Jona 3:1-10

3  Ary tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah hoe:+  “Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe, ary torio aminy ny fanamelohana+ holazaiko aminao.”  Dia nitsangana i Jona ka nankany Ninive, araka ny tenin’i Jehovah.+ Tanàna lehibe teo imason’Andriamanitra i Ninive,+ ka tsy maintsy dia an-tongotra telo andro vao vita ny fitetezana azy.  Farany, dia niditra tao an-tanàna i Jona. Ary rehefa avy nandeha an-tongotra iray andro izy, dia tsy nitsahatra nitory hoe: “Efapolo andro sisa dia horavana i Ninive.”+  Dia nino an’Andriamanitra ny olona tao Ninive,+ ka nanao antso avo hoe hisy fifadian-kanina. Nitafy lamba gony koa izy ireo,+ hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.  Nony tonga tany amin’ny mpanjakan’i Ninive ilay teny,+ dia nitsangana niala teo amin’ny seza fiandrianany izy ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny ary nitafy lamba gony, sady nipetraka tamin’ny lavenona.+  Ary nasainy natao antso avo sy nolazaina tao Ninive izao teny izao, araka ny didin’ny mpanjaka sy ireo olona ambony: “Tsy mahazo mihinana na inona na inona mihitsy, na ny olona na ny biby fiompy na ny omby na ny ondry. Tsy misy mahazo misakafo, na misotro rano.+  Ary aoka samy hitafy lamba gony na ny olona na ny biby fiompy. Dia aoka izy ireo hiantso mafy an’Andriamanitra ka samy hiala amin’ny lalan-dratsiny+ sady tsy hanao herisetra intsony.  Iza moa no mahalala sao mba hiova hevitra ilay tena Andriamanitra, ary hanenina izy,+ ka tsy hirehitra intsony ny fahatezerany, dia tsy ho faty isika?”+ 10  Ary hitan’ilay tena Andriamanitra ny nataon’izy ireo,+ fa niala tamin’ny lalan-dratsiny izy ireo.+ Koa nanenenan’Andriamanitra+ ilay loza nolazainy hamelezany azy, ka tsy nampihariny indray.+

Fanamarihana