Josoa 14:1-15

14  Koa izao no nalain’ny zanak’Israely ho lovany tany amin’ny tany Kanana,+ ka i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ireo lohan’ny fianakaviamben’ireo fokon’ny zanak’Israely, no nampandova azy an’izany.+  Natao antsapaka+ ny lovan’izy ireo, araka ny didy nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’i Mosesy momba ireo foko sivy sy sasany.+  Efa nomen’i Mosesy teny ampitan’ny Reniranon’i Jordana mantsy ny lovan’ireo foko roa sy sasany.+ Tsy nomeny lova teo amin’izy ireo kosa ny Levita.+  Efa lasa foko roa koa ny taranak’i Josefa,+ dia i Manase+ sy Efraima.+ Tsy nomena anjara tao amin’ilay tany kosa ny Levita, afa-tsy tanàna+ honenana mbamin’ny kijanany ihany ho an’ny biby fiompiny sy ny fananany.+  Araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny zanak’Israely. Koa nozarain’izy ireo ilay tany.  Dia nanatona an’i Josoa tao Gilgala+ ny taranak’i Joda, ka hoy i Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita+ taminy: “Fantatrao tsara izay nolazain’i Jehovah+ tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra,+ momba ahy sy ianao tany Kadesi-barnea.+  Efapolo taona aho, fony nirahin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah, avy tao Kadesi-barnea mba hijery taratra an’ity tany ity.+ Dia niverina aho nanao tatitra taminy araka izay tao am-poko.+  Ary nampihorohoro ny fon’ny vahoaka ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko,+ fa izaho kosa nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny foko manontolo.+  Koa nianiana i Mosesy tamin’izay andro izay hoe: ‘Ho lasa lovanao sy ny taranakao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny tany izay nodiavin’ny+ tongotrao, satria ianao nanaraka an’i Jehovah Andriamanitro tamin’ny fonao manontolo.’+ 10  Ary efa nitsimbina ny aiko+ i Jehovah araka izay nampanantenainy,+ nandritra izay dimy amby efapolo taona izay, nanomboka tamin’ny nilazan’i Jehovah izany fampanantenana izany tamin’i Mosesy, rehefa nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely.+ Ary dimy amby valopolo taona aho izao. 11  Mbola matanjaka toy ny tamin’ilay andro nanirahan’i Mosesy ahy anefa aho.+ Tahaka ny hery nentiko niady tamin’izany ihany ny heriko ankehitriny, na rehefa mivoaka hiady na rehefa miverina avy any.+ 12  Koa omeo ahy irỳ faritra be tendrombohitra irỳ, izay nampanantenain’i Jehovah tamin’iny andro iny.+ Efa renao tamin’iny andro iny fa nisy Anakita+ tao, sady nisy tanàna lehibe voaro mafy.+ Antenaiko anefa fa homba ahy i Jehovah.+ Dia handroaka azy ireo aho, araka izay nampanantenain’i Jehovah.”+ 13  Dia nitso-drano an’i Kaleba zanak’i Jefone i Josoa, ka nanome an’i Hebrona ho lovany.+ 14  Izany no nahatonga an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba zanak’i Jefone Kenizita mandraka androany, satria izy nanaraka an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo.+ 15  Ny anaran’i Hebrona talohan’izay dia Kiriata-arba.+ Ilay lehilahy goavam-be teo amin’ny Anakita izany Arba+ izany. Ary nandry feizay ny tany fa tsy nisy ady.+

Fanamarihana