Joba 25:1-6

  • Ny teny fahatelo nataon’i Bildada (1-6)

    • ‘Ny olona ve dia tsy hanan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra?’ (4)

    • Very maina, hono, ny tsy fivadihan’ny olona (5, 6)

25  Dia namaly i Bildada+ Sohita hoe:  2  “Azy ny fahefana sy ny hery mampahatahotra;Mampisy fiadanana any an-danitra* izy.  3  Voaisa ve ny miaramilany? Iza no tsy iposahan’ny hazavany?  4  Koa ny olombelona mety maty ve dia ho marina eo anatrehan’Andriamanitra?+Ary ny olona atera-behivavy ve dia tsy hanan-tsiny?*+  5  Na ny volana aza tsy mamiratra,Ary na ny kintana aza tsy madio eo imasony,  6  Koa mainka fa ny olombelona mety maty, izay toy ny olitra,Ary ny zanak’olombelona, izay toy ny kankana!”

Fanamarihana

Abt: “any amin’ny toerana avo misy azy.”
Na: “dia hadio.”