Jona 2:1-10

2  Ary nivavaka tamin’i Jehovah Andriamaniny i Jona, tao an-kibon’ilay trondro,+  ka nanao hoe: “Tao anatin’ny fahoriako aho no niantso an’i Jehovah,+ dia namaly ahy izy.+Tao an-kibon’ny Fasana* aho no niantso vonjy,+Dia nandre ny feoko ianao.+   Rehefa natsipinao tany amin’ny lalina aho, eny, tany anatin’ny ranomasimbe,+Dia voahodidina rano mahery.Ary ny onjanao mahery rehetra dia nanafotra ahy.+   Dia hoy aho: ‘Efa noroahina tsy ho eo anatrehanao aho!+Mbola ho afaka hibanjina ny tempolinao masina indray ve aho?’+   Voahodidin’ny rano aho ka efa saika maty,+ ary namefy ahy ny rano lalina.Nihorongorona tamin’ny lohako ny ahidrano.   Tafidina tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra aho.Ary teo amboniko nandritra ny fotoana tsy voafetra ny bara hidim-baravaran’ny tany.Nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka anefa ianao, ry Jehovah Andriamanitro ô!+   Rehefa reraka be ny aiko tato anatiko,+ dia i Jehovah no tsaroako.+Ary tonga tany aminao, tao amin’ny tempolinao masina, ny vavaka nataoko.+   Izay mivavaka amin’ny sampy tsy marina, dia mahafoy ny hatsaram-panahy feno fitiavana naseho taminy.+   Fa izaho kosa hanolotra fisaorana ho anao sady hanao sorona ho anao.+Izay voady nataoko dia hefaiko.+ Avy amin’i Jehovah ny famonjena.”+ 10  Farany, dia nobaikoin’i Jehovah ilay trondro ka naloany teo amin’ny tany maina i Jona.+

Fanamarihana

Heb.: sheôl. Jereo F.F. 3D.