Joba 42:1-17

  • Valiny nomen’i Joba an’i Jehovah (1-6)

  • Nomelohina izy telo lahy (7-9)

  • Naverin’i Jehovah tamin’i Joba izay nafoiny (10-17)

    • Zanakalahy sy zanakavavin’i Joba (13-15)

42  Dia namaly an’i Jehovah i Joba hoe:  2  “Fantatro izao fa mahay manao ny zava-drehetra ianao,Ary tsy misy tsy vitanao izay rehetra eritreretinao hatao.+  3  Niteny ianao hoe: ‘Iza moa izao manamaizina ny fikasako izao, nefa tsy mahafantatra na inona na inona akory?’+ Koa niteny aho, nefa tsy takatry ny saiko akoryIreo zavatra mahagaga ahy loatra, izay tsy fantatro.+  4  Nilaza koa ianao hoe: ‘Mihainoa, azafady, fa hiteny aho. Hanontany anao aho, ka valio.’+  5  Efa naheno momba anao aho,Fa izao kosa dia ny masoko mihitsy no mahita anao.  6  Noho izany dia tsoahako ny teniko,+Ary mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho.”+ 7  Rehefa tapitra ny tenin’i Jehovah tamin’i Joba, dia hoy i Jehovah tamin’i Elifaza Temanita: “Tezitra be aminao sy ny namanao roa lahy aho,+ satria tsy nilaza ny marina momba ahy+ ianareo, tsy mba hoatran’i Joba mpanompoko. 8  Koa makà ombilahy fito sy ondrilahy fito, ka mankanesa any amin’i Joba mpanompoko, ary manolora fanatitra dorana noho ny fahotanareo. Dia hivavaka ho anareo+ i Joba mpanompoko. Hohenoiko tokoa ilay fangatahany* hoe mba tsy hovaliako araka ny hadalanareo ianareo. Tsy nilaza ny marina momba ahy mantsy ianareo, tsy mba hoatran’i Joba mpanompoko.” 9  Koa lasa i Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita nanao an’izay nasain’i Jehovah nataon’izy ireo. Dia nohenoin’i Jehovah ny vavak’i Joba. 10  Nofaranan’i Jehovah ny fahorian’i Joba+ ary nataony lasa nanan-karena indray izy,* rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany.+ Nomen’i Jehovah avo roa heny noho izay nananany taloha+ izy. 11  Ary tonga namangy azy daholo ny rahalahiny sy ny anabaviny ary ny namany taloha,+ dia niara-nisakafo taminy tao an-tranony. Dia niara-niory taminy sy nampionona azy izy ireo, noho ny loza rehetra navelan’i Jehovah hanjo azy. Ary samy nanome azy kesita* sy kavina volamena izy ireo. 12  Koa notahin’i Jehovah ireo taona faramparany niainan’i Joba, mihoatra noho ny tamin’ny voalohany.+ Dia nanjary nanana ondry 14 000, sy rameva 6 000, sy omby 2 000* ary ampondravavy 1 000 izy.+ 13  Ary lasa nanana zanakalahy fito sy zanakavavy telo hafa koa izy.+ 14  Dia nataony hoe Jemima ny anaran’ny zanany vavy voalohany, Kezia ny faharoa, ary Kerena-hapoka ny fahatelo. 15  Tsy nisy vehivavy tsara tarehy hoatran’ny zanakavavin’i Joba tao amin’ilay tany manontolo. Ary nomen-drainy lova niaraka tamin’ny anadahiny izy ireo. 16  Taorian’izany, dia mbola velona 140 taona i Joba ka nahita ny zanany sy ny zafikeliny, hatramin’ny taranaka fahefatra. 17  Dia maty i Joba rehefa ela niainana sy afa-po.*

Fanamarihana

Abt: “Hampitraka ny tarehiny tokoa aho.”
Abt: “Nataon’i Jehovah niverin-dalana ny fahababoan’i Joba.”
Vola taloha izay tsy fantatra ny sandany.
Nampiarahina tsiroaroa.
Abt: “antitra sy voky andro.”