Joba 30:1-31

30  “Izao anefa dia mihomehy ahy+Ireo tanora kokoa noho izaho.+Ny rainy aza anefa tsy navelako akoryHiaraka tamin’ny alika mpiandry ny ondriko.   Na ny heriny aza tsy nisy nilako azy.Efa lany hery izy.+   Tsy manan-kery izy noho ny tsy fisiana sy ny hanoanana,Ary zara izy raha mahita hotsakoina any amin’ny faritra karakaina,+Izay nisy tafiotra sy fandravana omaly.   Mitsongo ahitra masira eny akaikin’ny kirihitra izy,Ary fakan’anjavidy no sakafony.   Roahina tsy ho eo amin’ny fiaraha-monina izy,+Ary akoraina toy ny mpangalatra.   Voatery monina eny amin’ny toerana misolampy eny amin’ny lohasaha falehan-driaka izy,Any anaty lavaka, sy eny amin’ny vatolampy.   Mitaraindraina eny amin’ny kirihitra izy,Ary mitangorona eny ambanin’ny zavamaniry be tsilotsilony.   Zanaky ny tsisy saina+ sy ny tsy fantatra anarana ireny,Ka nokaravasina hiala amin’ilay tany.   Ataony ambentin-kira anefa aho izao,+Sady esoiny.+ 10  Mankahala ahy izy, ka manalavitra ahy,+Sady tsy menatra akory mandrora ny tavako.+ 11  Nanagoragora ny tadin-tsipìkako Andriamanitra ka nampietry ahy.Nanampatra ny tsy fitiavany ahy ny fahavaloko. 12  Mitsangana eo ankavanako izy ireo, toy ny taranaka ratsy fanahy.Afahany ny tongotro,Nefa ananganany sakana aho avy eo, mba hahitako loza.+ 13  Mandrava ny lalan-kalehako izy,Sady mampitombo ny fahoriako.+Ary tsy mila fanampiana akory izy amin’izany. 14  Miditra toy ny olona mibosesika eo amin’ny gorobaka amin’ny manda izy ireo,Ary mandroso na dia ao anatin’ny oram-baratra aza. 15  Mamely ahy ny horohoro tampoka.Toy ny enjehin’ny rivotra ny voninahitro,Ary levona toy ny rahona ny famonjena ahy. 16  Miharìtra ny aiko ato anatiko,+Ary tratran’ny androm-pahoriana+ aho. 17  Amin’ny alina dia toy ny voatrobaka ny taolako,+ ka mitsoaka miala amiko,Ary tsy mitsahatra manaikitra ahy ny fanaintainako.+ 18  Ny fitafiako dia miova noho ny hamafin’ny aretiko,Sady mamatotra ahy toy ny vozon’akanjoko. 19  Naetrin’Andriamanitra teo amin’ny tanimanga aho,Ka nanjary toy ny vovoka sy lavenona. 20  Miantso vonjy aminao aho, nefa tsy valianao.+Mijoro aho, mba hiheveranao ahy. 21  Manjary masiaka amiko ianao,+Ary mankahala ahy, ka manohitra ahy amin’ny herinao manontolo. 22  Ingainao ho eny amin’ny rivotra aho, avelanao hoentiny,Ary levoninao amin’ny rivotra mifofofofo. 23  Fa fantatro tsara fa hamerina ahy any amin’ny fahafatesana ianao,+Dia any amin’ny trano hihaonan’ny velona rehetra. 24  Kanefa tsy misy maninjitra ny tanany hamely ny tenako, izay efa toy ny korontam-bato miavosa.+Efa mihena ny heriko, nefa tsy misy miantso vonjy ho ahy amin’izao manjo ahy izao. 25  Izaho anefa mba nitomany tamin’izay nanjo ny ory,+Ary nalahelo tamin’izay nanjo ny mahantra.+ 26  Zava-tsoa no nandrasako, kanjo zava-dratsy no tonga.+Ary niandry ny mazava aho, kanjo ny haizina no tonga. 27  Nangotikotika ny tsinaiko, ka tsy nety nangina.Nianjady tamiko ny andro fahoriana. 28  Nandehandeha tamin’alahelo+ aho tao anatin’ny andro nanjombona.Nitsangana teo anivon’ny fiangonana aho ka niantso vonjy. 29  Lasa rahalahin’ny alikadia aho,Sady naman’ny zanakavavin’ny aotirisy.+ 30  Nanjary mainty ny hoditro,+ ka mihofakofaka,Ary mahamay ny taolako satria maina. 31  Fisaonana sisa no ampiasako ny harpa,Ary feon’ireo mitomany no ampiasako ny sodina.

Fanamarihana