Joba 3:1-26

  • Nitaraina i Joba hoe tahaka izay izy tsy nisy (1-26)

    • Nanontany hoe nahoana izy no mijaly (20, 21)

3  Taorian’izany dia nanomboka niteny i Joba ka nanozona ny andro nahaterahany.*+ 2  Hoy izy:  3  “Ho foana anie ilay andro nahaterahako,+Sy ilay alina nilazana hoe: ‘Misy zazalahy vao miforona ao am-bohoka!’  4  Enga anie ho maizina izany andro izany! Tsy hiraharaha an’izany anie ilay Andriamanitra any ambony any,Ary tsy hisy hazavana hamiratra anie amin’izany!  5  Enga anie haka azy indray ny haizim-pito!* Hisy rahona mitatao anie eo aminy, Ary hampihorohoro azy anie izay rehetra manamaizina ny andro!  6  Handrombaka an’izany alina izany anie ny haizina mikitroka.+Enga anie izy tsy hiara-mifaly amin’ireo andro ao anatin’ny taona,Sady tsy hisaina ho isan’ireo volana!  7  Tsy hamokatra tokoa anie izany alina izany,Sady tsy handrenesana fihobiana!  8  Hanozona azy anie ireo manozona ny andro,Dia ireo mahavita mamoha Leviatana!*+  9  Hihamaizina anie ny kintan’ny marainany!Enga anie izy ho sasa-miandry ny mazava,Ary tsy ho hitany ny taratry ny mazava ratsy! 10  Fa tsy nanidy ny varavaran’ny kibon’ny reniko izy,+Na nanafina ny fahoriana tsy ho hitan’ny masoko. 11  Nahoana re aho no tsy tonga dia maty tamin’izaho vao teraka e? Nahoana aho no tsy niala aina rehefa nivoaka avy tao an-kibo?+ 12  Nahoana no nisy lohalika niampofo ahySy nono ninonoako? 13  Fa raha tsy izany, dia efa nandry tamim-piadanana+ aho,Ary efa natory ka niala sasatra+ 14  Niaraka tamin’ny mpanjakan’ny tany sy ny mpanolo-tsainan’izy ireo,Izay nanorina toerana ho an’ny tenany saingy efa rava izany ankehitriny,* 15  Na niaraka tamin’ny andriana nanana volamenaSy trano feno volafotsy. 16  Na maninona aho no tsy toy ny zaza vao mitsaika nefa afaka sahady,Toy ny zaza tsy nahita masoandro mihitsy? 17  Na ny ratsy fanahy aza tsy mitebiteby intsony, rehefa any am-pasana.Any ny reraka no miala sasatra.+ 18  Any ny gadra rehetra no miadana;Tsy henon’izy ireo intsony ny feon’izay manery azy hiasa. 19  Mitovy ihany ny kely sy ny lehibe rehefa any,+Ary afaka amin’ny tompony ny mpanompo. 20  Nahoana no ataony mahita masoandro ny olona mijaly,Ary omeny aina ny olona mizaka ny mangidy?+ 21  Nahoana izy ireo no te ho faty nefa tsy mety tonga Rafahafatesana?+ Mikaroka an’izany mihoatra noho ny harena miafina izy ireo, 22  Dia ireo olona faly beSy ravoravo rehefa mahita ny fasana. 23  Nahoana no ataon’Andriamanitra mahita masoandro ny olona very lalana,Izay efa nataony tapi-dalan-kaleha?*+ 24  Fa ny sentoko no solon’ny sakafoko,+Ary miraradraraka toy ny rano ny fitarainako.+ 25  Fa ilay zavatra nampihorohoro ahy mihitsy no mihatra amiko,Ary ilay natahorako no manjo ahy. 26  Tsy mba niadana aho, na nilamindamina, na mba afaka naka aina,Fa tebiteby lava no iainako.”

Fanamarihana

Abt: “ny androny.”
Na: “haizina sy ny aloky ny fahafatesana.”
Mety ho voay na biby hafa any anaty rano izay ngezabe sady matanjaka be.
Na mety hoe “Izay nanorina toerana aolo ho an’ny tenany.”
Abt: “nofefeny manodidina.”