Joba 24:1-25
24 “Nahoana ilay Mahery Indrindra no tsy mametra fotoana?+
Nahoana no tsy mahatsikaritra an’izany andro* izany ny olona mahafantatra azy?
2 Akisaky ny olona ny marika mamaritra ny tanin’olon-kafa.+Alainy an-keriny ho any amin’ny kijanany ny ondry aman’osin’izy ireo.
3 Roahiny ho any aminy ny ampondran’ny kamboty ray,Ary alainy ho antoka ny ombin’ny mpitondratena.+
4 Tereny hiala amin’ny lalana ny mahantra;Voatery miafina azy ny olona tsy misy mpiaro eto an-tany.+
5 Mirenireny mitady sakafo toy ny ampondradia+ any an-tany efitra ny mahantra;Mitady sakafo ho an-janany any amin’ny tany karakaina izy ireo.
6 Voatery mijinja eny amin’ny sahan’olona* izy ireoAry mitsimpona voaloboka eny an-tanimboaloboky ny ratsy fanahy.
7 Matory mitanjaka izy ireo mandritra ny alina fa tsy miakanjo;+Tsy manan-damba hirakofana izy ireo rehefa mangatsiaka.
8 Kotsan’ny orana eny an-tendrombohitra izy ireo;Mitampify eny amin’ny vatolampy izy ireo fa tsy manan-kialofana.
9 Misy maka an-keriny eny an-tratran-dreniny ny kamboty ray;+Ary alaina ho antoka ny akanjon’ny mahantra,+
10 Ka voatery mandehandeha mitanjaka tsy miakanjo izy ireo,Ary noana eny am-pitondrana salohim-bary.
11 Miasa mafy eny amin’ny tanimboly mikitohatohatra izy ireo amin’ny andro migaingaina;*Manitsakitsaka voaloboka ao anaty lavaka famiazana izy ireo, nefa mangetaheta.+
12 Mitaraindraina ao an-tanàna ny olona miala aina;Miantso vonjy ny olona maratra mafy efa ho faty,+Nefa tsy mampaninona an’Andriamanitra izany.*
13 Eo koa ireo mikomy amin’ny hazavana;+Tsy mahafantatra ny lalan’ny hazavana izy ireo,Ary tsy manaraka an’izany.
14 Mifoha ny mpamono olona raha vao mangiran-dratsy;Mamono an’ireo tsy misy mpiaro sy mahantra+ izy,Ary mandeha mangalatra rehefa alina.
15 Miandry takariva maizimaizina ny mason’ny mpanitsakitsa-bady,+Ary milaza izy hoe: ‘Tsy hisy hahita ahy!’+
Saronany koa ny tarehiny.
16 Mamaky* trano ny mpangalatra rehefa maizina ny andro;Mihidy aman-trano izy ireo amin’ny antoandro.
Tsy mba fantany ny mazava.+
17 Toy ny haizim-pito mantsy ny maraina aminy;Efa mahazatra azy ny haizim-pito mampihorohoro.
18 Vetivety anefa izy ireo dia ho lasan’ny rano.*
Ho voaozona ny anjara taniny.+
Tsy hiverina any amin’ny tanimboalobony intsony izy ireo.
19 Mitsonika ny lanezy dia levona rehefa misy hain-tany sy tratry ny hafanana.Levona toy izany koa ny mpanota rehefa lasa ao amin’ny Fasana!*+
20 Hanadino azy ny reniny,* ary hankafy hihinana azy ny olitra.
Tsy hotsarovana intsony izy.+
Ho tapaka tahaka ny hazo ny tsy fahamarinana.
21 Mihaza an’izay vehivavy tsy miteraka izy,Ary mampijaly an’izay maty vady.
22 Hampiasa ny heriny Andriamanitra* mba handringanana ny matanjaka.Na dia mety hoe hisandratra aza izy ireo, dia tsy azon’izy ireo antoka hoe ho velona izy ireo.
23 Avelan’Andriamanitra* hatoky tena sy hahatsiaro ho tsy manana ahiahy+ izy ireo,Nefa arahiny maso izay rehetra ataon’izy ireo.*+
24 Misandratra vetivety izy ireo, dia tsy hita intsony.+
Aetry izy ireo,+ ary angonina toy ny olon-drehetra;Otazana toy ny salohim-bary izy ireo.
25 Iza àry no afaka manaporofo fa mpandainga aho,Na afaka milaza fa diso ny teniko?”
Fanamarihana
^ Izany hoe ny andro fitsarany.
^ Na mety hoe “maka vilona eny an-tsaha.”
^ Na mety hoe “Manamboatra menaka eny amin’ny tanimboly mikitohatohatra izy ireo.”
^ Na mety hoe “tsy miampanga na iza na iza Andriamanitra.”
^ Abt: “Mandoaka.”
^ Abt: “Mandeha haingana eny ambony rano izy.”
^ Abt: “ny kibo.”
^ Abt: “izy.”
^ Abt: “Avelany.”
^ Abt: “ny lalan’izy ireo.”