Jona 1:1-17

1  Ary tonga tamin’i Jona+ zanak’i Amitahy ny tenin’i Jehovah hoe:  “Mandehana mankany Ninive,+ ilay tanàna lehibe, ary ambarao ny fanamelohana azy, fa tafakatra eto anatrehako ny faharatsiany.”+  Niainga ho any Tarsisy+ anefa i Jona, mba handositra tsy ho eo anatrehan’i Jehovah.+ Dia nidina tany Jopa+ izy, ary nahita sambo ho any Tarsisy. Koa nandoa ny saran-dalana izy ary niondrana niaraka tamin’izy ireo ho any Tarsisy, mba tsy ho eo anatrehan’i Jehovah.  Ary nampifofofofo rivotra mahery teny an-dranomasina i Jehovah,+ ka nisy tafio-drivotra be+ narahin’oram-baratra teny. Koa nila ho vaky ilay sambo.  Dia raiki-tahotra ireo tantsambo ka samy niantso vonjy tamin’ny andriamaniny+ avy. Ary natsipiny tany an-dranomasina ireo entana tao an-tsambo, mba hanamaivanana azy io.+ Fa i Jona kosa efa nidina tany ambany indrindra, tany amin’ny lakalin-tsambo, ka natory ary renoka tanteraka.+  Ary nanatona azy ny kapitenin-tsambo ka niteny hoe: “Fa inona ity mahazo anao, ry be torimaso a? Mifohaza! Antsoy ny andriamanitrao!+ Fa angamba hitsinjo antsika ilay tena Andriamanitra, ka tsy ho faty isika.”+  Ary nifampiresaka ireo tantsambo hoe: “Andao hanao antsapaka+ hahalalana izay tompon’antoka amin’izao loza manjo antsika izao.”+ Dia nanao antsapaka izy ireo, ka i Jona no tratra.+  Koa hoy ireo taminy: “Lazao aminay, azafady, hoe: Iza no tompon’antoka amin’izao loza manjo antsika izao?+ Inona no asanao, ary avy aiza ianao? Aiza ny tany niavianao, ary avy amin’ny firenena inona ianao?”  Dia hoy izy tamin’ireo: “Hebreo+ aho, ary matahotra+ an’i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ Ilay nanao ny ranomasina sy ny tany maina.”+ 10  Ary natahotra mafy izy ireo ka niteny hoe: “Fa inona ity nataonao?”+ Nanjary fantatr’izy ireo mantsy fa nandositra tsy ho eo anatrehan’i Jehovah izy, satria efa nolazainy tamin’izy ireo izany. 11  Farany, dia hoy ireo taminy: “Hataonay ahoana àry ianao+ mba hampitony ny ranomasina?” Vao mainka nisamboaravoara mantsy ny ranomasina. 12  Koa hoy izy tamin’ireo: “Batao aho ka atsipazo any an-dranomasina, dia ho tony ny rano. Fantatro mantsy fa noho ny amiko no mahatonga izao tafio-drivotra be arahin’oram-baratra izao.”+ 13  Niezaka ny hamerina an’ilay sambo teny an-tanety ihany anefa ireo tantsambo, saingy tsy afaka, satria vao mainka nisamboaravoara ny ranomasina.+ 14  Dia niantsoantso an’i Jehovah ireo, ka nanao hoe:+ “Jehovah ô! Aoka re tsy ho faty izahay noho ny amin’ny ain’ity lehilahy ity e! Ary aza melohina ho nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny izahay,+ satria efa nanao izay tianao ianao,+ Jehovah ô!” 15  Koa nobatain’ireo i Jona, ary natsipiny tany an-dranomasina, ka tsy nisamboaravoara intsony ny ranomasina.+ 16  Dia natahotra mafy an’i Jehovah izy ireo,+ ka nanao sorona ho an’i Jehovah+ sady nanao voady.+ 17  Ary nandefa trondro ngezabe iray i Jehovah hitelina an’i Jona,+ ka lasa tao an-kibon’ilay trondro i Jona, telo andro sy telo alina.+

Fanamarihana