Joba 31:1-40

31  “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho,+Koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?+   Inona moa no anjara avy amin’Andriamanitra,+Na lova avy any amin’ny avo, avy amin’ilay Mahery Indrindra?   Tsy loza ve no anjaran’ny mpanao ratsy,+Ary fahoriana no anjaran’ny mpisompatra?   Moa ve Andriamanitra tsy mahita ny lalako,+Ary manisa ny diako rehetra?   Raha miara-mandeha amin’ny olona tsy marina aho,+Ary ny tongotro mihazakazaka ho amin’ny fitaka+...   Raha holanjain’Andriamanitra amin’ny mizana marina aho,+Dia ho fantany fa tsy mivadika.+   Raha mivily any amin’ny tsy izy ny diako,+Na manaraka izay tian’ny masoko ny foko,+Ary mihazona zava-dratsy ny tanako,+   Dia aoka aho hamafy, nefa olon-kafa no hihinana,+Ary aoka ho fongotra ny taranako.   Raha voasarika ho amin’ny vehivavy hafa ny foko,+Ka mamitsaka miandry+ eo am-baravaran’ny namako aho, 10  Dia aoka ny vadiko hanodina vato fikosoham-bary ho an’ny lehilahy hafa,Ary aoka koa ny lehilahy hafa handohalika eo ambonin’ny vadiko.+ 11  Fa fitondran-tena baranahiny izany,Ary fahadisoana tokony hotsarain’ny mpitsara.+ 12  Afo mandoro izany ka manapotika tanteraka,+Ary mandevona ny voliko rehetra hatrany amin’ny fakany. 13  Raha tsy navelako hahazo ny rariny ny mpanompolahikoSy ny mpanompovaviko tamin’ny adiny tamiko, 14  Dia inona no hataoko rehefa mitsangana Andriamanitra?Ary inona no havaliko azy rehefa manao ampamoaka izy?+ 15  Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy koa?+Ary tsy Iray ihany ve no namolavola anay tao am-bohoka? 16  Raha tsy nomeko ho an’ny mahantra ny zavatra nahafinaritra azy,+Ary raha nataoko reraka ny mason’ny mpitondratena,+ 17  Raha nohaniko samirery ny sombi-mofoko,Ary tsy nihinana tamin’izany ny kamboty ray,+ 18  —Fa efa hatramin’ny fahazazako aho no nitaiza azy toy ny ray,Ary efa hatrany an-kibon-dreniko aho no nanampy ny mpitondratena— 19  Raha toa aho nahita olona efa ho faty noho izy tsy nanan-kitafy,+Na nahita mahantra tsy nanan-damba hirakofana, 20  Ka tsy nitso-drano ahy izy,+Ary tsy nanafana azy ny volon’ny+ ondrilahy keliko, 21  Raha nambanako tamin’ny tanako ny kamboty ray,+Rehefa hitako nitady fanampiana tamiko teo am-bavahady,+ 22  Dia aoka ny taolan-tsoroko hilatsaka hiala amin’ny soroko,Ary ny sandriko ho tapaka hiala amin’ny foto-tsandriko. 23  Nampahatahotra ahy mantsy ny loza avy amin’Andriamanitra,Ary tsy nahajoro teo anoloan’ny voninahiny+ aho. 24  Raha nitoky tamin’ny volamena aho,Na niteny taminy hoe: ‘Ianao no ianteherako!’,+ 25  Raha nifaly aho noho ny habetsahan’ny fananako,+Sy noho ny nahazoan’ny tanako zavatra maro be,+ 26  Raha nahita ny hazavana namirapiratra aho,Na ny volana kanto nandeha teny amin’ny lanitra,+ 27  Ka voafitaka mangingina ny foko,+Sady nanoroka ny tanako ny vavako ho fanajana an’ireny, 28  Dia fahadisoana tokony hotsarain’ny mpitsara koa izany,Satria nanda an’ilay tena Andriamanitra any ambony aho raha nanao izany. 29  Raha nifaly aho satria fongotra izay mankahala ahy,+Na nibitaka satria tra-doza izy... 30  Fa tsy mba namela ny vavako hanota aho,Na nangataka ny hanozonana azy.+ 31  Raha toa ny olona tao an-tranolaiko ka tsy nilaza hoe:‘Aiza no misy olona tsy voky tamin’ny sakafo nomeny?’+... 32  Ny vahiny dia tsy nisy natory teny an-tokotany,+Fa nosokafako foana ho an’ny mpandeha lavitra ny varavarako. 33  Raha nandika lalàna aho ka nanarontsarona izay nataoko toy ny fanaon’olona,+Ary nanafina ny fahadisoako tao anaty paosin’akanjoko... 34  Fa ho raiki-tahotra tao anaty vahoaka aho,Ary ho nampihorohoro ahy ny fanesoan’ny havana,Dia ho nangina aho, ka tsy ho sahy nivoaka ny varavarana. 35  Enga anie ka hisy hihaino ahy,+Ary hamaly an’izay efa nataoko sonia ilay Mahery Indrindra!+Enga anie ka hanoratra ny fiampangany ilay miady amiko eo amin’ny fitsarana! 36  Dia holanjaiko eo an-tsoroko tokoa izany,Ary hafehiko amiko toy ny satroboninahitra lehibe. 37  Holazaiko amin’Andriamanitra ny diako rehetra,+Ary toy ny andriana aho manatona azy. 38  Raha nitaraina niampanga ahy ny taniko,Ary nitomany avokoa ny vava asa teo aminy, 39  Raha nihinana ny vokatra teo aminy aho nefa tsy nandoa vola,+Sady nanao izay hampisento ny mpamboly,+ 40  Dia aoka ho ahidratsy misy tsilo no haniry ho solon’ny varimbazaha,+Ary ahidratsy maimbo no ho solon’ny vary orza.” Tapitra ny tenin’i Joba.

Fanamarihana