Joba 4:1-21

  • Ny teny voalohany nataon’i Elifaza (1-21)

    • Naneso hoe tsy olo-marina i Joba (7, 8)

    • Nitantara an’izay notenenin’ny fanahy iray (12-17)

    • ‘Tsy matoky ny mpanompony Andriamanitra’ (18)

4  Dia namaly i Elifaza+ Temanita hoe:  2  “Handreraka be anao ve raha mba misy te hiresaka aminao? Fa iza moa no mahafehy ny vavany tsy hiteny?  3  Marina fa efa nanitsy olona maro ianao,Ary efa zatra nanatanjaka an’ireo miraviravy tanana.  4  Ny teninao no nanarina an’izay saika lavo,Ary nohatanjahinao ny lohalika mangozohozo.  5  Ianao anefa izao no tratran’izany, dia tsy hitanao izay hatao;*Mihatra aminao izany, dia kivy ianao.  6  Tsy manome toky anao angaha ny fanajanao an’Andriamanitra, Ary tsy manome fanantenana anao angaha ny tsy fivadihanao?+  7  Mba tadidio kely hoe iza moa no tsy nanan-tsiny nefa maty? Oviana no mba nisy olo-marina naringana?  8  Raha ny efa hitako, dia izay mamboly* zava-dratsySy izay mamafy fahoriana no hijinja an’izany.  9  Ny fofonain’Andriamanitra no maharipaka an’ireny,Ary ny fipoahan’ny fahatezerany no mahafaty an’ireny. 10  Mierona ny liona, ary mierona moramora ny liona tanora,Nefa na ny nifin’ny liona matanjaka* aza tapaka ihany. 11  Maty ny liona raha tsy misy biby hazaina,Ary miparitaka ny zana-diona. 12  Nisy teny nolazaina tamiko mangingina,Ary reko nobitsibitsihina tamiko izany. 13  Tamin’izaho nikorontan-tsaina nandritra an’ireo fahitana hitako tamin’ny alina,Rehefa iny renoky ny torimaso iny ny olona, 14  Dia nangovitra be aho,Ka nihorohoro ny taolako rehetra. 15  Nisy fanahy nandalo teo anatrehako,Ka nitsangam-bolo aho. 16  Dia nijanona izy,Nefa tsy fantatro ny endriny. Nisy zavatra teo anoloan’ny masoko;Ary nisy fahanginana, dia avy eo aho nandre feo niteny hoe: 17  ‘Mety ho marina kokoa noho Andriamanitra ve ny olombelona mety maty? Mety hadio kokoa noho ny Mpanao azy ve ny olona?’ 18  Jereo fa ny mpanompony aza tsy atokisany,Ary ny anjeliny* aza hitany hoe misy tsininy, 19  Mainka fa ireo mipetraka ao amin’ny trano tanimanga,Izay miorina eo amin’ny vovoka,+Ka mora torotoroina toy ny bibikely!* 20  Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny,Maty mandrakizay izy nefa tsy misy miraharaha. 21  Tsy hoatran’ny tranolay efa tsy misy tady mitazona azy intsony ve izy ireny? Maty tsy nanam-pahendrena izy ireny.

Fanamarihana

Abt: “dia rera-tsaina ianao.”
Na: “mitetika.”
Na: “liona tanora.”
Na: “irany.”
Abt: “samoina”, any Israely. Bibikely manana elatra, mitovitovy amin’ny lolo.