Josoa 11:1-23

11  Raha vao nandre izany i Jabina mpanjakan’i Hazora, dia naniraka olona ho any amin’i Jobaba mpanjakan’i Madona,+ sy ny mpanjakan’i Simrona sy ny mpanjakan’i Aksafa,+  sy ho an’ireo mpanjaka tany avaratra teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy teny amin’ny lemaka karakaina atsimon’i Kinereta+ sy tany Sefela+ ary teny amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Dora+ tany andrefana,  sy ny Kananita+ tany atsinanana sy tany andrefana, sy ny Amorita+ sy ny Hetita+ sy ny Perizita+ sy ny Jebosita+ teny amin’ny faritra be tendrombohitra, ary ny Hivita+ teo am-pototr’i Hermona+ any Mizpa.+  Koa nivoaka izy ireo sy ny tobiny rehetra, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina,+ niaraka tamin’ny soavaly+ sy kalesin’ady be dia be.  Dia nihaona ireo mpanjaka rehetra ireo araka ny fotoana nifanaovany, ka nitoby teo amoron’ny ranon’i Meroma mba hiady tamin’ny Israely.+  Ary hoy i Jehovah tamin’i Josoa: “Aza matahotra noho ny amin’ireo,+ fa rahampitso tokotokony ho amin’ny ora toy izao no hanolorako azy rehetra ho faty eo an-tanan’ny Israely. Hotapahinao ny hoza-tongotry ny soavaliny,+ ary hodoranao ny kalesiny.”+  Koa tonga mba hamely azy tampoka teo amoron’ny ranon’i Meroma i Josoa sy ny mpiady rehetra, ka nanafika azy.  Dia natolotr’i Jehovah teo an-tanan’ny Israely izy ireo.+ Ary namely an’ireo ny Israely ka nanenjika azy hatrany Sidona+ izay be mponina, sy hatrany Misrefota-maima+ ary hatrany amin’ny lemak’i* Mizpe+ tany atsinanana. Koa nasian’ny Israely izy ireo, ka tsy nisy niangana na iray aza.+  Dia nataon’i Josoa tamin’izy ireo izay nolazain’i Jehovah, ka notapahiny ny hoza-tongotry ny soavaliny,+ ary nodorany ny kalesiny.+ 10  Niverina koa i Josoa tamin’izay fotoana izay+ ka nobaboiny i Hazora,+ ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany,+ satria i Hazora no nahery indrindra tamin’ireo fanjakana rehetra ireo. 11  Koa nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ny olona* rehetra tao, eny, naringany tanteraka+ ka tsy nisy zavamiaina niangana na iray aza.+ Dia nodorany i Hazora. 12  Ary nobaboin’i Josoa avokoa ny tanànan’ireo mpanjaka ireo mbamin’ny mpanjakany rehetra, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra.+ Naringany tanteraka+ izy ireo, araka izay nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah.+ 13  Ny tanàna rehetra teny an-kavoana ihany no tsy nodoran’ny Israely, afa-tsy i Hazora izay nodoran’i Josoa. 14  Ary nalain’ny Israely ho azy ny fananana rehetra voababony tao amin’ireo tanàna ireo mbamin’ny biby fiompy.+ Ny olona rehetra ihany no nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, mandra-pandringany azy.+ Tsy nasiany zavamiaina niangana na iray aza.+ 15  Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy mpanompony no nandidian’i Mosesy an’i Josoa,+ ka izany no nataon’i Josoa. Tsy nisy nanesorany na iray aza ny teny rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 16  Ary nalain’i Josoa avokoa ireo tany rehetra ireo, dia ny faritra be tendrombohitra sy Negeba+ manontolo sy Gosena+ manontolo sy Sefela+ sy Araba+ ary ny faritra be tendrombohitry ny Israely mbamin’ilay Sefela+ any, 17  hatrany amin’ny Tendrombohitra Halaka+ izay miakatra mankany Seira,+ ka hatrany Bala-gada+ eo amin’ny lemak’i* Libanona, eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona.+ Ary nobaboiny ny mpanjakany rehetra, ka novonoiny ho faty.+ 18  Naharitra andro maro no niadian’i Josoa tamin’ireo mpanjaka rehetra ireo. 19  Tsy nisy tanàna nanaiky hihavana tamin’ny zanak’Israely, afa-tsy ny Hivita+ nonina tao Gibeona,+ fa ny hafa rehetra kosa azony tamin’ny ady.+ 20  Navelan’i Jehovah hikiribiby+ mantsy izy ireo mba hiadian’izy ireo amin’ny Israely. Amin’izay dia hatokana haringana izy ireo ka tsy hahazo indrafo,+ fa haripaka tanteraka, araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy.+ 21  Tamin’izay koa i Josoa no nandeha nandringana ny Anakita+ teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Hebrona sy Debira sy Anaba,+ ary teny amin’ny faritra be tendrombohitra rehetra tany Joda sy tany Israely.+ Naringan’i Josoa tanteraka+ ireny mbamin’ny tanànany. 22  Tsy nisy Anakita tavela tao amin’ny tanin’ny zanak’Israely, afa-tsy+ tao Gaza+ sy Gata+ ary Asdoda.+ 23  Koa nalain’i Josoa ilay tany manontolo, araka izay rehetra nampanantenain’i Jehovah an’i Mosesy.+ Ary nomen’i Josoa ho lovan’ny Israely izany, araka ny anjaran’izy ireo avy, araka ny fokony avy.+ Dia nandry feizay ny tany fa tsy nisy ady.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”
Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”