Joba 35:1-16

  • Nasehon’i Eliho hoe diso hevitra i Joba (1-16)

    • Nilaza i Joba fa marina noho Andriamanitra izy (2)

    • Avo be Andriamanitra, tsy misy vokany aminy ny fahotana (5, 6)

    • Tokony hiandry an’Andriamanitra i Joba (14)

35  Nanohy ny teniny ihany i Eliho, ka nilaza hoe:  2  “Tena resy lahatra ve ianao hoe manana ny rariny matoa milaza hoe:‘Marina noho Andriamanitra aho’?+  3  Fa hoy ianao: ‘Raharahianao* inona moa na manao ny marina aza aho? Misy tombony azoko angaha raha tsy manota aho?’+  4  Izaho no hamaly anaoSy ny namanao.+  5  Mitrakà dia jereo ny lanitra,Ary diniho ny rahona+ avo be eo amboninao.  6  Raha manota ianao, dia ho voa mafy ve Andriamanitra?+ Mampaninona azy moa raha im-be dia be mandika lalàna ianao?+  7  Raha manao ny marina ianao, dia inona no omenao azy amin’izany;Inona no azony avy aminao?+  8  Olona hoatr’anao ihany no voa amin’ny ratsy ataonao,Ary ny zanak’olombelona ihany no mandray soa raha manao ny marina ianao.  9  Mitaraina ny vahoaka rehefa misy mampijaly;Miantso vonjy izy mba hafahana amin’ny tsindry hazo lena ataon’ny* olona mahery.+ 10  Tsy misy milaza anefa hoe: ‘Aiza Andriamanitra, ilay Be Voninahitra Mpanao+ ahy,Dia ilay mahatonga ny olona hihira amin’ny alina?’+ 11  Mampianatra antsika+ hahay noho ny biby etỳ an-tany+ izy,Ary mahatonga antsika ho hendry noho ny vorona eny amin’ny lanitra. 12  Mitaraina ny vahoaka, nefa tsy mamaly izy,+Satria mirehareha ny ratsy fanahy.+ 13  Azo antoka fa tsy henoin’Andriamanitra ny fitarainana tsy misy dikany;*+Tsy miraharaha an’izany ilay Mahery Indrindra. 14  Koa mainka fa rehefa mitaraina ianao hoe tsy mahita azy!+ Eo anatrehany ny adinao eny amin’ny fitsarana, ka tokony hiandry azy fatratra ianao.+ 15  Fa tsy tezitra taminao izy ary tsy nanasazy anao,Na nanamarika hoe maimaika loatra ianao.+ 16  Misoka-bava hiteniteny foana i Joba;Miteniteny be izy, nefa tsy mahalala na inona na inona akory.”+

Fanamarihana

Azo inoana hoe Andriamanitra.
Abt: “sandrin’ny.”
Na: “ny lainga.”