Joba 8:1-22

  • Ny teny voalohany nataon’i Bildada (1-22)

    • Nanota, hono, ny zanak’i Joba (4)

    • ‘Raha madio ianao, dia ho narovan’Andriamanitra’ (6)

    • Tsy matahotra an’Andriamanitra, hono, i Joba (13)

8  Dia namaly i Bildada+ Sohita+ hoe:  2  “Mandra-pahoviana ianao no hiteniteny hoatr’izany?+ Rediredy* fotsiny ny teny lazain’ny vavanao!  3  Andriamanitra ve dia hamadika ny rariny?Ary ilay Mahery Indrindra ve dia hanao ny tsy marina?  4  Raha nanota taminy ny zanakao,Dia navelany ho voasazy satria nikomy.*  5  Raha mba mitady an’Andriamanitra anefa ianao,+Sady mitalaho famindram-po amin’ilay Mahery Indrindra,  6  Ary raha tena madio sy marina+ ianao,Dia hitsinjo* anao izy,Ka haveriny amin’ny toerana tokony hisy anao ianao.  7  Ary na kely aza no niandohanao,Dia ho lehibe no hiafaranao.+  8  Mba anontanio ange ny olona taloha e,Ary diniho tsara izay efa hitan’ireo razambeny!+  9  Fa vao teraka omaly isika, ka tsy mahalala na inona na inona,Satria toy ny aloka ihany ny androntsika eto an-tany. 10  Tsy hampianatra anao ve izy ireo,Ka hoteneniny anao izay fantany?* 11  Haniry tsara ve ny zozoro raha tsy eny amin’ny honahona? Ary haniry tsara ve ny bararata raha tsy misy rano? 12  Mbola tsy mamelana sy tsy voatapaka akory izy,Dia efa ho maina alohan’ny zavamaniry hafa rehetra. 13  Toy izany no hiafaran’izay* rehetra manadino an’Andriamanitra,Satria ho foana ny fanantenan’izay tsy matahotra azy,* 14  Izay miantehitra amin’ny hazo boboka,*Sy matoky zavatra mora tapaka hoatran’ny tranon-kala. 15  Hiankina amin’ny tranony izy, nefa hianjera izany;Hiezaka hamikitra amin’izany izy, nefa tsy haharitra izany. 16  Toy ny zavamaniry vonton-drano azon’ny hainandro izy,Ary miparitaka ao amin’ny zaridaina ny tsimok’ilay izy.+ 17  Mifamatopatotra eo amin’ny vato be dia be miavosa ny fakany;Mitady fonenana eo amin’ireo vato izy.* 18  Rehefa ongotana* hiala amin’ny toerany anefa izy,Dia handa azy ilay toerana ka hilaza hoe: ‘Mbola tsy nahita anao mihitsy aho.’+ 19  Hoatr’izany no fomba hanjavonany;*+Dia hisy hafa indray hitsimoka avy eo amin’ny vovoka. 20  Tsy harian’Andriamanitra mihitsy anefa ireo tsy mivadika aminy,*Ary tsy hanohana* an’ireo mpanao ratsy izy. 21  Fa mbola hataony feno hehy ny vavanao,Ary hofenoiny horakoraka sy fifaliana ny molotrao. 22  Hitafy henatra ireo mankahala anao,Ary tsy ho eo intsony ny tranolain’ny ratsy fanahy.”

Fanamarihana

Na: “Rivo-mahery.”
Abt: “Dia alefany ho eo an-tanan’ny fikomiany.”
Na: “hifoha hamonjy.”
Abt: “hamoaka teny avy ao am-pony?”
Abt: “Toy izany ny lalan’izay.”
Na: “mpivadi-pinoana.”
Na: “mitoky amin’ny zava-poana.”
Na: “Mijery trano vato izy.”
Na: “atelina.”
Na: “Ho levona toy izany ny fiainany.”
Na: “tsy misy tsiny.”
Abt: “tsy handray ny tanan’ireo.”