Joba 5:1-27

  • Tohin’ny tenin’i Elifaza (1-27)

    • ‘Fandrihan’Andriamanitra amin’ny hafetseny ny hendry’ (13)

    • ‘Tsy tokony handa ny famaizan’Andriamanitra i Joba’ (17)

5  “Miantsoa ange e! Hisy hamaly anao ve? Iza amin’ny anjely* no hitadiavanao vonjy?  2  Fa ny fahasosorana no hahafaty ny adala,Ary ny fialonana no hamono ny kely saina.  3  Hitako fa tafita ny adala,Saingy nisy nanozona tampoka ny fonenany.  4  Tsy voaro ny zanany,Sady torotoro eo am-bavahadin’ny tanàna+ nefa tsy misy mamonjy.  5  Lanin’ny olona noana izay jinjain’ny adala,Ka alainy hatramin’izay any anaty tsilo,Ary voafandrika ny fananan’izy ireo.  6  Fa tsy hitsimoka avy amin’ny vovoka ny zavatra manimba,Ary tsy haniry avy amin’ny tany ny fahoriana.  7  Fa nateraka hijaly ny olona,Toy ny pitik’afo tsy maintsy misidina ambony.  8  Fa raha izaho ianao dia Andriamanitra no hangatahako fanampiana,Ary Andriamanitra no hasaiko mitsara ny adiko,  9  Dia Ilay manao zavatra lehibe tsy takatry ny saina,Sy zava-mahagaga tsy hita isa. 10  Mandatsaka orana ho an’ny tany izyAry mandefa rano eny an-tsaha. 11  Asandrany ho eo amin’ny avo ny olona ambany,Ary asandrany hahazo famonjena ny kivy. 12  Ataony tsy tanteraka ny tetiky ny olona fetsy ratsy,Ka tsy mahomby izay ataon’ny tanan’izy ireo. 13  Ny hafetsen’ny hendry ihany no amandrihany azy,+Ka rava ny tetiky ny fetsifetsy. 14  Tratry ny haizina izy ireny amin’ny antoandro,Ary mitsapatsapa izy ireo rehefa mitataovovonana, toy ny hoe alina ny andro. 15  Mamonjy ny olona tsy ho azon’ny sabatra mivoaka amin’ny vavan’ireny izy.Mamonjy ny mahantra tsy ho azon’ny tanan’ny mahery izy, 16  Ka lasa manana fanantenana ny madinika,Fa mikombona kosa ny vavan’ny olona tsy marina. 17  Sambatra ny olona anarin’Andriamanitra,Ka aza lavina ny famaizan’ilay Mahery Indrindra! 18  Fa izy no mahatonga fanaintainana, nefa izy koa no mamehy ny ratra;Izy no mamotika, nefa ny tanany ihany no manasitrana. 19  Hamonjy anao tsy ho azon’ny loza enina izy,Ary na dia ny loza fahafito aza tsy hahavoa anao. 20  Hanavotra anao tsy ho faty izy rehefa misy mosary,Ary hanavotra anao tsy hiharan’ny herin’ny sabatra, mandritra ny ady. 21  Ho voaro tsy ho voan’ny karavasin’ny lela+ ianao,Ary tsy hatahotra rehefa tonga ny fandravana. 22  Hihomehezanao fotsiny ny fandringanana sy ny hanoanana,Ary tsy hatahoranao ny bibidia etỳ an-tany. 23  Fa tsy haninona anao* ny vato any an-tsaha,Ary hihavana aminao ny bibidia any an-tsaha. 24  Dia ho hitanao fa azo antoka* ny tranolainao,Ary tsy misy na inona na inona very ao amin’ny kijananao, rehefa tonga hijery azy io ianao. 25  Hanan-janaka maro ianao,Ary ho be dia be hoatran’ny zavamaniry amin’ny tany ny taranakao. 26  Rehefa ho any am-pasana ianao dia mbola hatanjaka,Hoatran’ny salohim-bary jinjaina amin’ny fotoanany. 27  Namotopototra an’izany izahay ka izay no hitanay. Henoy izany, ary ekeo.”

Fanamarihana

Abt: “masina.”
Na: “Fa hanao fifanekena (fifanarahana) aminao.”
Abt: “fiadanana.”