay Mahery Indrindra no hotompoinay?+Ary inona no soa azonay raha mifandray aminy?’+ 16  Tsy tompon’ny fahasambarany izy ireo.+Ho lavitra ahy anie ny fisainan’ny ratsy fanahy!+ 17  Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy?+Impiry moa no mba mihatra aminy ny loza tokony hanjo azy?Ary impiry moa Andriamanitra rehefa tezitra, no mamely azy amin’ny fandringanana sahaza azy?+ 18  Manjary toy ny mololo entin-drivotra angaha izy ireo,+Na toy ny akofa indaosin’ny tafio-drivotra? 19  Ny ratsy ataon’ny olona dia hotehirizin’Andriamanitra ho an’ny zanany ihany.+Hovalian’Andriamanitra ny ataony, mba ho fantany.+ 20  Hahita maso ny fihenan’ny herin’ny tenany izy,Ary hisotro amin’ny fahatezeran’ilay Mahery Indrindra.+ 21  Ahoana moa no hahitany fahafinaretana amin’ny taranany rehefa lasa izy,Rehefa nohafohezina ireo volana tokony hiainany ka antsasany sisa?+ 22  Izy ve no hampita fahalalana amin’Andriamanitra,+Nefa Andriamanitra no mitsara ny olona ambony?+ 23  Ho faty izany olona izany amin’ny fotoana mahasambatra azy iny indrindra,+Raha mbola tsy manana ahiahy sy miadana izy, 24  Ary feno tavy ny feny,Sady mbola mando tsara ny tsokany. 25  Ilay iray kosa ho faty ao anatin’ny fahoriana mangidy,Nefa tsy mba nanandrana zava-tsoa akory.+ 26  Hiara-mandry ao amin’ny vovoka izy roa tonta,+Ary ho rakotry ny olitra ny tenany.+ 27  Fantatro tsara ny eritreritrareo,Sy ny tetika tianareo hamelezana ahy.+ 28  Fa hoy ianareo: ‘Aiza ny tranon’ny olona ambony,Ary aiza ny tranolay, eny, ny fonenan’ny ratsy fanahy?’+ 29  Tsy nanontanianareo angaha ny mpanao dia lavitra teny an-dalana,Ary tsy nodinihinareo tsara angaha ny porofo nomeny? 30  Fa voatsimbina ny olon-dratsy, amin’ny andro fahoriana,+Ary voavonjy izy amin’ny andro fahatezerana. 31  Iza no ho sahy hitsikera azy eo imasony?*+Ary iza no hamaly azy noho izay nataony?+ 32  Hoentina any amin’ny toeram-pandevenana izy,+Ary hasiana mpiambina eo amin’ny fasana. 33  Ho mamy aminy ny baingan-tany eny amin’ny lohasaha falehan-driaka.+Hitarika ny olona rehetra hanaraka azy izy,+Ary tsy tambo isaina ny efa lasa talohany. 34  Koa very maina ny fiezahanareo hampionona ahy,+Ary lainga fotsiny ny valin-teninareo!”

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.
A.b.t.: “eo anatrehan’ny tavany.”