Joba 27:1-23

  • Tapa-kevitra ny tsy hivadika i Joba (1-23)

    • “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho” (5)

    • Tsy manana fanantenana izay tsy matahotra an’Andriamanitra (8)

    • “Maninona ny teninareo no tsy misy horaisina mihitsy?” (12)

    • Tsy hanana na inona na inona intsony ny ratsy fanahy (13-23)

27  Nanohy ny teniny* i Joba ka nilaza hoe:  2  “Raha mbola velona koa Andriamanitra, izay tsy nanome rariny ahy,+Raha mbola velona koa ilay Mahery Indrindra, izay nampangidy ny fiainako,+  3  Raha mbola manam-pofonaina koa aho,Ka mbola misy aina avy amin’Andriamanitra eo am-bavoroko,+  4  Dia tsy hiteny zavatra tsy marina ny molotro;Tsy hingonongonona fitaka ny lelako!  5  Sanatria ahy ny hilaza hoe marina ianareo! Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho* mandra-pahafatiko.+  6  Hazoniko mafy ny fahamarinako, ka tsy havotsotro mihitsy;+Tsy hanameloka* ahy ny foko raha mbola velona koa aho.*  7  Enga anie ny fahavaloko ho lasa hoatran’ny ratsy fanahy,Ary ireo miady amiko ho toy ny olona tsy marina!  8  Fa inona moa ny fanantenan’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra* rehefa ringana izy,+Rehefa esorin’Andriamanitra ny ainy?  9  Hihaino ny fitarainany ve Andriamanitra,Rehefa misy fahoriana manjo azy?+ 10  Sa izy hifaly amin’ilay Mahery Indrindra? Hiantso foana an’Andriamanitra ve izy? 11  Hampianatra anareo momba ny herin’Andriamanitra* aho;Tsy hanafina na inona na inona momba an’ilay Mahery Indrindra aho. 12  Raha efa nahazo fahitana daholo ianareo,Dia maninona ny teninareo no tsy misy horaisina mihitsy? 13  Izao no anjara atokan’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy,+Dia ny lova azon’ny mpanjakazaka avy amin’ilay Mahery Indrindra: 14  Ho fatin’ny sabatra ny zanany, na dia mihamaro aza,+Ary tsy ho ampy sakafo ny taranany. 15  Ho fatin’ny aretina izay sisa tavela amin’ny zanany ka halevina,Ary tsy hitomany azy ireo ny vady navelany. 16  Na manangona volafotsy maro be toy ny vovoka aza izy,Sy akanjo tsara be dia be toy ny tanimanga miavosa, 17  Na dia manangona an’izany aza izy,Dia ny olo-marina no hitafy an’izany,+Ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsiny. 18  Ny trano aoriny dia mora simba hoatran’ny tranon’ny bibikely,*Toy ny tranokely fialokalofana+ namboarin’ny mpiambina. 19  Manankarena izy rehefa hatory, nefa tsy hahangona na inona na inona;Tsy hisy na inona na inona intsony eo, rehefa manokatra ny masony izy. 20  Mahatratra azy tampoka toy ny tondra-drano ny horohoro;Paohin’ny tafio-drivotra izy amin’ny alina.+ 21  Hoentin’ny rivotra avy any atsinanana izy ka tsy ho eo intsony;Hofaohiny hiala amin’ny toerany+ izy. 22  Hifofofofo hamely azy tsy an-kiantra izany,+Raha iny izy miezaka mafy hitsoaka ny herin’ilay rivotra iny.+ 23  Toy ny hoe mitehaka ilay rivotra mba hanesoesoana azy,Ary misioka maneso+ azy avy eo amin’ny toerany izy io.*

Fanamarihana

Abt: “oha-pitenenany.”
Na: “Tsy hisy na inona na inona havelako hampivadika ahy.”
Na: “Tsy hanome tsiny.”
Na: “amin’ny andro rehetra iainako.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Na mety hoe “amin’ny alalan’ny tanan’Andriamanitra.”
Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.
Na mety hoe “Mitehaka maneso azy ny olona, sady misioka maneso azy avy eo amin’ny toeran’izy ireo.”