Joba 7:1-21

  • Tohin’ny valin-tenin’i Joba (1-21)

    • Hoatran’ny asa an-terivozona ny fiainana (1, 2)

    • “Fa maninona no izaho no kendrenao?” (20)

7  “Tsy hoatran’ny asa an-terivozona ve ny fiainan’ny olombelona eto an-tany?Ary tsy toy ny andron’ny mpikarama ve ny androny?+  2  Toy ny mpanompo maniry mafy hahazo alokaloka izy,Ary toy ny mpikarama miandry ny karamany.+  3  Koa volana maro tsy misy dikany no nomena ho anjarako,Ary alina feno fahoriana no natokana ho ahy.+  4  Rehefa matory aho, dia mieritreritra hoe: ‘Rahoviana re aho no hifoha e?’+ Hoatran’ny tsy mety tapitra anefa ny alina, ka sasatry ny mivadibadika aho mandra-pahangiran-dratsin’ny andro.  5  Rakotra olitra sy vovoka mivaingambaingana ny nofoko.+Feno takopery sy nana ny hoditro.+  6  Mandeha haingana noho ny famahanana tenona ny androko,+Ary lany tsy misy fanantenana.+  7  Tsarovy fa miserana toy ny rivotra ny fiainako,+Ary tsy hahita hasambarana* intsony mihitsy ny masoko.  8  Tsy hahita ahy intsony ny mason’izay mijery ahy;Hitady ahy ny masonao, nefa tsy ho eo intsony aho.+  9  Toy ny rahona misava ka manjavona,Dia tsy hiakatra intsony izay midina any amin’ny Fasana.*+ 10  Tsy hiverina any an-tranony intsony izy,Ary tsy hahatadidy azy intsony ny toerana nisy azy.+ 11  Koa tsy hifehy ny vavako aho. Hiteny aho noho ny fahorian-tsaiko;Hitaraina aho fa mangidy loatra ny fiainako!+ 12  Izaho angaha ranomasina sa biby ngezabe any an-dranomasina,No dia ataonao tsara ambina? 13  Rehefa milaza aho hoe: ‘Hampionona ahy ny farafarako;Ary hanamaivana ny fahoriako ny fandrianako’, 14  Dia mampihorohoro ahy amin’ny nofy ianao,Ary mampitahotra ahy amin’ny fahitana. 15  Koa aleoko maty sempotra,Eny, aleoko maty toy izay velona nefa hoatr’izao ny vatako.*+ 16  Maharikoriko ahy ny fiainako.+ Tsy te ho velona intsony aho. Aza helingelenina aho, fa miserana toy ny fofonaina ny androko.+ 17  Inona moa izay olombelona mety maty no horaharahianaoSy hifantohanao?*+ 18  Nahoana ianao no mandinika azy isa-maraina,Ka mitsapa toetra azy tsy an-kiato?+ 19  Mba rahoviana re ianao vao tsy hijery ahySy tsy hanelingelina ahy e, amin’izay aho mba manam-potoana hiteleman-drora?+ 20  Raha nanota aho, inona moa no voka-dratsin’izany aminao, ry Mpandinika ny olombelona?+ Fa maninona no izaho no kendrenao? Lasa enta-mavesatra ho anao angaha aho? 21  Nahoana ianao no tsy mamela ny heloko,Ary tsy manadino ny fahadisoako? Fa efa hatory eo amin’ny vovoka+ aho,Ary hitady ahy ianao, nefa tsy ho eo intsony aho.”

Fanamarihana

Abt: “ny soa.”
Jereo F.T.
Na: “ny taolako.”
Abt: “hampifantohanao ny fonao.”