Joba 39:1-30

  • Hita amin’ny namoronana ny biby hoe betsaka ny zavatra tsy hain’ny olona (1-30)

    • Osidia mpianika tendrombohitra sy serfa (1-4)

    • Ampondradia (5-8)

    • Ombidia (9-12)

    • Aotirisy (13-18)

    • Soavaly (19-25)

    • Hitsikitsika lehibe sy voromahery (26-30)

39  “Fantatrao ve ny fotoana fiterahan’ny osidia mpianika tendrombohitra?+ Efa nahita serfa niteraka ny zanany+ ve ianao?  2  Voaisanao ve hoe firy volana izy ireny no mitondra vohoka? Fantatrao ve ny fotoana fiterahany?  3  Mipetraka ambany izy ireny rehefa miteraka an’ireo zanany,Ary mifarana hatreo ny fanaintainany.  4  Mihamatanjaka sy mihalehibe eny an-tsaha ny zanak’izy ireny;Lasa izy ireo, ka tsy miverina eo aminy intsony.  5  Iza no nandefa ny ampondradia hikarenjy,+Ary iza no namaha ny tadin’ny ampondradia?  6  Efa nomeko ho tranony ny lemaka karakaina,Ary ho toeram-ponenany ny tanin-tsira.  7  Ihomehezany fotsiny ny tabataba ao an-tanàna,Ary tsy henony ny antsoantson’ny mpandroaka biby.  8  Mitety an’ireo havoana izy mitady vilona,Mitady an’ity karazan-java-maitso rehetra ity.  9  Hanaiky hanompo anao ve ny ombidia?+ Hatory ao am-pahitra* ao aminao ve izy? 10  Hahatazona ombidia amin’ny tady mba hanao vava asa ve ianao,Na hanaraka anao mba hiasa tany* eny an-dohasaha ve izy? 11  Hatoky ny herin’ny tanjany ve ianao,Ka havelanao hamita ny asa mafy ataonao izy? 12  Izy ve no hianteheranao hampiditra ny vokatrao,*Sy hanangona an’izany ho eo amin’ny famoloanao? 13  Faly mikopakopaka elatra ny aotirisy,Nefa afaka mifampitaha amin’ny an’ny vanobe ve ny volon’elany sy ny volony?+ 14  Fa ilaozany eo amin’ny tany ny atodiny,Ary hafanainy ao anaty vovoka izany. 15  Hadinony hoe mety hisy tongotra hanosihosy an’ireny,Na bibidia hanitsakitsaka an’ireny. 16  Masiaka amin-janany izy, toy ny hoe tsy zanany ireny;+Tsy mampaninona azy na dia mety ho very maina aza izay nisasarany. 17  Fa nesorin’Andriamanitra taminy* ny fahendrena,Ary tsy nataony mahira-tsaina izy. 18  Rehefa mitsangana sy manakopakopaka elatra anefa izy,Dia ihomehezany fotsiny ny soavaly sy ny mpitaingina azy. 19  Ianao ve no manome hery ny soavaly,+ Sy manarona ny hatony amin’ny volo mihofahofa? 20  Mahay mampitsambikina azy toy ny valala ve ianao? Mampihoron-koditra ny maheno azy miefonefona be.+ 21  Mampikatrokatroka ny kitrony amin’ny tany, eny amin’ny lohasaha, izy ary mientanentana erỳ noho ny heriny;+Mandroso hiatrika ady* izy.+ 22  Ihomehezany fotsiny ny tahotra, ary tsy misy na inona na inona atahorany.+ Tsy mitsoaka izy manoloana ny sabatra. 23  Midona aminy ny tranon-jana-tsipìka ka mikorintsana,Ary manjelanjelatra ny lefona sy ny lefom-pohy. 24  Mientanentana be izy, ka miriotra mafy mandroso,*Tsy mahatombina* izy rehefa mahare feon’anjombona. 25  Vonona avy hatrany izy ka mikiakiaka, rehefa maneno ny anjombona. Raha mbola lavitra izy dia mandre ny fofon’adySy ny horakoraky ny mpitari-tafika ary ny hiakan’ady.+ 26  Ny fahiratan-tsainao ve no mahatonga ny hitsikitsika lehibe hisidina avo,Ka mamelatra ny elany mianatsimo? 27  Sa ny baiko omenao no mahatonga ny voromahery hanidina ambony,+Sy hanorina ny akaniny eny amin’ny avo?+ 28  Matory eny amin’ny harambato izy,Ary manorim-ponenana eny amin’ny toerana azo antoka, eny amin’ny vatolampy.* 29  Avy eny izy no mitady sakafo;+Mahatazan-davitra ny masony. 30  Mitsentsitra ra ny zanany;Ary na aiza na aiza misy faty, dia any izy.”+

Fanamarihana

Na: “ao amin’ny fihinanam-bilona.”
Na: “hamaky bainga.”
Abt: “voa.”
Abt: “nataon’Andriamanitra hadinony.”
Abt: “Mivoaka hisetra fitaovam-piadiana.”
Abt: “mitelina ny tany.”
Na mety hoe “Tsy mino.”
Abt: “eny amin’ny nifin’ny vatolampy.”