Josoa 13:1-33

13  Ary efa antitra sady nandroso taona i Josoa.+ Koa hoy i Jehovah taminy: “Efa antitra sady mandroso taona ianao izao, nefa misy ampahany lehibe amin’ilay tany mbola tokony halaina.+  Izao no tany sisa mbola tsy azo:+ Ny faritra rehetran’ny Filistinina+ sy ny Gesorita,+  dia ny faritra nisy ny andriana dimy mpiray dinan’ny+ Filistinina izay nifehy ny tanànan’i Gaza+ sy Asdoda+ sy Askelona+ sy Gata+ ary Ekrona,+ sady nisy ny Avita+ koa. Noheverina fa an’ny Kananita+ kosa taloha ny faritra hatrany amin’ny sampan’i Neily tandrifin’i Ejipta, ka hatrany amin’ny sisin’i Ekrona any avaratra.+  Ary ireto ny any atsimo: Ny tany rehetran’ny Kananita; i Meara izay an’ny Sidonianina,+ hatrany Afeka ka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Amorita;  ny tanin’ny Gebalita+ sy i Libanona manontolo manandrify ny fiposahan’ny masoandro, hatrany Bala-gada+ eo am-pototry ny Tendrombohitra Hermona ka hatrany amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata;+  ary ny mponina rehetra eny amin’ny faritra be tendrombohitra, hatrany Libanona+ ka hatrany Misrefota-maima,+ dia ny Sidonianina+ rehetra. Izaho no handroaka azy ireo tsy ho eo anoloan’ny zanak’Israely.+ Omeo ho lovan’ny Israely fotsiny izany, araka izay nandidiako anao.+  Koa zarao ho lovan’ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase ity tany ity.”+  Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase kosa, efa nahazo ny lovany teny ampita atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, araka izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah azy ireo.+ Izany lovany izany dia:  Manomboka eo Aroera+ eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona,+ ary anisan’izany koa ny tanàna eo afovoan’io lohasaha falehan-driaka io, sy ny lembalemban’i Medeba+ manontolo, hatrany Dibona;+ 10  ny tanàna rehetran’i Sihona mpanjakan’ny Amorita izay nanjaka tao Hesbona, hatrany amin’ny sisin-tanin’ny taranak’i Amona;+ 11  i Gileada mbamin’ny tanin’ny Gesorita+ sy ny Makatita, sy ny Tendrombohitra Hermona+ manontolo, sy Basana+ manontolo hatrany Saleka;+ 12  ary ny faritra rehetra nofehezin’i Oga+ tany Basana. Nanjaka tao Astarta sy Edrehy+ i Oga, ary izy no sisa tavela tamin’ny Refaima.+ Koa namely an’ireny i Mosesy ka nandroaka azy.+ 13  Tsy noroahin’ny+ zanak’Israely anefa ny Gesorita sy ny Makatita, ka mbola mitoetra eo amin’ny Israely mandraka androany ny mponina tao Gesora+ sy Makata. 14  Ny fokon’ny Levita ihany no tsy nomeny lova,+ satria ny lovan’izy ireo+ dia ny fanatitra atao anaty afo+ ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely, araka izay nampanantenainy azy.+ 15  Koa nomen’i Mosesy fanomezana ny fokon’ny taranak’i Robena, araka ny fianakaviany avy, 16  ka lasan’izy ireo ny faritra manomboka any Aroera+ eo an-tsisin’ny lohasaha falehan-driakan’i Arnona, sy ny tanàna eo afovoan’io lohasaha falehan-driaka io, sy ny lembalemba manontolo akaikin’i Medeba;+ 17  ary koa i Hesbona+ sy ny tanànany+ rehetra eny amin’ilay lembalemba, sy Dibona+ sy Bamota-bala+ sy Beti-bala-meona,+ 18  sy Jahaza+ sy Kedemota+ sy Mefata,+ 19  sy Kiriataima+ sy Sibma+ sy Zareta-sahara eo amin’ny tendrombohitra izay eo amin’ny lemaka iva, 20  sy Beti-peora sy ny tehezan’i Pisga+ sy Beti-jesimota,+ 21  sy ny tanàna rehetra eny amin’ilay lembalemba,+ ary ny faritra rehetra nofehezin’i Sihona mpanjakan’ny Amorita, izay nanjaka tao Hesbona.+ Fa resin’i+ Mosesy i Sihona mbamin’ny mpiadidy teo amin’ny Midianina, dia i Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba,+ izay samy andrianan’i Sihona nipetraka tao amin’ilay tany. 22  Ary novonoin’ny zanak’Israely tamin’ny sabatra i Balama zanak’i Beora,+ ilay mpisikidy,+ ka niara-novonoiny tamin’ny hafa koa. 23  Ary lasa sisin-tanin’ny taranak’i Robena ny Reniranon’i Jordana. Izany faritra izany mbamin’ireo tanàna sy tanàna keliny, no lovan’ny taranak’i Robena,+ araka ny fianakaviany avy. 24  Nomen’i Mosesy fanomezana koa ny fokon’i Gada, dia ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany avy,+ 25  ka lasan’izy ireo i Jazera+ sy ny tanàna rehetran’i Gileada+ sy ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amona+ hatrany Aroera,+ izay tandrifin’i Raba;+ 26  sy ny hatrany Hesbona+ ka hatrany Ramata-mizpe sy Betonima, sy hatrany Mahanaima+ ka hatrany amin’ny sisin’i Debira;+ 27  ary ny eny amin’ny lemaka ivan’i Beti-harama+ sy Beti-nimra+ sy Sokota+ sy Zafona, ary ny ambiny tamin’ny faritra nofehezin’i Sihona mpanjakan’i Hesbona.+ Ary i Jordana no sisin-taniny hatreo amin’ny sisin’ny ranomasin’i Kinereta,+ dia ny sisiny eo ampita atsinanan’i Jordana. 28  Izany mbamin’ireo tanàna sy tanàna keliny, no lovan’ny taranak’i Gada,+ araka ny fianakaviany avy. 29  Nomen’i Mosesy fanomezana koa ny antsasaky ny fokon’i Manase, ka lasan’ny antsasaky ny fokon’ny taranak’i Manase, araka ny fianakaviany avy+ 30  ny faritra manomboka eo Mahanaima,+ ary anisan’izany koa i Basana manontolo, izany hoe ny faritra rehetra nofehezin’i Oga mpanjakan’i Basana,+ sy ny tanàna tranolay rehetran’i Jaira+ izay any Basana, dia tanàna enimpolo. 31  Ary ny antsasak’i Gileada mbamin’i Astarta+ sy Edrehy,+ izay tanàna nofehezin’i Oga mpanjaka tany Basana, dia azon’ny taranak’i Makira+ zanak’i Manase, izany hoe ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany avy. 32  Ireo no nampandovain’i Mosesy azy ireo, fony izy ireo teny amin’ny lemaka karakaina any Moaba teny ampita atsinanan’i Jordana, tandrifin’i Jeriko.+ 33  Ny fokon’ny Levita kosa tsy nomen’i Mosesy lova,+ satria i Jehovah Andriamanitry ny Israely no lovan’izy ireo, araka izay nampanantenainy azy.+

Fanamarihana