Joela 2:1-32

2  “Tsofy ao Ziona ny anjombona,+ ary manaova hiakan’ady+ eo an-tendrombohitro masina.+ Aoka hitebiteby izay rehetra monina eto,+ fa ho avy ny andron’i Jehovah,+ sady efa akaiky!  Andro maizina sy manjombona izany,+ sady andro mandrahona sy maizim-pito, ary toy ny hazavana vao mangiran-dratsy manerana ny tendrombohitra.+ “Misy firenena mahery izay manana vahoaka maro an’isa.+ Mbola tsy nisy toa azy hatramin’izay+ ary tsy hisy intsony koa any aoriany mandritra ny taona maro, hatrany amin’ny taranaka fara mandimby.  Eo alohany dia misy afo mandevona,+ ary ao aoriany kosa misy lelafo mandoro.+ Toy ny zaridainan’i Edena ny tany eo alohany,+ fa tany efitra lao kosa no ao aoriany, ary tsy misy izay tsy tratrany.  “Toy ny soavaly no fahitana azy, ary toy ny fihazakazaky ny soavaly fitondra miady no fihazakazahany.+  Ny fitsambikimbikiny dia tahaka ny firodorodon’ny kalesy eny an-tampon-tendrombohitra,+ sady tahaka ny firefodrefotry ny lelafo mandevona vodivary.+ Ary toy ny firenena mahery izay milahatra hiady izy.+  Hanaintaina mafy ireo firenena noho ny aminy.+ Ary hitebiteby izy rehetra, ka ho hita eny amin’ny endriny izany.+  “Mihazakazaka toy ny lehilahy mahery izy ireo,+ ary mianika manda toy ny lehilahy mpiady. Samy mandeha amin’izay hitsiny izy, ka tsy manova ny lalany.+  Tsy mifanosika izy ireo, sady miroso hatrany toy ny lehilahy tomady mandeha eny amin’ny lalany. Ary raha misy lavo aza noho ireo zana-tsipìka misidintsidina, dia tsy mijanona ny hafa fa manohy ny diany.  “Mirohotra mankao an-tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny ambony manda. Mananika trano izy, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra. 10  Mihorohoro eo anatrehany ny tany, ary mihovotrovotra ny lanitra. Lasa maizina ny masoandro sy ny volana,+ ary tsy mamirapiratra intsony ny kintana.+ 11  Ary i Jehovah hanandratra ny feony+ eo anoloan’ny tafiny,+ satria maro be ny miaramilany.+ Mahery mantsy ilay manatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy tena mampahatahotra ny andron’i Jehovah,+ ka iza no mahatanty izany?”+ 12  “Koa miverena amiko amin’ny fonareo manontolo”,+ hoy i Jehovah, “ka mifadia hanina+ sy mitomania ary midradradradrà.+ 13  Ary ny fonareo no rovito,+ fa tsy ny akanjonareo.+ Dia miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo, fa tsara fanahy sy mamindra fo izy,+ sady tsy mora tezitra+ no be hatsaram-panahy feno fitiavana.+ Ary hanenina ny amin’ilay loza kasainy hampiharina izy.+ 14  Iza moa no mahalala raha hiova hevitra izy ka hanenina avy eo,+ ary hanome fitahiana,+ dia fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro ho an’i Jehovah Andriamanitrareo? 15  “Tsofy ao Ziona ny anjombona.+ Manokàna fotoana fifadian-kanina,+ ary ambarao fa hisy fivoriambe manetriketrika.+ 16  Angony ny vahoaka, ary hamasino ny fiangonana.+ Vorio ny lahiantitra, ary angony ny ankizy sy ny zaza minono.+ Aoka ny mpampaka-bady hivoaka avy ao amin’ny efitranony anatiny, ary ny nampakarina avy ao amin’ny efitranony. 17  “Aoka ny mpisorona mpanompon’i Jehovah hitomany eo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara,+ ka hanao hoe: ‘Aoka ianao halahelo ny olonao, Jehovah ô, ary aza avela ho afa-baraka ny lovanao+ ka hanjakan’ireo firenen-kafa. Nahoana izy ireo no hilaza any amin’ireo firenena hoe: “Aiza izay mba Andriamanitr’ireo?”’+ 18  Koa hahasaro-piaro an’i Jehovah ny taniny,+ ary haneho fangoraham-po amin’ny olony izy.+ 19  Dia hovalian’i Jehovah ny olony hoe: ‘Handefasako varimbazaha sy divay vaovao ary menaka ianareo, ka ho vokin’izany.+ Ary tsy havelako holatsaina any amin’ireo firenena intsony ianareo.+ 20  Ary hataoko lavitra anareo ilay tavaratra,+ ka haparitako any amin’ny faritra tsy misy rano sy any amin’ny tany lao. Dia hitodika any amin’ny ranomasina atsinanana+ ny loha laharany, ary any amin’ny ranomasina andrefana+ ny vodilaharany. Ary hiakatra ny fofony maimbo, eny, hiakatra foana izany.+ Fa hanao zavatra lehibe Andriamanitra.’ 21  “Aza matahotra, ry tany. Ary mifalia sy miravoravoa, fa hanao zavatra lehibe i Jehovah.+ 22  Aza matahotra, ry bibidia,+ fa ho lasa maitso ny kijana any an-tany efitra,+ ary hamoa ny hazo.+ Ary hamokatra be ny aviavy sy ny voaloboka.+ 23  Mifalia sy miravoravoa amin’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ry zanak’i Ziona.+ Fa hanome anareo oram-pararano ampy tsara izy,+ ary handatsaka oram-be aminareo, dia oram-pararano sy oran-dohataona, toy ny taloha.+ 24  Ho feno varimbazaha voadio ny famoloana, ary ho tondraka ny divay vaovao sy ny menaka ka hihoatra ny fanantazana azy.+ 25  Ary honerako ny fahavoazanareo tamin’ireo taona nandripahan’ny valala sy ny zana-balala mbola tsy ary elatra sy ny kalalao ary ny fanday, dia ilay tafiko lehibe nalefako hamely anareo.+ 26  Ary hihinana ianareo ka ho voky,+ dia hidera ny anaran’i Jehovah Andriamanitrareo,+ izay nanao soa be dia be taminareo.+ Koa tsy ho menatra intsony ny oloko.+ 27  Dia ho fantatrareo fa eo amin’ny Israely aho,+ ary izaho no Jehovah Andriamanitrareo fa tsy misy hafa.+ Koa tsy ho menatra intsony ny oloko. 28  “Aorian’izany, dia handatsahako ny fanahiko+ ny karaza-nofo rehetra,+ ka ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo+ haminany. Ary ny lahiantitra eo aminareo hanonofy, ary ny tovolahy eo aminareo hahita fahitana. 29  Ary na ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy amin’izany andro izany aza dia handatsahako ny fanahiko.+ 30  “Ary hanisy fambara eny amin’ny lanitra+ sy eny amin’ny tany aho, dia ra sy afo ary setroka+ miakatra. 31  Ny masoandro hovana ho haizina+ ary ny volana ho ra,+ alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra.+ 32  Ary izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no ho tafavoaka soa aman-tsara amin’izany.+ Fa ao amin’ny Tendrombohitra Ziona sy ao Jerosalema no hisy an’ireo ho afa-mandositra,+ araka ny efa nolazain’i Jehovah. Ho anisan’ireo ho tafavoaka velona antsoin’i Jehovah koa izy ireo.”+

Fanamarihana