Joda 1:1-25

 Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy, sady rahalahin’i Jakoba.+ Ho an’ny olona voantso,+ tiana ao amin’Andriamanitra Ray+ ary voatsimbina+ ho an’i Jesosy Kristy,  Hampitomboina+ anie ny famindram-po+ sy ny fiadanana+ ary ny fitiavana+ ho azonareo!  Ry malala,+ na dia nanao izay rehetra azoko natao aza aho mba hanoratana aminareo momba ny famonjena iombonantsika,+ dia hitako fa ilaina kosa ny manoratra mba hananarana anareo hiady mafy hiaro ny finoana,+ izay natolotra indray mandeha monja ho an’ny olona masina.+  Nisy olona nitsofoka mangingina+ mantsy eo amintsika, dia olona efa voatendrin’ny+ Soratra Masina hatramin’ny ela ho amin’izao fanamelohana+ izao. Olona tsy matahotra an’Andriamanitra+ ireny, ka ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitsika no avadiny ho fialan-tsiny hanaovana fitondran-tena baranahiny.+ Ary mivadika+ amin’i Jesosy Kristy, ilay hany Tompo+ nividy+ antsika, koa ireny.  Efa fantatrareo ny zava-drehetra ka tsy mila averina intsony. Tiako ihany anefa ny hampahatsiahy+ anareo fa na dia novonjen’i Jehovah avy tany Ejipta aza ny vahoakany,+ dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino.+  Ary ireo anjely izay tsy nitana ny toerany tany am-boalohany, fa nandao ny fonenana sahaza azy,+ dia notehirizin’Andriamanitra sy nofatorany+ mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.+  Toy izany koa i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna teny akaikiny,+ izay samy nanaram-po tamin’ny fijangajangana toy ireo anjely ireo koa, ka nanaraka ny filan’ny nofony mba hanao zavatra tsy fanao.+ Aseho ho anatra+ ho antsika ireo tanàna ireo, rehefa notsaraina ka nosazina tamin’ny afo maharitra mandrakizay.+  Manaram-po amin’ny nofinofy toy izany koa anefa ireny olona ireny,+ ka mandoto ny nofo, sy tsy miraharaha ny manana fahefana,+ ary manevateva ny manana voninahitra.+  I Mikaela+ arkanjely+ anefa, rehefa nifamaly+ tamin’ny Devoly sy nifanditra taminy ny amin’ny fatin’i Mosesy,+ dia tsy sahy nanameloka azy tamin’ny teny manevateva,+ fa nilaza kosa hoe: “Hiteny mafy anao anie i Jehovah!”+ 10  Ireny olona ireny kosa manevateva ny zava-drehetra tena tsy fantany mihitsy.+ Fa ny zava-drehetra takatry ny sainy kosa dia takany fotsiny amin’izao, toy ny fahatakaran’ny biby tsy misaina.+ Ary manimba+ tena amin’izany zavatra izany foana ireny. 11  Lozan’ireny, fa nandeha tamin’ny lalan’i Kaina+ izy, niolomay hanaraka ny lalan-dison’i Balama+ mba hahazoana karama, ary efa matin’ny teny fikomian’i+ Kora!+ 12  Harambato voasaron-drano ireny olona ireny, rehefa miara-misakafo aminareo ao amin’ny fanasam-pifankatiavanareo.+ Mpiandry mamahan-tena tsy amin-tahotra izy ireny,+ rahona tsy mitondra orana sady avezivezin’ny+ rivotra,+ hazo tsy mamoa nefa efa hifarana ny fararano, hazo indroa maty sy voaongotra,+ 13  onjan-dranomasina misamboaravoara, izay mandroatra ka mamoaka ny zava-mahamenatra ataony.+ Kintana tsy misy lalan-karahina izy ireny, ary voatahiry mandrakizay ho an’ireo kintana ireo ny fahamaintisan’ny haizina.+ 14  Naminany momba azy ireny koa i Enoka,+ ilay taranaka fahafito avy tamin’i Adama, rehefa nilaza hoe: “Efa tonga i Jehovah, miaraka amin’ny anjeliny masina an’alinalina,+ 15  mba hampihatra didim-pitsarana amin’ny rehetra,+ sy hanaporofo fa meloka izay rehetra tsy natahotra an’Andriamanitra. Meloka izy ireny noho ny asa ratsy rehetra nataony tamin-karatsiam-panahy, sy noho ny teny manafintohina rehetra nentin’ny mpanota hanoherana an’Andriamanitra,+ dia ireo mpanota tsy matahotra azy.” 16  Olona mpimenomenona+ ireny, be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy, mandeha araka ny faniriany.+ Ny vavany mamoaka teny fireharehana,+ rehefa mandoka olona+ mba hahazoana tombony. 17  Fa ianareo kosa, ry malala, tsarovy ny teny efa voalazan’ny apostolin’i Jesosy Kristy Tompontsika.+ 18  Izao mantsy no nolazain’izy ireo matetika taminareo: “Amin’ny fotoana farany, dia hisy mpaneso handeha araka ny faniriany zava-dratsy.”+ 19  Ireny no mahatonga fisarahana,+ dia olona araka ny nofo,+ fa tsy araka ny fanahy.+ 20  Ianareo kosa, ry malala, miorena tsara+ eo amin’ny finoanareo+ masina indrindra, ary mivavaha eo ambany fitarihan’ny fanahy* masina.+ Amin’ny fanaovana izany, 21  dia mitoera ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra,+ eo am-piandrasanareo ny famindram-pon’i+ Jesosy Kristy Tompontsika, sady mitsinjo ny fiainana mandrakizay.+ 22  Ary amindrao fo+ hatrany ny sasany izay misalasala.+ 23  Vonjeo izy,+ ka sariho haingana avy ao amin’ny afo.+ Amindrao fo hatrany koa ny hafa, ka ataovy amin-tahotra izany, ary ankahalao na dia ny akanjo anatiny voapentimpentin’ny nofo aza.+ 24  Ho an’ilay maharo+ anareo tsy ho tafintohina, sy mahavita mametraka anareo tsy misy tsiny+ eo anatrehan’ny voninahiny, amim-pifaliana lehibe, 25  eny, ho an’ilay hany Andriamanitra Mpamonjy+ antsika, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy+ Tompontsika anie ny voninahitra,+ sy ny fahalehibeazana, sy ny hery+ ary ny fahefana+ hatrizay hatrizay+ sy ankehitriny ary ho mandrakizay mandrakizay!+ Amena.+

Fanamarihana

Gr.: pneoma. Jereo F.F. 3B.