Joba 40:1-24

  • Fanontaniana hafa avy amin’i Jehovah (1-24)

    • Niaiky i Joba hoe tsy manan-kavaly (3-5)

    • ‘Hisalasala ve ianao hoe manao ny rariny aho?’ (8)

    • Miresaka momba ny tanjaky ny Behemota Andriamanitra (15-24)

40  Mbola namaly an’i Joba ihany i Jehovah hoe:  2  “Tokony hisy mpanakiana hifandahatra amin’ilay Mahery Indrindra ve?+ Aoka hamaly ilay te hananatra an’Andriamanitra.”+ 3  Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:  4  “Tsinontsinona aho,+ Ka inona no azoko avaly anao? Tampenako ny vavako.+  5  Efa niteny indray mandeha aho, nefa tsy hamaly intsony,Indroa mihitsy aza, nefa tsy hiteny intsony.” 6  Dia namaly an’i Joba avy tao anaty tafio-drivotra+ i Jehovah, ka niteny hoe:  7  “Miomàna, azafady, ary misehoa ho lehilahy;Hanontany anao aho, ka valio:+  8  Hisalasala ve ianao* hoe manao ny rariny tokoa aho? Homelohinao ve aho mba hahamarina anao?+  9  Matanjaka toy ny sandrin’ilay tena Andriamanitra ve ny anao,+Sa mahavita mampikotrokotroka ny feonao ho tahaka ny azy ianao?+ 10  Aoka ianao, azafady, hiravaka voninahitra sy fahalehibeazana;Mitafia haja amam-boninahitra. 11  Avoahy daholo ny fahatezeranao;Jereo izay rehetra manambony tena ka ataovy lasa ambany. 12  Jereo izay manambony tena ka ataovy izay hahafa-baraka azy,Ary hitsakitsaho eo amin’izay misy azy ny ratsy fanahy. 13  Asitriho ao amin’ny vovoka izy rehetra;Afatory ao amin’ny toerana miafina izy ireo,* 14  Dia izaho mihitsy no hiaiky* amin’izayHoe mahavonjy anao ny tananao havanana. 15  Jereo ny Behemota,* fa samy nataoko na izy na ianao. Mihinana ahitra hoatran’ny omby izy. 16  Jereo fa matanjaka be ny tehezanyAry mafy be ny hoza-kibony! 17  Henjaniny ny rambony ka hoatran’ny hazo sedera;Mifampidipiditra ny hoza-peny. 18  Toy ny fantsona varahina ny taolany,Ary toy ny bara vy ny rantsambatany. 19  Anisan’ny voalohany amin’ny* asan’Andriamanitra izy;Ny Mpanao azy ihany no mahavita manatona azy mba hamely azy amin’ny sabatra. 20  Mamokatra sakafo hohaniny ny tendrombohitra,Eny amin’izay ilalaovan’ny bibidia rehetra. 21  Matory eny ambany kirihitra feno tsilo* izy,Eny ambany alokaloky ny bararata eny amin’ny honahona. 22  Manalokaloka azy ny kirihitra feno tsilo,*Ary manodidina azy ny hazo aravaha eny amin’ny lohasaha.* 23  Tsy matahotra izy, na dia mahery be aza ny renirano. Matoky tena izy, na dia mitosaka mankeo am-bavany aza ny Reniranon’i Jordana.+ 24  Misy mahasambotra azy ve raha mbola mailomailo izy,Sa misy mahavita mandoaka ny orony amin’ny faraingo?*

Fanamarihana

Na: “Holavinao ve.”
Abt: “ny tarehin’izy ireo.”
Na: “hidera anao.”
Mety hoe hipopotama.
Abt: “Fiandohan’ny.”
Hazo Zizyphus lotus no tiana holazaina amin’ny teny hebreo.
Hazo Zizyphus lotus no tiana holazaina amin’ny teny hebreo.
Na: “lalan-driaka.”
Abt: “fandrika.”