Joba 37:1-24

  • Hita amin’ny herin’ny natiora fa tena miavaka Andriamanitra (1-24)

    • Azony atsahatra ny asa ataon’ny olona (7)

    • ‘Diniho ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra’ (14)

    • Tsy takatry ny sain’ny olona ny momba an’Andriamanitra (23)

    • Tsy tokony hisy olona hihevi-tena ho hendry (24)

37  “Koa midobodoboka be ny foko,Sady mitepotepo mitady hiala amin’ny toerany.  2  Henoy tsara ny feony* miraondraona,Sy ny kotroka avoakan’ny vavany.  3  Alefany ho etỳ ambanin’ny lanitra rehetra izany,Ary ataony tonga hatrany amin’ny faran’ny tany ny tselatra.+  4  Misy feo mirohondrohona aorian’izany;Mampikotrokotroka ny feony matanjaka be izy,+Ka tsy sakanany ny tselatra rehefa heno izany feony izany.  5  Mampikotrokotroka ny feony+ amin’ny fomba mahatalanjona Andriamanitra;Manao zavatra miavaka tsy takatry ny saintsika izy.+  6  Fa hoy izy amin’ny lanezy: ‘Milatsaha eny ambonin’ny tany,’+ Ary hoy izy amin’ny oram-be mivatravatra: ‘Manaova be fiavy.’+  7  Atsahatr’Andriamanitra ny asa rehetra ataon’ny olona,*Mba ho fantatry ny olombelona rehetra mety maty ny asany.  8  Miditra ao anaty lavaka fonenany ny bibidia,Ary mijanona ao amin’ny toerana ipetrahany.  9  Mitsoka avy any amin’ny efitrano misy azy ny tafio-drivotra,+Ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.+ 10  Ny fofonain’Andriamanitra no mampisy ny ranomandry,+Ka mivaingana ny rano midadasika.+ 11  Vesarany hamandoana ny rahona;Aparitany eny amin’ny rahona ny tselatra;+ 12  Mihodinkodina eny amin’izay asainy aleha ireny;Tanterahin’ireny daholo izay asainy atao+ etỳ ambonin’ny tany misy mponina.* 13  Mampiasa an’ireny izy rehefa manasazy+ na mandena ny tany,Na rehefa maneho fitiavana sy tsy fivadihana.+ 14  Henoy izao, ry Joba,Dia miatoa kely ary diniho tsara ny zavatra mahatalanjona nataon’Andriamanitra:+ 15  Fantatrao ve hoe ahoana no ifehezan’Andriamanitra* ny rahona,Ary ahoana no ataony mba hahatonga ny tselatra hanazava eny amin’ny rahona? 16  Fantatrao ve hoe ahoana no mahatonga ny rahona hihevaheva?+ Zavatra mahatalanjona nataon’Ilay fara tampony amin’ny fahalalana+ izany rehetra izany. 17  Nahoana no lasa mafana ny akanjonaoRehefa mangina ny tany noho ny rivotra avy any atsimo?+ 18  Ianao angaha afaka manampy azy hamelatra* ny lanitra,+Izay mafy toy ny fitaratra vita amin’ny metaly? 19  Teneno anay izay tokony holazainay aminy;Tsy mahita havaly izahay satria ao anaty haizina. 20  Tokony holazaina aminy ve fa te hiteny aho? Sa nisy nilaza zavatra tokony horesahina aminy?+ 21  Tsy hitan’ny olona hatramin’ny hazavana,*Na dia mamiratra eny amin’ny lanitra aza izany,Raha tsy efa misy rivotra mandalo ka mampisava ny rahona. 22  Avy any avaratra no iavian’ny taratra mivolombolamena;Faran’izay mahavariana ny voninahitr’Andriamanitra.+ 23  Tsy takatry ny saintsika ny momba an’ilay Mahery Indrindra;+Tena mahery izy,+Tsy mba mamadika ny rariny mihitsy izy+ sady tena tia manao ny marina foana.+ 24  Koa tokony hatahotra azy ny olona,+ Satria tsy mankasitraka an’izay mihevi-tena ho hendry*+ izy.”

Fanamarihana

Izany hoe ny feon’Andriamanitra.
Abt: “Asiany tombo-kase ny tanan’ny olona rehetra.”
Na: “tany lonaka etỳ an-tany.”
Na: “ibaikoan’Andriamanitra.”
Na: “hively.”
Izany hoe ny hazavan’ny masoandro.
Abt: “manana fo hendry.”