Joba 32:1-22
32 Koa tsy niezaka namaly an’i Joba intsony izy telo lahy. Resy lahatra mantsy i Joba hoe manana ny marina izy.*+
2 Tezitra be kosa i Eliho zanak’i Barakela Bozita,+ avy amin’ny fianakavian’i Rama. Tezitra mafy tamin’i Joba izy, satria niezaka nanaporofo i Joba hoe izy no marina fa tsy Andriamanitra.+
3 Tezitra be tamin’ny naman’i Joba telo lahy koa izy, satria tsy nahita havaly izy ireo fa Andriamanitra indray no nolazainy hoe ratsy fanahy.+
4 Niandry i Eliho vao namaly ny tenin’i Joba, satria izy ireo be taona kokoa noho izy.+
5 Vao mainka sosotra be i Eliho rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly intsony izy telo lahy.
6 Nanomboka niteny àry i Eliho zanak’i Barakela Bozita hoe:
“Mbola tanora* aho,Fa ianareo kosa efa be taona.+
Koa ho fanajana anareo, dia tsy niteny aho aloha+Sady tsy sahy nilaza taminareo an’izay fantatro.
7 Nieritreritra aho hoe: ‘Aleo izay efa ela niainana* no hiteny,Ary izay be taona no aoka hilaza fahendrena.’
8 Kanefa ny fanahin’Andriamanitra izay ao amin’ny olona,Dia ny fofonain’ilay Mahery Indrindra, no manome azy fahiratan-tsaina.+
9 Tsy izay ela niainana ihany no manam-pahendrena,*Ary tsy ny zokiolona ihany no mahalala an’izay tokony hatao.+
10 Koa izao no lazaiko: ‘Henoy aho,Dia holazaiko aminareo koa izay fantatro.’
11 Niandry ny teninareo ho tapitra aho;Nihaino anareo aho tamin’ianareo nandahatra ny hevitrareo,+Sy nieritreritra an’izay holazainareo.+
12 Nihaino tsara anareo aho,Kanefa tsy nisy taminareo nahavita nanaporofo hoe diso i Joba,*Na nahatohitra ny heviny.
13 Koa aza miteny hoe: ‘Efa hitanay ny fahendrena;Andriamanitra no manitsy azy fa tsy olona.’
14 Tsy izaho no nasiany tamin’ny teniny,Koa tsy ny hevitrareo no hamaliako azy.
15 Ankona izy ireo ka tsy nanan-kavaly intsony;Tsy nahita hotenenina intsony izy ireo.
16 Niandry aho, nefa tsy nanohy ny teniny izy ireo;Nijoro teo fotsiny izy ireo, fa tsy namaly intsony.
17 Hamaly koa àry aho;Holazaiko koa izay fantatro,
18 Fa manan-javatra be dia be holazaina aho.Manery ahy ny fanahin’Andriamanitra ato anatiko.
19 Toy ny divay mandroadroatra tsy misy lalan-kivoahana ny ato anatiko,Hoatran’ny siny hoditra* vaovao mitady ho vaky.+
20 Koa aleo aho hiteny mba ho maivamaivana!
Hosokafako ny vavako ka hamaly aho.
21 Tsy mba hijery tavan’olona*+ aho,Na handokadoka* olona,
22 Fa tsy mba haiko ny mandokadoka olona;Raha nanao an’izany aho, dia ho nandringana ahy avy hatrany ilay Mpanao ahy.