Joba 9:1-35

  • Valin-tenin’i Joba (1-35)

    • Tsy afaka miady amin’Andriamanitra ny olombelona mety maty (2-4)

    • ‘Manao zavatra tsy takatry ny saina Andriamanitra’ (10)

    • Tsy misy afaka mifamaly amin’Andriamanitra (32)

9  Dia namaly i Joba hoe: 2  “Fantatro tsara fa izany no izy. Hanana ny rariny ve anefa ny olombelona mety maty raha miady amin’Andriamanitra eo amin’ny fitsarana?+  3  Raha misy olona te hiady hevitra aminy,*+Dia tsy hahavaly ny fanontaniany, na dia fanontaniana iray ao anatin’ny arivo aza.  4  Manana fo hendry izy sady tena mahery.+ Koa iza no hanohitra azy ka ho afa-maina?+  5  Mamindra* tendrombohitra izy nefa tsy misy mahafantatra an’izany.Aongany ireny rehefa tezitra izy.  6  Hozongozoniny hiala amin’ny toerany ny tany, Ka mihovotrovotra ny andrin’ny tany.+  7  Omeny baiko ny masoandro mba tsy hiposaka,Ary takonany ny hazavan’ny kintana;+  8  Mamelatra ny lanitra samirery izy,+Ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina avo be.+  9  Izy no nanao an’ireo antokon-kintana Asha* sy Kesila* ary Kimaha,*+Ary ny antokon-kintana eny amin’ny lanitra atsimo;* 10  Manao zavatra lehibe sady tsy takatry ny saina izy,+Ary manao zava-mahagaga tsy voaisa.+ 11  Mandalo eo akaikiko izy nefa tsy afaka mahita azy aho;Lalovany aho nefa tsy tsikaritro izy. 12  Iza no hahatohitra azy rehefa maka zavatra an-keriny izy? Iza no ho afaka hiteny aminy hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’+ 13  Tsy hifehy ny hatezerany Andriamanitra;+Na ireo mpanampy an-dRahaba*+ aza hiankohoka eo anatrehany. 14  Koa mainka moa fa raha hamaly azy aho!Tsy maintsy fidiko tsara ny teniko mba hahafahako miady hevitra aminy. 15  Tsy hamaly azy aho, na dia manana ny rariny aza.+ Tsy misy azoko atao afa-tsy ny mitalaho famindram-po amin’ny mpitsara ahy.* 16  Hamaly ve izy raha miantso azy aho? Tsy mino aho hoe hihaino ahy izy, 17  Fa mamotika ahy amin’ny tafio-drivotra izy,Ary mampitombo ny feriko tsy amin’antony.+ 18  Tsy avelany haka aina akory aho;Vokisany zava-mangidy foana aho. 19  Raha resaka hery, dia izy no tena matanjaka.+ Raha resaka fanaovana ny rariny, dia hoy izy: ‘Iza no ho sahy hanao ampamoaka* ahy?’ 20  Na manana ny rariny aza aho, dia hilaza ahy ho meloka ihany ny vavako;Na tsy mivadika mihitsy* aza aho, dia hilaza ahy ho meloka* izy. 21  Na tsy mivadika mihitsy* aza aho, dia tsy fantatro hoe inona no hanjo ahy;Tsy ekeko* izao fiainako izao. 22  Mitovy ihany izany. Izany no antony ilazako hoe:‘Samy haringany ihany na ny tsy manan-tsiny* na ny ratsy fanahy.’ 23  Raha misy ranotrambo mahafaty tampoka,Dia hihomehezany ny famoizam-pon’ny tsy manan-tsiny. 24  Natolotra ho an’ny ratsy fanahy ny tany;+Manampina ny mason’ny* mpitsaran’ny tany izy. Raha tsy izy no manao an’izany, dia iza? 25  Mandeha haingana kokoa noho ny mpihazakazaka ny androko;+Lasa mandositra izany, ka tsy mahita zavatra tsara. 26  Misosa tahaka ny lakan-jozoro izany,Hoatran’ny voromahery mifaoka ny hazany. 27  Raha miteny aho hoe: ‘Hanadino ny fitarainako aho,Ary tsy hanjonitra intsony fa ho miramirana,’ 28  Dia mbola hatahotra ihany aho noho ny fanaintainako rehetra,+Ary fantatro fa tsy hihevitra ahy ho tsy manan-tsiny ianao. 29  Ho hita hoe meloka* aho. Koa nahoana aho no handrera-tena fotsiny?+ 30  Na misasa amin’ny rano madio be* aza aho,Ary manasa ny tanako amin’ny savony,*+ 31  Dia halentikao ao anaty lavaka ihany,Ka na ny akanjoko aza hankahala ahy. 32  Fa tsy olombelona tahaka ahy izy ka hoe azoko atao ny hamaly azy,Na hoe hifampitory any amin’ny fitsarana izahay.+ 33  Tsy misy olona afaka manapa-kevitra momba* anay,Ka ho mpitsara anay.* 34  Raha tsy mikapoka ahy intsony izy,*Ary tsy mampihorohoro ahy intsony mba hampitahorana ahy,+ 35  Dia tsy hatahotra ny hiresaka aminy aho,Satria tsy olona matahotra miteny aho.

Fanamarihana

Na: “te hitory Azy any amin’ny fitsarana.”
Na: “Manala.”
Mety ho ny antokon-kintana Orsa Lehibe.
Abt: “ny efitra anatiny any atsimo.”
Mety ho Ikotokelimiadilaona na ireo kintana Pléiades ao amin’ny antokon-kintana Taureau (Ombilahy).
Mety ho ny Telonohorefy na ny antokon-kintana Orion.
Mety ho biby masiaka be any an-dranomasina.
Na mety hoe “amin’ilay miady amiko any amin’ny fitsarana.”
Abt: “hampiantso.”
Na: “tsy manan-tsiny.”
Abt: “fetsifetsy.”
Na: “tsy manan-tsiny.”
Na: “Halako; Laviko.”
Na: “ireo tsy mivadika mihitsy.”
Abt: “tarehin’ny.”
Abt: “ratsy fanahy.”
Abt: “lanezy mitsonika.”
Karazana savony vita amin’ny lavenona.
Na: “Tsy misy mpanelanelana.”
Abt: “hametraka ny tanany aminay.”
Abt: “esoriny amiko ny tsorakazony.”