Joba 23:1-17

  • Ny valin-tenin’i Joba (1-17)

    • Te hitondra ny adiny eo anatrehan’i Jehovah (1-7)

    • Tsy mety hitany, hono, Andriamanitra (8, 9)

    • “Nandeha tamin’ny lalany aho fa tsy nivilivily” (11)

23  Namaly i Joba hoe: 2  “Na androany aza dia mbola hitaraindraina foana aho;*+Tsy manan-kery intsony aho satria misentosento lava.  3  Raha mba fantatro mantsy hoe aiza no hahitako an’Andriamanitra,+ Dia hankany amin’ny toerana ipetrahany aho!+  4  Hoentiko eo anatrehany ny adiko,Ary hataoko eo am-bavako daholo izay teny hiarovako ny tenako.  5  Hohenoiko izay havaliny ahy,Ary ho fantatro izay holazainy amiko.  6  Hiady amiko ve izy ka hampiasa ny heriny lehibe? Tsy hanao an’izany izy, fa azo antoka hoe hihaino ahy.+  7  Amin’izay dia ho afaka hifanazava aminy ny olona manao izay mahitsy,Ary hanafaka ahy madiodio ny Mpitsara ahy.  8  Raha miantsinanana anefa aho, dia tsy any izy;Ary miankandrefana aho nefa tsy mahita azy.  9  Rehefa miasa any avaratra izy, dia tsy hitako;Dia mivily mankany atsimo izy, nefa mbola tsy hitako ihany. 10  Fantany anefa izay lalana alehako.+ Rehefa avy sedrainy aho, dia ho toy ny volamena tsy misy fangarony.+ 11  Nanaraka akaiky ny dian-tongony ny tongotro;Nandeha tamin’ny lalany aho fa tsy nivilivily.+ 12  Tsy niala tamin’ny didy nambarany aho. Notandremako mihoatra noho izay notakina tamiko ny teniny sady sarobidy tamiko.+ 13  Iza moa no mahatohitra azy rehefa tapaka ny heviny?+ Izay tiany hatao dia ataony.+ 14  Fa hotanterahiny hatramin’ny farany izay efa noeritreretiny* momba ahy,Ary mbola misy zavatra maro hoatr’izany eritreretiny. 15  Izany no mahatonga ahy hatahotra azy;Vao mainka mihorohoro aho rehefa mieritreritra momba azy. 16  Nataon’Andriamanitra izay hahakivy ny foko,Ary nampatahotra ahy ilay Mahery Indrindra. 17  Mbola tsy nahatonga ahy hangina anefa na ny haizinaNa ny haizim-pito izay mandrakotra ny tarehiko.

Fanamarihana

Na: “dia mikomy ny fitarainako.”
Na: “notakiny.”