Joba 41:1-34

41  “Mahasarika ny voaibe*+ amin’ny lelam-pintana ve ianao,Sa mahafatotra ny lelany amin’ny tady?   Mahavita manisy harefo eo amin’ny vavorony ve ianao,+Na managorobaka ny valanoranony amin’ny tsilo?   Hitalaho foana aminao ve izy,Sa hanao teny malefaka aminao?   Hanao fifanekena aminao ve izy,Mba hataonao ho mpanompo mandritra ny fotoana tsy voafetra?   Hilalao azy tahaka ny filalao vorona ve ianao,Sa hamatotra azy ho an’ny zanakao vavikely?   Hanao azy ho takalo ve ny mpinamana?Ary hifampizara azy ve ny mpivarotra?   Ho vitanao ve ny hanatsatoka vy maranitra+ be dia be eny amin’ny hodiny,Na ny hanatrobaka ny lohany amin’ny lefona fihazana trondro?   Ataovy mikasika azy ange ny tananao e!Dia tsarovy ilay ady, ary aza mamerina intsony.   Ho diso fanantenana izay mikasa hisambotra azy.Ary ny fahitana azy fotsiny dia efa mampikarapoka. 10  Izy aza tsy sahin’olona tairina,Koa iza no hahajanona eo anoloako?+ 11  Iza no nanome ahy aloha, ka tsy maintsy homeko valisoa koa avy eo?+Fa ahy avokoa ny zava-drehetra eny ambanin’ny lanitra.+ 12  Tsy hangina aho fa hilaza ny amin’ny rantsambatany,Sy ny heriny ary ny hakanton’ny bikany. 13  Iza no mahaisotra ny fitafiany?Iza no ho sahy hiditra eo anelanelan’ny valanoranony roa? 14  Iza no nahasokatra ny valanoranony?Mampihoron-koditra ny nifiny manodidina. 15  Ny soritry ny kirany no reharehany,Fa mihidy toy ny nasiana tombo-kase miraikitra mafy ireny. 16  Mifanindry tsara ireny,Ka tsy tafiditry ny rivotra eny anelanelany. 17  Mifampiraikitra tsara ireny,Ary mifamikitra ka tsy voasaraka. 18  Vao mievina izy dia mampitselatra hazavana,Ary ny masony dia toy ny taratry ny maraina. 19  Misy tselatra mivoaka avy amin’ny vavany,Eny, misy tselatr’afo mipitipitika. 20  Misy setroka mivoaka avy amin’ny vavorony,Toy ny avy amin’ny fatana narehitra tamin’ny harefo. 21  Mampiredareda vainafo izy,*Ary misy lelafo mivoaka avy amin’ny vavany. 22  Eo amin’ny vozony ny heriny,Ary mihorohoro izay eo anoloany. 23  Mifampiraikitra ny nofony mivalombalona,Toy ny hoe metaly narendrika ka nararaka teo aminy, ary tsy voahetsika intsony. 24  Natao mafy toy ny vato ny fony,Eny, mafy toy ny tapany ambany amin’ny vato fikosoham-bary. 25  Vao mitsangana izy dia raiki-tahotra ny mahery,+Ary mivalaketraka ireny ka very hevitra. 26  Tsy mahalaitra azy ny sabatra raha mahavoa azy,Ary toy izany koa ny lefona sy ny zana-tsipìka kely ary ny lohan-jana-tsipìka.+ 27  Aminy dia toy ny mololo ny vy,+Ary toy ny hazo lo ny varahina. 28  Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka.Ary toy ny mololo ny vatom-pilotra+ atoraka aminy. 29  Aminy dia toy ny mololo ny kibay,+Ary ihomehezany fotsiny ny feon’ny lefom-pohy ahetsiketsika. 30  Ny kibony dia maranitra toy ny vakim-bilany tany,Ary toy ny hoe mamelatra fitaovana fanosihosena varimbazaha+ eo ambony fotaka izy. 31  Ataony mangotrakotraka toy ny ao am-bilany ny rano lalina,Ary ny ranomasina dia ataony mandroadroatra toy ny ao anaty vilany fanaovana menaka fanosorana. 32  Mamirapiratra ny lalana andalovany,Ary toy ny volo fotsy ny fahitana ny rano lalina. 33  Tsy misy toa azy eny ambonin’ny tany,Fa natao tsy hanan-tahotra izy. 34  Hitany avokoa izay ambony,Ary mpanjakan’ny bibidia lehibe rehetra izy.”

Fanamarihana

Heb.: Leviatana.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.