Joba 36:1-33

36  Ary hoy koa i Eliho:   “Mahareta kely amiko, dia hambarako aminaoFa mbola misy teny holazaiko hiarovana an’Andriamanitra.   Avy amin-javatra maro be no hakako ny fahalalako,Ka hambarako fa an’ilay Mpanao ahy ny fahamarinana.+   Ary tsy lainga tsy akory ny teniko.Ilay tapitr’ohatra amin’ny fahalalana,+ dia eo anatrehanao.   Mahery+ Andriamanitra, ary tsy hanilikilika ny olona izy.Faran’izay mahira-tsaina koa izy.   Tsy hotsimbininy ny ain’ny ratsy fanahy,+Fa ny ory kosa homeny rariny.+   Tsy hampiala ny masony amin’ny olo-marina izy.+Ary ny mpanjaka eo amin’ny seza fiandrianana+Dia hapetrany eo mandrakizay, ka hisandratra.   Raha misy gadra vy ny tongotry ny olona,+Dia voafatotry ny fahoriana izy ireo.   Koa holazain’Andriamanitra amin’izy ireo ny ataon’izy ireoSy ny helony, satria manambony tena izy ireo. 10  Ary hampahafantariny azy ny fananarana,+Ka holazainy fa tokony hiala amin’ny ratsy izy.+ 11  Raha mankatò sy manompo izy,Dia hiafara amin’ny zava-tsoa ny androm-piainany,Ary hiafara amin’ny zava-mahafinaritra ny taona iainany.+ 12  Raha tsy mankatò kosa izy, dia ho fatin’ny+ zana-tsipìka,+Ka ho faty tsy manam-pahalalana. 13  Mampitombo ny fahatezeran’Andriamanitra ny mpivadi-pinoana.+Tsy hiantso vonjy izy ireo satria nogejainy. 14  Ho faty tanora izy ireo,*+Ary hiala aina eo anivon’ireo lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly.+ 15  Hamonjy ny ory ao anatin’ny fahoriana Izy,Ary hanao izay hihainoan’izy ireo azy ao anatin’ny fijaliana. 16  Hampiala anao eo am-bavan’ny fahoriana izy.+Toerana malalaka+ fa tsy tery no ho solon’izany,Ary ho maro sady ho tsara indrindra ny fampiononana eo an-databatrao.+ 17  Be dia be ny fanamelohana ny ratsy fanahy,+ ho hitanao.Ary hifanohana ny didim-pitsarana sy ny rariny. 18  Mitandrema sao hitehaka haneso ianao noho ny fahatezerana,+Ary aoka tsy hampivily lalana anao ny vidim-panavotana+ be dia be. 19  Hisy heriny ve ny antso vonjy ataonao?+ Tsia, fa na ao anatin’ny fahoriana aza,Dia tsy hisy vokany ny ezaka mafy rehetra ataonao.+ 20  Aza maniry ny hahatongavan’ny alina,Izay fotoana hialan’ny olona eo amin’izay misy azy, ka hodiany. 21  Tandremo sao mivily any amin’ny ratsy,+Satria naleonao izany toy izay fampahoriana.+ 22  Mampiasa ny heriny amim-boninahitra Andriamanitra.Iza no mpampianatra tahaka azy? 23  Iza no nanao ampamoaka azy noho izay nataony?+Ary iza no sahy nilaza taminy hoe: ‘Nanao ny tsy rariny ianao’?+ 24  Tsarovy fa tokony hankalazainao ny asany,+Izay nataon’ny olona hira.+ 25  Nibanjina an’izany ny olombelona rehetra,Ary mitazana avy eny lavitra eny ny olombelona mety maty.+ 26  Tsy takatry ny saintsika ny fisandratan’Andriamanitra,+Ary tsy hita isa ny taonany.+ 27  Ampiakariny ireo piti-drano,+Ary mirotsaka ho orana sy zavona ireny. 28  Koa mitete ny rahona,+Ka mifafy be dia be amin’ny olombelona. 29  Iza no mahafantatra ny fivelaran’ny rahona,Sy ny kotroka avy amin’ny trano rantsankazon’Andriamanitra?+ 30  Novelariny teo ambonin’izany ny hazavany,+Ary norakofany ny fanambanin’ny ranomasina. 31  Ireny no entin’Andriamanitra miady ho an’ny olona, any amin’ny fitsarana.+Ary manome sakafo be dia be izy.+ 32  Akombony ao anaty tanany ny tselatraKa baikoiny hamelezana mpanafika.+ 33  Milaza ny momba Azy ny fikotrokotrony,+Ary milaza ny momba ilay efa tamy, ny biby fiompy.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.