Josoa 1:1-18

1  Rehefa maty i Mosesy mpanompon’i Jehovah, dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa+ zanak’i Nona, mpanompon’i+ Mosesy:  “Efa maty i Mosesy mpanompoko.+ Koa mandehana miampita an’irỳ Jordana irỳ ianao sy ity vahoaka manontolo ity, mba hiditra ao amin’ilay tany homeko ny zanak’Israely.+  Izay toerana rehetra hodiavin’ny tongotrareo dia homeko anareo, araka izay nampanantenaiko an’i Mosesy.+  Ho taninareo ny tany rehetran’ny Hetita+ manomboka any an-tany efitra sy eo amin’irỳ Libanona irỳ, ka mipaka hatrany amin’ny renirano lehibe, dia ny reniranon’i Eofrata, ary hatrany amin’ny Ranomasina Lehibe manandrify ny filentehan’ny masoandro.+  Tsy hisy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao.+ Tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.+ Tsy handao anao aho ary tsy hahafoy anao mihitsy.+  Koa mahereza sy matanjaha,+ satria ianao no hitarika an’ity vahoaka ity handova+ ilay tany nianianako tamin’ny razany fa homena azy.+  “Mahereza sy matanjaha fotsiny ianao, ary mitandrema tsara mba hanao araka ny lalàna rehetra nandidian’i Mosesy mpanompoko anao.+ Aza miala amin’izany, ka aza mivily miankavanana na miankavia.+ Amin’izay dia hanao zavatra amim-pahendrena ianao amin’izay rehetra ataonao.+  Aoka tsy ho afaka am-bavanao+ ity boky misy ny lalàna ity. Ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hitandrina tsara izay rehetra voasoratra ato,+ ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.+  Koa mandidy anao indray aho+ hoe: ‘Mahereza sy matanjaha.’ Aza mivadi-po na mihorohoro,+ fa momba anao i Jehovah Andriamanitrao na aiza na aiza alehanao.”+ 10  Ary nodidian’i Josoa ireo mpiadidy vahoaka hoe: 11  “Mandehana mamakivaky ny toby ka omeo baiko ny vahoaka hoe: ‘Manomàna vatsy ho anareo, fa rehefa afaka telo andro dia hiampita an’irỳ Jordana irỳ ianareo mba haka an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo anareo.’”+ 12  Ary hoy i Josoa tamin’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase: 13  “Aoka hotsarovana ny teny nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo+ hoe: ‘Hataon’i Jehovah Andriamanitrareo mandry feizay ianareo, sady efa nomeny an’ity tany ity. 14  Hipetraka etỳ amin’ny tany nomen’i Mosesy anareo etỳ ampitan’i Jordana ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo.+ Fa ianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo+ rehetra kosa, hiampita ka hilahatra toy ny tafika+ eo alohan’ny rahalahinareo, ary hanampy azy. 15  Rehefa omen’i Jehovah fitsaharana toy ny omeny anareo ny rahalahinareo, ka azon’izy ireo ho fananany ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrareo azy,+ vao hiverina eto amin’ny taninareo ianareo ary handova+ ilay tany nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, etỳ ampitan’i Jordana, manandrify ny fiposahan’ny masoandro.’”+ 16  Koa hoy ny navalin’izy ireo an’i Josoa: “Izay rehetra andidianao anay dia hataonay, ary na aiza na aiza anirahanao anay dia halehanay.+ 17  Toy ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zava-drehetra no hihainoanay anao koa. Fa homba anao anie i Jehovah Andriamanitrao+ tahaka ny nombany an’i Mosesy!+ 18  Hovonoina ho faty+ izay olona mikomy tsy manaraka ny baikonao+ sy tsy mihaino ny teninao amin’izay rehetra andidianao azy. Fa mahereza sy matanjaha fotsiny ianao!”+

Fanamarihana