Josoa 12:1-24

12  Nandresy mpanjaka ny zanak’Israely, ka naka ny tanin’izy ireo teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana manandrify ny fiposahan’ny masoandro,+ hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy Araba+ manontolo manandrify ny fiposahan’ny masoandro. Ireto avy izany mpanjaka izany:  I Sihona+ mpanjakan’ny Amorita, nonina tao Hesbona.+ Ny faritra nanjakany dia nanomboka teo Aroera+ izay eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona,+ ary anisan’izany koa ny afovoan’io lohasaha falehan-driaka io sy ny antsasak’i Gileada, ka nipaka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka,+ izay sisin-tanin’ny taranak’i Amona.  Azy koa ny ilany atsinanana amin’i Araba+ manomboka any amin’ny ranomasin’i Kinereta+ ka hatrany amin’ny ilany atsinanana amin’ny ranomasin’i Araba, izany hoe ny Ranomasin-tsira,+ tandrifin’i Beti-jesimota,+ ary mianatsimo eo am-pototry ny tehezan’i Pisga.+  Resin’ny zanak’Israely koa i Oga+ mpanjakan’i Basana, izay sisa tavela tamin’ny Refaima,+ sady nonina tao Astarta+ sy tao Edrehy,+  ary nanjaka tany amin’ny Tendrombohitra Hermona,+ sy tany Saleka sy Basana+ manontolo, ka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita+ sy ny Makatita,+ ary tany amin’ny antsasak’i Gileada ka hatreo amin’ny faritra nanjakan’i Sihona+ mpanjakan’i Hesbona.+  I Mosesy mpanompon’i Jehovah mbamin’ny zanak’Israely no nandresy an’ireo.+ Ary ny tanin’ireo dia nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah ho fananan’ny Robenita+ sy ny Gadita+ ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.+  Ireto kosa ny mpanjakan’ny tany noresen’i Josoa sy ny zanak’Israely tetỳ ampita andrefan’i Jordana, hatrany Bala-gada+ eo amin’ny lemak’i* Libanona+ ka hatrany amin’ny Tendrombohitra Halaka+ izay miakatra mankany Seira+—nomen’i Josoa ho fananan’ny fokon’ny Israely araka ny anjaran’izy ireo avy+ ilay tany,  teny amin’ny faritra be tendrombohitra sy tany Sefela sy tany Araba sy teny amin’ireo tehezan-kavoana sy tany an-tany efitra ary tany Negeba,+ izany hoe ny tanin’ny Hetita sy ny Amorita+ sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita+—eny, ireto avy ireo mpanjaka ireo:   Ny mpanjakan’i Jeriko,+ iray; ny mpanjakan’i Ay+ teo akaikin’i Betela, iray; 10  ny mpanjakan’i Jerosalema,+ iray; ny mpanjakan’i Hebrona,+ iray; 11  ny mpanjakan’i Jarmota,+ iray; ny mpanjakan’i Lakisy,+ iray; 12  ny mpanjakan’i Eglona,+ iray; ny mpanjakan’i Gazera,+ iray; 13  ny mpanjakan’i Debira,+ iray; ny mpanjakan’i Gadera, iray; 14  ny mpanjakan’i Horma, iray; ny mpanjakan’i Arada, iray; 15  ny mpanjakan’i Libna,+ iray; ny mpanjakan’i Adolama, iray; 16  ny mpanjakan’i Makeda,+ iray; ny mpanjakan’i Betela,+ iray; 17  ny mpanjakan’i Tapoa, iray; ny mpanjakan’i Hefera,+ iray; 18  ny mpanjakan’i Afeka, iray; ny mpanjakan’i Lasarona, iray; 19  ny mpanjakan’i Madona,+ iray; ny mpanjakan’i Hazora,+ iray; 20  ny mpanjakan’i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’i Aksafa,+ iray; 21  ny mpanjakan’i Tanaka, iray; ny mpanjakan’i Megido,+ iray; 22  ny mpanjakan’i Kedesy, iray; ny mpanjakan’i Jokneama+ tany Karmela, iray; 23  ny mpanjakan’i Dora tany amin’ny tandavan-tendrombohitr’i Dora,+ iray; ny mpanjakan’i Goima tany Gilgala, iray; 24  ary ny mpanjakan’i Tirza, iray.Koa iraika amby telopolo ireo mpanjaka rehetra ireo.+

Fanamarihana

A.b.t.: “lohasaha lemak’i.”