Josoa 10:1-43

10  Dia ren’i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema fa efa nobaboin’i Josoa sy naringany tanteraka+ i Ay,+ ary toy ny nanaovany an’i Jeriko+ sy ny mpanjakany+ ihany no nanaovany an’i Ay sy ny mpanjakany.+ Reny koa fa efa nanaiky hihavana tamin’ny Israely+ ny mponin’i Gibeona ka nitoetra teo amin’izy ireo.  Koa raiki-tahotra+ mafy izy satria tanàna lehibe i Gibeona, sahala amin’ny tanàna misy mpanjaka, sady mbola lehibe noho i Ay,+ ary natanjaka daholo ny lehilahy tao.  Koa nisy olona nirahin’i Adoni-zedeka mpanjakan’i Jerosalema+ ho any amin’i Hohama mpanjakan’i Hebrona,+ sy Pirama mpanjakan’i Jarmota,+ sy Jafia mpanjakan’i Lakisy,+ ary Debira mpanjakan’i Eglona,+ hiteny hoe:  “Miakara atỳ amiko ka ampio aho. Andao isika hamely an’i Gibeona, fa efa nanaiky hihavana tamin’i Josoa sy ny zanak’Israely izy.”+  Koa nivondrona ireo mpanjaka dimy teo amin’ny Amorita,+ dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona. Dia niakatra izy ireo mbamin’ny tobiny rehetra, ary nitoby hanafika an’i Gibeona ka hiady aminy.  Ary naniraka olona ho any amin’i Josoa tany an-toby tao Gilgala+ ny Gibeonita, nanao hoe: “Aza mahafoy anay mpanomponao.+ Miakara haingana atỳ aminay ka vonjeo izahay ary ampio, fa mivondrona hiady aminay avokoa ny mpanjakan’ny Amorita monina eny amin’ny faritra be tendrombohitra.”  Koa niakatra avy any Gilgala i Josoa sy ny mpiady rehetra niaraka taminy+ ary ny lehilahy matanjaka sy mahery fo+ rehetra.  Dia hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra an’ireo,+ fa efa natolotro teo an-tananao izy.+ Tsy hisy hahatohitra anao ireo na iray aza.”+  Ary tampoka ny nanafihan’i Josoa azy ireo. Efa niakatra avy tany Gilgala nandritra ny alina mantsy izy. 10  Dia nataon’i Jehovah nifanaritaka teo anoloan’ny Israely izy ireo.+ Koa namono azy ireo ny Israely ka nahafaty be dia be tao Gibeona.+ Ary nenjehin’ny Israely tany amin’ny lalana mankany amin’ny fiakarana ao Beti-horona izy ireo, ka naripany hatrany Azeka+ sy Makeda.+ 11  Raha mbola nandositra teo anoloan’ny Israely izy ireo, dia nandatsahan’i Jehovah havandra+ vaventy avy tany an-danitra, teny amin’ny fidinana ao Beti-horona ka hatrany Azeka. Dia maty izy ireo, ary betsaka kokoa ny matin’ny havandra noho ny matin’ny zanak’Israely tamin’ny sabatra. 12  Tamin’io andro nanoloran’i Jehovah ny Amorita teo an-tanan’ny zanak’Israely io, no niresahan’i Josoa tamin’i Jehovah, ka nitenenany teo imason’ny Israely hoe: “Ry masoandro,+ aza mihetsika eo ambonin’i Gibeona!+Ary ianao, ry volana, aza mihetsika eo ambonin’ny lemaka ivan’i Aialona!”+ 13  Dia tsy nihetsika ny masoandro, ary nijanona ny volana, mandra-pamitan’ilay firenena ny famaizana ny fahavalony.+ Tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’i Jasara+ ve izany? Koa tsy nihetsika teo afovoan’ny lanitra ny masoandro, ary tsy maika ny hilentika izy io efa ho iray andro maninjitra.+ 14  Mbola tsy nisy andro tahaka an’iny, na tany alohany na tatỳ aoriany, izay nihainoan’i Jehovah ny feon’olona toy izany,+ fa i Jehovah mihitsy no niady ho an’ny Israely.+ 15  Taorian’izay, dia niverina tany an-toby tao Gilgala+ i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy. 16  Nandritra izany fotoana izany, dia nandositra+ ireo mpanjaka dimy, ka niafina tao amin’ny lava-bato tao Makeda.+ 17  Ary nisy nilaza tamin’i Josoa hoe: “Hitan’ny olona miafina ao amin’ilay lava-bato ao Makeda ireo mpanjaka dimy.”+ 18  Koa hoy i Josoa: “Manakodiava vato be ho eo am-bavan’ilay lava-bato, ary asio olona eo hiambina an’ireo. 19  Ianareo kosa aza mijanona, fa enjeho ny fahavalonareo ka asio ny vodilaharany.+ Ary aza avela hiditra any an-tanànany ireo, fa efa natolotr’i Jehovah Andriamanitrareo teo an-tananareo.”+ 20  Rehefa voaripak’i Josoa sy ny zanak’Israely izy ireo, ka be dia be no maty+ ary izay sisa niangana kosa nandositra nankao amin’ireo tanàna voaro mafy,+ 21  dia niverina soa aman-tsara tany amin’i Josoa tany an-toby, tao Makeda, ny olona rehetra. Ary tsy nisy olona na iray aza sahy nanao vava ratsy tamin’ny zanak’Israely.+ 22  Hoy i Josoa avy eo: “Sokafy ny vavan’ilay lava-bato, ary avoahy ho etỳ amiko ireo mpanjaka dimy.” 23  Koa nataon’izy ireo izany, ka navoakany avy ao an-dava-bato ho any amin’i Josoa ireo mpanjaka dimy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema,+ ny mpanjakan’i Hebrona,+ ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy,+ ary ny mpanjakan’i Eglona.+ 24  Raha vao navoaka ho eo amin’i Josoa ireo mpanjaka ireo, dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy rehetra teo amin’ny Israely, ka hoy izy tamin’ireo mpitari-tafika niaraka taminy izay nifehy an’ireo lehilahy mpiady: “Avia etỳ aloha etỳ, ary apetraho eo amin’ny hatok’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo.”+ Koa nankeny aloha izy ireo, ka samy nametraka ny tongony teo amin’ny hatok’ireo mpanjaka.+ 25  Hoy koa i Josoa tamin’izy ireo: “Aza matahotra na mihorohoro.+ Mahereza sy matanjaha, fa toy izao no hataon’i Jehovah amin’ny fahavalo rehetra hiadianareo.”+ 26  Ary namely an’ireo mpanjaka ireo i Josoa taorian’izay, ka namono azy ireo ho faty, dia nanantona azy teo amin’ny tsato-kazo dimy. Koa nihantona teo izy ireo mandra-paharivan’ny andro.+ 27  Rehefa hilentika ny masoandro, dia nasain’i Josoa nesorina teo amin’ny tsato-kazo+ izy ireo ka natsipy tao amin’ilay lava-bato niafenany. Ary nasiana vato be teo am-bavan’ilay lava-bato, ka mbola eo izany mandraka androany. 28  Ary nobaboin’i Josoa i Makeda+ tamin’iny andro iny, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra. Dia naringany tanteraka+ ny mpanjakany sy ny olona* rehetra tao, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Toy ny nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko ihany no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda.+ 29  Dia niala tao Makeda i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy, ka nandeha niady tamin’i Libna.+ 30  Natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Israely koa i Libna sy ny mpanjakany, ka nasian’ny Israely tamin’ny lelan-tsabatra ilay tanàna sy ny olona* rehetra tao. Tsy nasian’izy ireo niangana tao na iray aza. Toy ny nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko ihany no nataony tamin’ny mpanjakan’i Libna.+ 31  Dia niala tao Libna i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy, ka nankany Lakisy.+ Ary nitoby hanafika an’i Lakisy izy ireo ka niady taminy. 32  Koa natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Israely i Lakisy, ka nobaboin’izy ireo tamin’ny andro faharoa. Ary nasian’izy ireo tamin’ny lelan-tsabatra izy io sy ny olona* rehetra tao,+ toy izay rehetra nataon’izy ireo tamin’i Libna. 33  Tamin’izay i Horama mpanjakan’i Gazera+ no niakatra hanampy an’i Lakisy. Koa nasian’i Josoa izy sy ny olony, ka tsy nisy niangana na iray aza.+ 34  Dia niala tao Lakisy i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nankany Eglona.+ Ary nitoby hanafika an’i Eglona izy ireo ka niady taminy. 35  Ary namabo an’i Eglona izy ireo tamin’iny andro iny, ka namely azy tamin’ny lelan-tsabatra. Dia naringany tanteraka ny olona* rehetra tao tamin’iny andro iny, toy izay rehetra nataony tamin’i Lakisy.+ 36  Ary niakatra avy tao Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra izay niaraka taminy, ka nandeha niady tamin’i Hebrona.+ 37  Dia nobaboin’izy ireo i Hebrona, ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy io sy ny mpanjakany mbamin’ny tanànany rehetra sy ny olona* rehetra tao, ka tsy nasiany niangana na iray aza, toy izay rehetra nataony tamin’i Eglona. Koa naringany tanteraka+ izy io sy ny olona* rehetra tao. 38  Farany, dia nivily nankany Debira+ i Josoa sy ny Israely rehetra, ka niady taminy. 39  Koa nobaboiny i Debira sy ny mpanjakany mbamin’ny tanànany rehetra. Ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy ireo ka naringany tanteraka+ ny olona* rehetra tany, ary tsy nasiany niangana na iray aza.+ Toy ny nataony tamin’i Hebrona sy Libna mbamin’ny mpanjakany,+ no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany. 40  Toy izany no namelezan’i Josoa ny tany rehetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra+ sy tany Negeba+ sy Sefela+ ary teny amin’ireo tehezan-kavoana,+ mbamin’ny mpanjakan’izy rehetra. Tsy nasiany niangana na iray aza, fa naringany tanteraka+ ny zavamiaina+ rehetra, araka izay nandidian’i+ Jehovah Andriamanitry ny Israely. 41  Namely an’ireny i Josoa, nanomboka tany Kadesi-barnea+ ka hatrany Gaza,+ sy tany Gosena+ manontolo ka hatrany Gibeona.+ 42  Tao anatin’ny fe-potoana iray ihany+ no namaboan’i Josoa an’ireny mpanjaka rehetra ireny sy ny taniny, satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no niady ho an’ny Israely.+ 43  Taorian’izay, dia nody tany an-toby tao Gilgala+ i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy.

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.