Joba 22:1-30

  • Ny teny fahatelo nataon’i Elifaza (1-30)

    • ‘Mahasoa an’Andriamanitra angaha ny olona?’ (2, 3)

    • Tia vola sy tsy manao ny rariny, hono, i Joba (9)

    • ‘Miverena amin’Andriamanitra, dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao’ (23)

22  Dia namaly i Elifaza+ Temanita hoe:  2  “Mila olona angaha moa Andriamanitra? Sa mahasoa azy ny olona lalin-tsaina?+  3  Na manao ny marina aza ianao, inona moa no iraharahian’ilay Mahery indrindra an’izany?*Sa misy tombony ho azy satria hoe tsy mivadika aminy ianao?+  4  Noho ianao manaja azy veNo hanasaziany anao sy hitondrany anao eny amin’ny fitsarana?  5  Tsy satria ve hoe efa be loatra ny ratsy vitanaoAry manao fahadisoana foana ianao?+  6  Fa maka antoka amin’ny rahalahinao ianao nefa tsy misy antony akory,Ary manendaka ny akanjon’ny olona ianao ka avelanao hitanjaka+ izy.*  7  Tsy manome rano hosotroin’ny reraka ianao,Ary tsy manome sakafo ho an’ny noana.+  8  Ny mahery no tompon’ny tany,+Ary izay iangarana no mipetraka ao.  9  Nalefanao nody maina kosa ny mpitondratena,Ary nataonao torotoro ny sandrin’ny kamboty ray. 10  Izany no mahatonga anao ho voahodidina fandrika,*+Sy hihorohoro noho ny zavatra mampahatahotra tampoka; 11  Izany koa no mahatonga ny haizim-pito ka tsy mahita na inona na inona ianao,Ary misy tondra-drano manafotra anao. 12  Tsy any an-danitra avo any ve Andriamanitra? Dia mba jereo ange ny haavon’ny kintana rehetra e! 13  Hoy anefa ianao: ‘Inona moa no tena fantatr’Andriamanitra? Angaha izy afaka mitsara avy ao ambadiky ny haizim-be? 14  Takon’ny rahona izy, ka tsy mahitaRehefa mandehandeha eny amin’ny lanitra.’* 15  Moa ve ianao hanaraka ny lalana efa nisy hatrizay,Izay nandehanan’ny ratsy fanahy, 16  Dia ireo olona nindaosin’ny fahafatesana aloha be,*Toy ny fototry ny trano lasan’ny rano?*+ 17  Hoy izy ireny amin’ilay tena Andriamanitra: ‘Aza helingelenina izahay!’ Ary koa hoe: ‘Inona moa no azon’ilay Mahery Indrindra atao aminay?’ 18  Andriamanitra anefa no nameno zava-tsoa ny tranon’izy ireny. —Lavitra ny fisainako izany fisainan’ny ratsy fanahy izany.— 19  Hahita ny fahavoazan’izy ireny ny marina ka hifaly,Ary haneso an’ireny ny tsy manan-tsiny, ka hilaza hoe: 20  ‘Ringana ny fahavalontsika,Ary ho levon’ny afo izay sisa miangana aminy.’ 21  Ataovy izay hahafantaranao tsara an’Andriamanitra, dia hilamin-tsaina ianao;Hahazo zava-tsoa ianao avy eo. 22  Ekeo ny lalàna lazain’ny vavany,Ary tehirizo ao am-ponao ny teniny.+ 23  Raha miverina amin’ilay Mahery Indrindra ianao, dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainanao;+Raha esorinao tsy ho ao amin’ny tranolainao ny tsy fahamarinana, 24  Raha arianao eny amin’ny vovoka ny volamenanao,*Ary arianao eny amin’ny tevana* be vato ny volamena avy any Ofira,+ 25  Dia ilay Mahery Indrindra no ho toy ny volamena* ho anao,Sy ho toy ny volafotsy tsara indrindra ho anao. 26  Amin’izay dia ho finaritra amin’ilay Mahery Indrindra ianao,Sady hitraka hijery an’Andriamanitra. 27  Hitalaho aminy ianao, dia hihaino anao izy.Ary hanefa ny voadinao ianao. 28  Hahomby daholo izay eritreretinao hatao,Ary hazava ny lalanao. 29  Haetry ianao rehefa mirehareha,Fa ny manetry tena* kosa no hovonjeny. 30  Hamonjy an’ireo tsy manan-tsiny izy;Koa tsy maintsy ho voavonjy ianao raha madio ny tananao.”

Fanamarihana

Na: “ho finaritra amin’izany ve ilay Mahery Indrindra?”
Abt: “ny akanjon’izay zara raha mitafy.”
Abt: “fandri-borona.”
Abt: “andohalambon’ny lanitra.”
Na: “nohafohezina ny androm-piainany.”
Abt: “renirano.”
Na: “vaingam-bolamenanao.”
Na: “lalan-driaka.”
Na: “vaingam-bolamena.”
Na: “izay mijery ambany.”