Joba 34:1-37

  • Noporofoin’i Eliho fa manao ny rariny i Jehovah ary mety ny ataony (1-37)

    • Nilaza i Joba hoe tsy nomen’Andriamanitra rariny (5)

    • “Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy” (10)

    • Misy zavatra tsy fantatr’i Joba (35)

34  Koa nanohy ny teniny i Eliho, ka niteny hoe:  2  “Henoy ny teniko, ry olon-kendry;Henoy aho, ry manam-pahaizana.  3  Fa ny sofina no mamantatra teny,Toy ny lela* mamantatra tsiron-kanina.  4  Andao isika hamantatra ny atao hoe rariny;Andao hiarahantsika manapaka ny atao hoe tsara.  5  Niteny mantsy i Joba hoe: ‘Manana ny rariny aho,+Saingy tsy nomen’Andriamanitra rariny.+  6  Izaho ve dia handainga momba an’izay tokony ho didim-pitsarana momba ahy? Tsy mety sitrana ny feriko, na dia tsy nandika lalàna aza aho.’+  7  Aiza no misy lehilahy hoatran’i Joba,Izay misotro fanesoana toy ny fisotro rano?  8  Naman’ny mpanao ratsy izy,Sady sakaizan’ny ratsy fanahy.+  9  Izao mantsy no nolazainy: ‘Tsy mahasoa ny olonaNy miezaka mampifaly an’Andriamanitra.’+ 10  Koa mihainoa ahy, ianareo mahira-tsaina: Sanatria an’ilay tena Andriamanitra ny hanao ratsy,+Sanatria an’ilay Mahery Indrindra ny hanao ny tsy mety!+ 11  Fa hovaliany araka izay ataony ny olona,+Ary havelany hizaka ny vokatry ny fitondran-tenany. 12  Tsy mba manao ratsy mihitsy Andriamanitra;+Tsy mba mamadika ny rariny ilay Mahery Indrindra.+ 13  Iza no nanome fahefana azy hiandraikitra ny tany?Ary iza no nanendry azy hifehy an’izao tontolo izao manontolo?* 14  Raha mifantoka* amin’olona izy,Ary angoniny ho any aminy ny ain’izy ireo sy ny fofonainy,+ 15  Dia hiara-ripaka ny olona* rehetra,Ary hiverina ho vovoka ny olombelona.+ 16  Koa raha mahira-tsaina ianao, dia henoy izao;Henoy tsara izay lazaiko: 17  Olona mankahala ny rariny ve no tokony ho mpitondra,Sa homelohinao ny olona manana fahefana izay manao ny marina? 18  Hilaza amin’ny mpanjaka ve ianao hoe: ‘Tsy misy ilana anao!’, Na amin’ny olona ambony hoe: ‘Ratsy fanahy ianao’?+ 19  Eo anefa Ilay tsy miangatra amin’ny andrianaSy tsy mihevitra ny manankarena ho ambony noho ny mahantra,*+Satria samy asan’ny tanany izy ireny.+ 20  Mety ho faty tampoka+ amin’ny misasakalina+ izy ireny;Tora-kovitra izy ireny ary maty;Na ny mahery aza esorina, nefa tsy tanan’olona no hanala azy.+ 21  Fa mijery an’izay alehan’ny olona Andriamanitra,+Ary mahita ny diany rehetra. 22  Tsy misy haizina na haizim-pitoAzon’ny mpanao ratsy iafenana.+ 23  Fa Andriamanitra tsy manondro fotoanaHankanesan’ny olona eo anatrehany mba hotsaraina. 24  Torotoroiny ny mahery nefa tsy mila manadihady akory izy,Ka olon-kafa no ataony solon’izy ireny.+ 25  Fantany mantsy ny ataon’izy ireny;+Aongany izy ireny mandritra ny alina, ka torotoro.+ 26  Asiany izy ireny fa nanao ratsy,Asiany eny amin’ny toerana tazan’ny olon-drehetra,+ 27  Satria niala taminy,+Sady tsy niraharaha ny lalany rehetra;+ 28  Ataon’izy ireny izay hampitaraina ny mahantra,Ka henony ny fitarainan’ny tsy misy mpiaro.+ 29  Rehefa mangina tsy miteny Andriamanitra, dia iza no afaka manameloka azy? Rehefa manafina ny tarehiny izy, dia iza no afaka mahita azy? Mitovy ihany ny vokany na firenena iray no anaovany an’izany na olona iray. 30  Amin’izay dia tsy hanjaka ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra*+Sady tsy ho afaka hamandrika olona. 31  Fa hisy hilaza amin’Andriamanitra ve hoe:‘Voasazy aho, nefa tsy nanao ratsy;+ 32  Ampianaro ahy izay tsy hitako;Raha nisy ratsy nataoko, dia tsy hamerina an’izany intsony aho’? 33  Tokony hamaly soa anao araka izay mety aminao ve izy, nefa ianao aza tsy manaiky ny didim-pitsarany? Ianao no manapa-kevitra, fa tsy izaho. Koa lazao ahy izay tena fantatrao. 34  Hiteny amiko ny mahira-tsaina,Dia ny lehilahy hendry izay maheno ahy, ka hilaza hoe: 35  ‘Miresaka zavatra tsy fantany i Joba,+Ary hita amin’ny teniny fa tsy misaina tsara izy.’ 36  Aoka i Joba hotsapaina* hatramin’ny fetra farany,Satria hoatran’ny an’ny ratsy fanahy ny valin-teniny! 37  Ampiany fikomiana ny fahotany;+Mitehaka maneso eo anatrehantsika izySady miteniteny be manohitra an’ilay tena Andriamanitra!”+

Fanamarihana

Abt: “lanilany.”
Na: “ny tany misy mponina.”
Abt: “mampifantoka ny fony.”
Abt: “nofo.”
Na: “tsy manavakavaka ny olona ambony amin’ny olona ambany.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Na mety hoe “Ry raiko ô, aoka i Joba hotsapaina.”