Joba 28:1-28

28  “Misy tokoa toerana ahitana volafotsy,Ary koa toerana ahitana volamena mbola hodiovina.+   Alaina avy amin’ny vovoka+ ny vy,Ary atsonika avy amin’ny vato ny varahina.   Mampisava ny haizina ny olona,Ary mitrandraka hatrany amin’ny fetra farany,+Eny, mitrandraka vato any amin’ny haizina sy haizim-pito.   Mihady lavaka fitrandrahana izy, any amin’ny toerana lavitra ny fivahinian’olona,+Dia toerana tsy misy mpandeha ka hadino.Midina any ny olombelona mety maty, ary misavilivily.   Ny tany no iavian’ny sakafo,+Nefa ny any ambaniny any dia ravaravana ka toy ny hoe nolalovan’ny afo.   Ny vato any anaty tany no itoeran’ny safira,+Ary misy vovo-bolamena any.   Tsy mahafantatra ny lalana any ny vorona mpihaza,+Ary tsy mahita izany ny mason’ny papango.+   Tsy manitsakitsaka an’izany ny bibidia lehibe,Ary tsy mandehandeha any ny liona tanora.   Manatsotra ny tanany haka vatoafo ny olona,Ary manjera tendrombohitra hatramin’ny fotony. 10  Mandavaka lakandrano any anaty vatolampy izy,+Ka mahita ny zava-tsarobidy rehetra. 11  Tampenany ny loharano ipoiran’ny renirano,+Ary avoakany ho eo amin’ny mazava ny zava-miafina. 12  Fa ny fahendrena kosa, aiza no ahitana azy?+Ary aiza no misy ny fahiratan-tsaina? 13  Tsy fantatry ny olombelona mety maty ny hasarobidiny,+Ary tsy hita eo amin’ny tanin’ny velona izany. 14  Hoy ny rano lalina:‘Tsy atỳ amiko izany!’Ary hoy koa ny ranomasina: ‘Tsy ato amiko izany!’+ 15  Na ny volamena tsy misy fangarony aza dia tsy ahazoana azy raha atao takalony,+Ary tsy misy lanjam-bolafotsy mahavidy azy. 16  Tsy voavidy amin’ny volamena avy any Ofira izany,+Na amin’ny vato onyksa sarobidy, na amin’ny safira. 17  Tsy misy azo ampitahaina aminy na ny volamena na ny fitaratra,Ary izay zavatra vita amin’ny volamena voadio, dia tsy ahazoana azy raha atao takalony. 18  Tsy hotononina intsony ny haran-dranomasina*+ sy ny vato krystaly,Satria sarobidy noho ny perla iray kitapo ny fahendrena.+ 19  Tsy azo ampitahaina aminy ny topaza+ avy any Kosy,Ary na ny volamena tsy misy fangarony aza tsy mahavidy azy. 20  Fa avy aiza àry ny fahendrena?+Ary aiza no misy ny fahiratan-tsaina? 21  Miafina amin’ny mason’ny velona rehetra izany,+Sady miafina amin’ny voro-manidina eny amin’ny lanitra. 22  Hoy Rafahalòvana sy Rafahafatesana:‘Efa ren’ny sofinay ny momba izany.’ 23  Andriamanitra no mahafantatra ny lalan’izany,+Eny, izy no mahalala ny toerana misy azy. 24  Fa mitazana ny hatrany amin’ny faran’ny tany izy,+Sady mijery ny eny ambanin’ny lanitra rehetra eny, 25  Mba hanomezana hery ny rivotra,+Sy hitsinjarana ny rano amin’ny famarana.+ 26  Tamin’izy nanao lalàna ho an’ny orana,+Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra, 27  Dia hitany ny fahendrena ka nambarany.Nanomana izany izy, sady namotopototra momba izany. 28  Koa hoy izy tamin’ny olona:‘Ny fahatahorana an’i Jehovah no fahendrena,+Ary ny fialana amin’ny ratsy no fahiratan-tsaina.’”+

Fanamarihana

Sarobidy be ny haran-dranomasina tamin’ny andron’ny Baiboly.