Joela 3:1-21

3  “Fa amin’izany andro sy fotoana izany,+ rehefa hampodiko avy any amin’ny fahababoana ny mponin’i Joda sy Jerosalema,+  dia hangoniko koa ny firenena rehetra+ ka hampidiniko ho eo amin’ny lemaka ivan’i Josafata.+ Ary eo no hitsarako azy ireo noho ny amin’ny Israely oloko sy lovako,+ izay naparitak’izy ireo tany amin’ireo firenena. Nozarazarainy koa ny taniko.+  Ary nataony antsapaka ny oloko.+ Ny zazalahy nataony takalon’ny mpivaro-tena,+ ary ny zazavavy namidiny hahazoana divay hosotroina.  “Misy zavatra iombonanareo amiko angaha moa, ry Tyro sy Sidona+ ary ianareo rehetra faritr’i Filistia?+ Izao ve no mba valisoa omenareo ahy? Koa raha izao no ataonareo amiko, dia hatsingeriko haingana dia haingana ho eo an-dohanareo izany.+  Nalainareo ny volafotsiko sy ny volamenako,+ ary nentinareo tao amin’ny tempolinareo ny zava-tsarobidiko,+  ary ny taranak’i Joda sy Jerosalema dia namidinareo+ tamin’ny zanaky ny Grika,+ mba handefasana azy lavitra ny faritaniny.+  Koa hanentana azy ireo aho mba hialany any amin’ny toerana nivarotanareo azy.+ Ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo.+  Ary hamidiko eo an-tanan’ny taranak’i Joda ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo,+ ka hamidiny amin’ireo lehilahy any Sheba,+ dia amin’ny firenena lavitra.+ Fa i Jehovah no efa niteny.  “Ambarao any amin’ireo firenena+ izao: ‘Miomàna hiady!* Entano ny lehilahy mahery!+ Aoka izy ireo hanatona! Aoka hiakatra ny lehilahy mpiady rehetra!+ 10  Tefeo ho sabatra ny angadinombinareo, ary ho lefona ny antsy fandrantsanam-boalobokareo.+ Ary aoka ny kely hery hilaza hoe: “Lehilahy mahery aho.”+ 11  Tongava hifanampy, ry firenena rehetra manodidina,+ ka mivoria.’”+ Ampidino ho eo amin’izany toerana izany ireo maherinao, Jehovah ô!+ 12  “Aoka hoentanina ireo firenena ka hankeo amin’ny lemaka ivan’i Josafata,+ fa eo no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.+ 13  “Arosoy ny antsy fijinjana,+ fa masaka ny vokatra.+ Avia, midìna fa feno be ny lavaka famiazam-boaloboka,+ ary tondraka ny ao anatin’ny fanantazana ka mihoatra. Fa nanjary nitombo be ny faharatsian’ireo firenena.+ 14  Vahoaka be, vahoaka be no eo amin’ny lemaka ivan’ny didim-pitsarana,+ fa akaiky ny andron’i Jehovah eo amin’ny lemaka ivan’ny didim-pitsarana.+ 15  Ho lasa maizina ny masoandro sy ny volana, ary tsy hamirapiratra intsony ny kintana.+ 16  Hierona avy ao Ziona i Jehovah, ary hanandratra ny feony avy ao Jerosalema izy.+ Hihovotrovotra ny lanitra sy ny tany.+ I Jehovah anefa no ho fialofan’ny olony+ sy ho fiarovana mafy ho an’ny zanak’Israely.+ 17  Dia ho fantatrareo fa izaho no Jehovah Andriamanitrareo+ izay mitoetra ao Ziona, tendrombohitro masina.+ Ary ho toerana masina i Jerosalema,+ ka tsy hisy vahiny hamakivaky intsony eo.+ 18  “Amin’izany andro izany, dia hisy divay mamy hitete eny an-tendrombohitra,+ sy ronono hikoriana eny amin’ny havoana, ary rano hikoriana eny amin’ny renirano rehetra any Joda. Dia hisy loharano hifantsitsitra avy ao an-tranon’i Jehovah.+ Ary izy io hanondraka ny lohasaha falehan-driakan’ny Hazo Akasia.+ 19  Ary hanjary ho lao i Ejipta,+ ary ho tany efitra lao i Edoma,+ noho ny herisetra nataon’izy ireo tamin’ny taranak’i Joda, dia ny nandatsahany ran’olona tsy manan-tsiny, tany Joda.+ 20  Fa i Joda kosa honenana mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ary i Jerosalema, hatramin’ny taranaka fara mandimby.+ 21  Koa hoheveriko ho tsy manan-tsiny ny ran’izy ireo, na dia tsy noheveriko ho toy izany aza taloha.+ Ary hitoetra ao Ziona i Jehovah.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “Manamasìna ady.”