Joba 38:1-41

  • Nasehon’i Jehovah hoe tena kely ny olombelona (1-41)

    • ‘Taiza ianao tamin’ny noforonina ny tany?’ (4-6)

    • Nihoby ny zanak’Andriamanitra (7)

    • Fanontaniana momba ny natiora (8-32)

    • “Lalàna mifehy ny lanitra” (33)

38  Dia namaly an’i Joba avy tao anaty tafio-drivotra+ i Jehovah, ka niteny hoe:  2  “Iza moa izao manamaizina ny fikasako izao,Ka miresaka zavatra tsy fantany akory?+  3  Miomàna, azafady, ary misehoa ho lehilahy;Hanontany anao aho, ka valio:  4  Taiza àry ianao tamin’izaho nanorina ny tany?+ Lazao ahy, raha mihevi-tena ho mahay ianao.  5  Iza no nametraka ny refiny, raha fantatrao?Ary iza no nanenjana ny tady nandrefesana azy?  6  Tao amin’ny inona no nandatsahana ny fototry ny tany?Ary iza no nametraka ny vato fehizorony,+  7  Rehefa nihorakoraka sy faly ireo kintan’ny maraina,+Ary nihoby daholo ny zanak’Andriamanitra?*+  8  Iza no nanisy varavarana misakana ny ranomasina,+Rehefa nibosesika nivoaka toy ny avy tao an-kibo izy,  9  Rehefa nampitafiako rahona izy,Ary haizim-pito no namonosako* azy, 10  Rehefa nametraka fetra ho azy ahoSady nanisy varavarana sy bara hidiny,+ 11  Ka nilaza hoe: ‘Hatreto ihany no azonao aleha fa tsy mahazo mihoatra,Ary eto no hijanona ny onjanao misamboaravoara’?+ 12  Efa mba nibaiko ny maraina ve ianao hatrizay niainanao,Na nanoro ny mangiran-dratsy hoe aiza no tokony hisy azy,+ 13  Amin’izay izy hihazona ny faran’ny tany,Ka hakopany hiala eo ny ratsy fanahy?+ 14  Miova endrika toy ny tanimanga asiana tombo-kase ny tany,Ary misongadina ny zava-drehetra eo aminy, hoatran’ny soratsoratra amin’ny akanjo. 15  Tsy omena hazavana kosa ny ratsy fanahy,Ary tapaka ny sandriny izay ningainy hamely olona. 16  Efa mba nidina tany amin’ny loharanon’ny ranomasina ve ianao,Sa efa nandehandeha nikaroka ny any anaty rano lalina?+ 17  Efa naseho anao ve ny vavahadin’ny fahafatesana?+Sa efa hitanao ny vavahadin’ny haizina mikitroka?*+ 18  Takatry ny sainao ve hoe midadasika be ny tany?+ Teneno amiko, raha hainao izany rehetra izany. 19  Aiza ny lalana mankany amin’ny fonenan’ny hazavana?+ Ary aiza ny toerana ipetrahan’ny haizina, 20  Mba hitondranao an’ireny any amin’ny faritra misy azy,Sy mba hahafantaranao ny lalana mankany an-tranony? 21  Angaha moa izany efa fantatrao, satria hoe efa teraka ianao tamin’izanySady hoe efa ela niainana?* 22  Efa niditra tao amin’ny trano fitehirizana lanezy+ ve ianao?Sa ianao efa nahita ny trano fitehirizana havandra,+ 23  Izay tehiriziko ho amin’ny fotoam-pahoriana,Ho amin’ny andro anafihana sy iadiana?+ 24  Aiza ny lalana iparitahan’ny hazavana,*Ary avy aiza no manomboka mitsoka etỳ ambonin’ny tany ny rivotra avy any atsinanana?+ 25  Iza no nanao lakandrano ho an’ny tondra-drano,Sy lalana ho an’ny rahon’oram-baratra,+ 26  Mba hampilatsaka orana any amin’ny tany tsy misy olona,Dia any an-tany efitra tsy misy mponina,+ 27  Sy mba hahavonto rano ny tany ngazana ravarava,Ka hampitsimoka ny ahitra?+ 28  Manan-dray ve ny orana?+Sa iza no niteraka ny ranonando?+ 29  Kibon’iza no nivoahan’ny ranomandry?Ary iza no niteraka ny lanezy manify avy any an-danitra+ 30  Rehefa toy ny hoe saron’ny vato ny rano,Ary mivaingana ny fanambonin’ny rano lalina?+ 31  Mahafatotra ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha* ve ianao,Na mahavaha ny tadin’ny antokon-kintana Kesila?*+ 32  Vitanao ve ny mamoaka antokon-kintana* amin’ny fotoanany,Na mitarika ny antokon-kintana Asha* sy ny zanany? 33  Fantatrao ve ny lalàna mifehy ny lanitra,+Ary vitanao ve ny manery ny tany hanaraka an’izany?* 34  Mahavita manandratra ny feonao hatreny amin’ny rahona ve ianao,Mba hampisy tondra-drano hanafotra anao?+ 35  Mahay mandefa tselatra ve ianao? Ho tonga ve izy ireo ka hiteny aminao hoe: ‘Ireto izahay!’? 36  Iza no nametraka fahendrena tao amin’ny rahona,*+Na nanome fahiratan-tsaina ny zava-mahagaga eny amin’ny lanitra?*+ 37  Iza no hendry ka mahavita manisa ny rahona,Na mahavita mampitongilana ny sinin-dranon’ny lanitra,+ 38  Rehefa mitambatra ny vovoka ka lasa fotaka mikoriana,Ary mitambatambatra ny baingan-tany? 39  Mahavita mihaza ho an’ny liona ve ianao,Na manao izay hahavoky liona tanora mirangorango,+ 40  Rehefa mamitsaka eo amin’ny toerana ipetrahany izy,Na miafina ao amin’ny lavaka fonenany mba hanafika? 41  Iza no manomana sakafo ho an’ny goaika,+Rehefa miantso vonjy amin’Andriamanitra ny zanany,Ka mirenireny fa tsy manan-kohanina?

Fanamarihana

Fomba niantsoan’ny Hebreo an’ireo anjely zanak’Andriamanitra.
Na: “lamban-jaza namonosako.”
Na: “aloky ny fahafatesana.”
Na: “efa maro ny andronao?”
Na mety hoe “tselatra.”
Mety ho Ikotokelimiadilaona na ireo kintana Pléiades ao amin’ny antokon-kintana Taureau (Ombilahy).
Mety ho ny Telonohorefy na ny antokon-kintana Orion.
Abt: “ny Mazarota.” Ny teny iray tarika aminy izay milaza maro, ao amin’ny 2Mp 23:5, dia manondro an’ireo antokon-kintana fijerena tononandro.
Mety ho ny antokon-kintana Orsa Lehibe.
Na mety hoe “hanaiky ny fahefan’Andriamanitra?”
Na mety hoe “olona.”
Na mety hoe “nanome fahiratan-tsaina ny saina.”