Joela 1:1-20

1  Ny tenin’i Jehovah izay tonga+ tamin’i Joela, zanak’i Petoela:  “Henoy izao, ry anti-panahy, ary mihainoa ianareo rehetra monina eto.+ Mba efa nisy toy izao ve tamin’ny andronareo, na tamin’ny andron’ny razanareo?+  Aoka ianareo hitantara an’izao amin’ny zanakareo, ary ny zanakareo amin’ny zanany, ary ny zanany amin’ny taranaka mandimby azy.+  Izay sisa tsy lanin’ny fanday dia nohanin’ny valala,+ ary izay sisa tsy lanin’ny valala indray nohanin’ny zana-balala mbola tsy ary elatra, ary izay sisa tsy lanin’ny zana-balala kosa nohanin’ny kalalao.+  “Mifohaza, ry mpimamo,+ ka mitomania. Ary midradradradrà+ ianareo rehetra mpisotro divay, satria tsy ho ao am-bavanareo intsony ny divay mamy.+  Misy firenena mahery izay manana vahoaka maro an’isa,+ miakatra mamely ny taniko. Nifin-diona ny nifiny,+ ary toy ny an’ny liona ny valanoranony.  Noho ny nataony dia nanjary nigagan’ny olona ny voaloboko,+ ary ny aviaviko kosa lasa fotony sisa.+ Nariany ireny rehefa avy nesoriny ny hodiny.+ Niova ho fotsy ny sampany.  Midradradradrà toy ny virjiny misikina lamba gony,+ eny, toy ny virjiny mitomany noho ny amin’ilay lehilahy ho vadiny.  “Mitsahatra ny fanatitra varimbazaha+ sy ny fanatitra zava-pisotro+ ao an-tranon’i Jehovah, ka mitomany ny mpisorona mpanompon’i Jehovah.+ 10  Voaroba ny saha,+ misaona ny tany,+ fa norobaina ny varimbazaha, sady ritra ny divay vaovao,+ ary nihalany ny menaka.+ 11  Menatra ny mpamboly,+ ary midradradradra ny mpikarakara tanimboaloboka, noho ny amin’ny varimbazaha sy ny vary orza, fa simba ny vokatra eny an-tsaha.+ 12  Maina ny voaloboka, ary mihamaty ny aviavy. Maina daholo koa ny hazo rehetra eny an-tsaha,+ dia ny ampongabendanitra sy ny palmie ary ny paoma. Fa menatra ny fifaliana, ka nihataka tamin’ny zanak’olombelona.+ 13  “Aoka ianareo hisikina lamba gony sy hikapo-tratra,+ ry mpisorona. Midradradradrà ianareo, ry mpanompo eo amin’ny alitara.+ Midira, ka akanjo gony entina matory, ry mpanompon’Andriamanitro. Tsy hitondrana fanatitra varimbazaha+ sy fanatitra zava-pisotro+ intsony mantsy ao an-tranon’Andriamanitrareo. 14  Manokàna fotoana fifadian-kanina,+ ary ambarao fa hisy fivoriambe manetriketrika.+ Angony ho ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrareo ny anti-panahy sy izay rehetra monina eto.+ Ary miantsoa vonjy amin’i Jehovah.+ 15  “Indrisy, ho avy ilay andro!+ Fa efa akaiky ny andron’i Jehovah,+ ary ho toy ny fandravana ataon’Ilay Mahery Indrindra ny fahatongavany! 16  Moa ve tsy efa nesorina tsy ho eo imasontsika ny sakafo, ary tsy ho ao an-tranon’Andriamanitsika ny fifaliana sy ny firavoravoana?+ 17  Lo eo ambany lapelina fandraofana azy ny aviavy maina. Foana tsy misy na inona na inona ny trano fitehirizam-bokatra, ary narodana ny sompitra satria lany ny voa. 18  Endrey ny fitoreon’ny biby fiompy! Mivenjivenjy tsy mahalala izay halehany ny andian’omby, satria tsy misy vilona hohaniny.+ Ary na hatramin’ny andian’ondry aza mijaly vokatry ny heloky ny olona. 19  “Ianao no hantsoiko, Jehovah ô!+ Fa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra, ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra tany an-tsaha.+ 20  Miandrandra anao koa ny bibidia,+ satria maina ny lakandrano,+ ary levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra.”

Fanamarihana